- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Diaben'ny Fitovian-jo sy ny Rariny Ny Vehivavy Ao Indonezia

Sokajy: Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Mpandray anjara tamin'ny Diabe ho an'ny Vehivavy 2018 tany Jakarta. Sary avy amin'ny Women's March [1] (Diaben'ny Vehivavy), nahazoana alalana.

Olona an'arivony no nanatevin-daharana [2]ny Diabe ho an'ny Vehivavy tao amin'ny tanàna indoneziana maherin'ny am-polony mba hitaky [3] ny rariny sy ny fiarovana ny zon'ny vehivavy. Natao tamin'ny 3 martsa 2018, andro vitsivitsy talohan'ny Andro Iraisam-pirenena ho n'ny Vehivavy, 8 Martsa ireo diabe [4] ireo.

Manana fitakiana [5] valo amin'ny governemantam-panjakana ny Diaben'ny Vehivavy:

  1. Abolition of discriminatory laws and policies that perpetuate gender violence
  2. Pass laws and policies that protect women, children, indigenous people, people with disabilities and gender minority groups from discrimination and sexual violence
  3. More accessible justice and rehabilitation for gender violence victims
  4. Stop the state and society's intrusion against a person's body and sexuality
  5. Abolition of stigma and discriminations against a person's gender, sexuality, and health status
  6. Abolition of the practice of violence in courts, schools, and workplaces
  7. Ending economic and financial depravation against women especially those working in factories, transwomen, sex workers and domestic workers.
  8. A more proactive society in abolishing unfair practices and culture of violence existing in various institutions

1.Fanafoanana ny lalàna sy politika manavakavaka izay mampaharitra ny herisetra amin'ny vehivavy
2.Fandaniana lalàna sy politika miaro ny vehivavy, ankizy, vahoaka tompotany, olona manana fahasembanana ary vondrona vitsy an'isa (vehivavy) manoloana ny fanavakavahana sy herisetra ara-nofo
3.Fitsarana sy fanarenana azo hidirana mora foana ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra
4.Fampitsaharana ny fitabahan'ny fanjakana sy ny fiarahamonina amin'ny vatana sy ny  ara-nofo
5.Fanafoanana ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ny maha lahy sy vavy, ny firaisana ara-nofo sy ny fahasalamana
6.Fanafoanana ny fampiharana herisetra any amin'ny fitsarana, sekoly sy toeram-piasana
7.Famaranana ny fahasimbana ara-toekarena sy ara-bola amin'ny vehivavy indrindra indrindra ireo miasa eny amin'ny orinasa, ny sarimbavy, ny mpivaro-tena sy ny mpiasa an-trano.
8.Fiarahamonina mavitrika kokoa amin'ny fanafoanana ireo fanao tsy ara-drariny sy ny kolontsain'ny herisetra misy eo amin'ny sehatra samihafa

Anisan'ireo olana nampahafantarina tamin'ny diabe ny fanitsiana [6] nankatoavina tamin'ny fehezan-dalàna famaizana Indoneziana (RKHUP) izay manameloka ny tsikera atao amin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimiera (DPR). Nanameloka ny fandaniana fehezan-dalàna izay mandràra ny fanitsakitsaham-bady [7] sy ny fizarana vaovao momba ny fanabeazana aizana sy ny fanabeazana ara-pananahana ihany koa ireo mpandray anjara.

Manana mponina miozolomana maro an'isa i Indonezia ary mirehareha amin'ny fampiroboroboana ny fomba fijery mahalala onony momba ny Silamo izay mankalaza ny fahasamihafan'ny finoana mba hananganana fiarahamonina mirindra. Na dia izany aza, nandritra ny taona vitsy lasa, nanosika amin'ny fandraisana hentitra momba ny fampianarana Silamo sy ny fampiharana azy ireo amin'ny lafiny maro amin'ny fitantanana ireo mpitondra fivavahana hiringiriny.

Nokarakaraina voalohany tamin'ny taona 2017 ny Diaben'ny Vehivavy ao Indonezia, noforonina mba hanetsiketsika ny olona avy amin'ny lafi-piainana rehetra mba hiady amin'ny herin'ny fanjakazakan-dehilahy eo amin'ny lafi-piarahamonina rehetra. Nanambara ny faharetan'ny foto-kevitra feodaly ireo mpandray anjara, tahaka ny fisainana Javaney taloha izay ny vehivavy no hany tsara ho an'ny “macak, masak, manak” (manao izay mampanintona ny vadiny, mahandro sakafo ho an'ny fianakaviany, mitondra zaza).

Niantso ho amin'ny firaisankina sy ny fanohanan'ny vahoaka ny zon'ny vehivavy ireo mpanao diabe ary nampiasa ny tenirohy #LawanBersama (#Miara-mitolona) tao amin'ny media sosialy:

Tombontsoa & fanetre-tena ny manao diabe miaraka amin'ireo vehivavy manome aingam-panahy sy mahafinaritra tamin'ity maraina ity nandritra ny diaben'ny vehivavy

I made this poster. #tolakRKUHP #tolakRKUHPngawur #womensmarchindo #womensmarch #womensmarchjkt #lawanbersama [14]

A post shared by Wulan Luna [15] (@deportistaverde) on

(Raha) sahirana amin'ny (fifehezana) ny elakelape ny fanjakana, mihomehy ny mpanao kolikoly. #againstRKUHP #notoincoherentRKUHP

Women's March pagi ini. . Selain bisa menyuarakan pesan, yg menyenangkan dari Womens March adalah ketemu sama temen2 yang jarang bisa kita temuin krn sibuknya mereka kayak orang2 ini. #womensmarch #womensmarchjakarta [16]

A post shared by Inayah Wahid [17] (@nay_wahid) on

 

Hoy ny vakin'ny fanazavana: “Ato amin'ny Diaben'ny Vehivavy androany maraina. Ankoatra ny maneho ny hevitro, ny mahafinaritra tamin'izany dia ny fihaonana tamin'ireo olona zara raha hitantsika noho ny rotorotom-piainantsika. Tiavo ireo vahoaka ireo.”

Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Nofiratsin'ny lehilahy ihany koa ny fanjakazakan-dehilahy.”

Jakarta Women’s March 2018 See all the photo on my Flickr: bit.ly/womensmarchjkt2018 . . . . . #womensmarch#womensmarchjkt#womensmarchindonesia#womensmarch2018#lawanbersama#womensmarchsigns#jakarta#indonesia [18]

A post shared by ? [19] (@_devinamartina) on

Any Indonezia, mbola mahazatra ny fanambadian'ny tsy ampy taona [20] na dia eo aza ny lalàna mandràra ny ray aman-dreny tsy hampanambady ny zanany latsaky ny 18 taona. Matetika zara raha taterina ny fanambadian'ny ankizy indoneziana. Tao Kupang, renivohi-paritanin'i Nusa Tenggara Atsinanana akaikin'i Bali, tanora roa no naneho ny ahiahiny sy ny fanantenany:

WOMEN'S MARCH KUPANG DARI KUPANG UNTUK INDONESIA YANG LEBIH MANUSIAWI #WOMENSMARCHKUPANG [21]

A post shared by Women's March Kupang [22] (@womensmarchkupang) on

Hoy ny fanazavana amin'ny Instagram: “Ny Diaben'ny Vehivavy Kupang ho amin'ny maha-olombelona kokoa ao Indonesia.”

Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Mama, tsy vonona hiteraka ny kiboko” sy “Mama, mbola te hianatra aho.”

Ny Diaben'ny Vehivavy tamin'ny 3 Martsa dia voalohany fotsiny tamin'ireo hetsika maro natao nandritra ny volana tao Indonezia.