- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast: Andrea Monti Avy Ao Amin'ny ICTlex

Sokajy: Eoropa Andrefana, Italia, Hevitra, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 20 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
[1]

Ilay mpisolovava Andrea Monti, izay mamahana bilaogy amin'ny teny Italiana ao amin'ny ICTlex [2], no nandresy tamin'ny sokajy Eoropeana tamin'ny  Lokan'ny Bilaogy RSF [1] ny taona 2005 .

Manahy i Monti fa tsy mahatsapa firy ny fihitaran'ny famerana ny fahalalàhana maneho hevitra ny vahoaka any amin'ny demaokrasia Tandrefana – ary raha toa ka nanomboka antserasera ny famerana tao amin'ny tontolo virtoaly dia tena lasa nanjary nisy fiantraikany ara-batana izany. Nilaza izy fa tokony tsy hieritreritra intsony  momba ny sehatra antserasera ho toy ny “zavatra tsy tena misy” ny olona raha oharina amin'ny sehatra ara-batana, satria sahala ny zo sy ny fahalalahana ivelany sy anatin'ny aterineto raha araka ny lalàna .  Mino izy fa mbola goavana kokoa ny olana ho an'ireo olona tsy miaina ny demaokrasia. Manantena izy fa ho maro kokoa ireo olona no hamahana bilaogy momba ireo olana ireo ary hanaitra ny sain'ny olona.

Niresaka tamin'i Andrea tamin'ny alàlan'ny Skype aho, nandrakitra ny resadresaka ary nandefa izany eto ho ho. Kitiho eto raha hihaino izany ianao [3] (MP3, 13MB).