Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Skypecast: Andrea Monti Avy Ao Amin'ny ICTlex

(Marihina fa tamin'ny 20 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ilay mpisolovava Andrea Monti, izay mamahana bilaogy amin'ny teny Italiana ao amin'ny ICTlex, no nandresy tamin'ny sokajy Eoropeana tamin'ny  Lokan'ny Bilaogy RSF ny taona 2005 .

Manahy i Monti fa tsy mahatsapa firy ny fihitaran'ny famerana ny fahalalàhana maneho hevitra ny vahoaka any amin'ny demaokrasia Tandrefana – ary raha toa ka nanomboka antserasera ny famerana tao amin'ny tontolo virtoaly dia tena lasa nanjary nisy fiantraikany ara-batana izany. Nilaza izy fa tokony tsy hieritreritra intsony  momba ny sehatra antserasera ho toy ny “zavatra tsy tena misy” ny olona raha oharina amin'ny sehatra ara-batana, satria sahala ny zo sy ny fahalalahana ivelany sy anatin'ny aterineto raha araka ny lalàna .  Mino izy fa mbola goavana kokoa ny olana ho an'ireo olona tsy miaina ny demaokrasia. Manantena izy fa ho maro kokoa ireo olona no hamahana bilaogy momba ireo olana ireo ary hanaitra ny sain'ny olona.

Niresaka tamin'i Andrea tamin'ny alàlan'ny Skype aho, nandrakitra ny resadresaka ary nandefa izany eto ho ho. Kitiho eto raha hihaino izany ianao (MP3, 13MB).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.