- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifangaroana Lahatsoratra, Sary, Mozika GV: Karazana Loko Manontolo

Sokajy: Sri Lanka, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina

Mahatonga ahy hahatsapa ho tsy mahazo aina ny vondrona lehibe; mampatahotra izy ireo ary mora ny “very amin'ny fandikan-teny”. Arakaraka ny maha lehibe ny vondrona, no vao mainka mampanahirana amin'ny fifandraisana mivantana. Ity no fihaonambeko faharoa tamin'ny Global Voices ary tamin'ny fanombohany, tsy mbola tafala tamiko ny fahatsapana ho rendrika ao anatin'ny vondrona. Mila fotoana ny mifandray amin'ny olona rehetra, ny fiteny samihafa, ireo zavatra maro tokony hatao, ireo zavatra holazaina ary ireo zavatra tokony henoina. Saingy avy eo, manomboka tsikelikely ny majika. Mipoitra avy amin'ny manjavozavo ny endrika, miha-mazava kokoa ny endrika, mamirapiratra sy maranitra ny loko. Miseho amin'ny maha-izy azy, ny fahasamihafana sy ny mampiavaka azy ny mpandray anjara tsirairay. Toa toy ny fampisehoana afomangana mahafinaritra izany. Manomboka mahita ianao fa ny olona rehetra ao amin'ny Global Voices dia miavaka ary tonga miaraka aminy tantarany mba hanampiana an'ity vondrom-peo tsy manam-paharoa ity.

Namana sarobidy ny fotoana rehefa miezaka ny hahafantatra tsara kokoa ny olona isika ary izany no antony nahatsapako fa tsara vintana aho, tany Filipina sy tany Sri Lanka, mba ahafahako miaraka amin'ny vondrona kely kokoa aorian'ny fihaonambe. Tsy vitan'ny hoe fomba iray ahafahana mahafantatra bebe kokoa momba ny firenena nampiantrano ny fihaonambe izany, fa koa fomba iray ahafahana manana fotoana bebe kokoa hifanakalozana amin'ny GVers hafa. Misokatra ny olona, ​​mizara traikefa ivelan'ny efitra fivoriana ary mizara ny fiainana andavan'andro mandritra ny roa andro. Nanana traikefa nahafinaritra niaraka tamin'ny vondrona misy anay izay nantsoin'ny mpitantana ny fitsidihana hoe “FD1″, nitsidika an'i Sigiriya, Kandy sy Galle niaraka tamin'ny mpitari-dianay Waruna izahay. Ahitana olona avy any Trinidad sy Tobago, Bangladesh, Soisa, Brezila, Shily [Mapuche], Makedonia, India, Tajikistan, Liban, Espaina ary Frantsa ity vondrona ity. Ho an'ireo olona izay nandray ny vondrona misy anay nandritra ny fitsidihana, toa tahaka ny fianakaviana mahafinaritra izahay. Lahy sy vavy, samihafa loko sy taona, ary mitsiky, manontany ny olona ny olana miompana amin'ny zon'olombelona ary miara-mihomehy tahaka ny hoe mpinamana efa ela izahay.

Nahafahako nijery akaiky ny endriky ny GVers izay nizara ity traikefa ity niaraka tamiko ity dia ity. Manana ny fombany mba ho tsara tarehy, maneho hevitra sy velona ny olona tsirairay, ​​noho izany, nanomboka naka ny sarin'izy ireo tamin'ny fakantsariko aho. Manantena aho fa – mihoatra noho ny teny rehetra – maneho ny zavatra tsapako momba ny fianakavian'ny Global Voices ireto andian-tsary ireto.

Pantha / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Pantha / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Christophe, Filip, Elise, Simona / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Christophe, Filip, Élise, Simona / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Marianne / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Mariana / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Pauline / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Pauline / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Rohith and Acharna / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Rohith sy Archana / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Lourdes / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Lourdes / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Elise and Suzanne / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Élise sy Suzanne / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Christophe / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Christophe / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Raphaël / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Raphaël / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Atiba / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Atiba / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Jade / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Jade / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Kristina and Filip / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Kristina sy Filip / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Abdulfattoh / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Abdulfattoh / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Simona / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Simona / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Filip / Global Voices (Photo Marie Bohner)

Filip / Global Voices. Sary avy amin'ny mpanoratra.

The GV squad that climbed the Sigiriya rock fortress (Photo Filip Stojanovski, with his kind authorization)

Ny ekipa GV izay nihanika ny mandan'i Sigiriya. Sary avy amin'i Filip Stojanovski, nahazoana alalana.

Mino koa aho fa manana ny lisitra anatiny rehetra isika. Ny hira koa mamaritra ny ampahany amin'ny momba antsika. Azo antoka fa nanana lisitra isika mba hanehoana ny fitsangatsanganantsika Sri Lankan – mozika nanaraka ny diantsika, hira izay tiantsika zaraina. Ity no fifangaroan'ny hadalantsika rehetra. Ankehitriny, satria nijery anay ianao, vonona ny handihy ve ianao?