- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kamerona: Ahiahy Amin'ny Fahalalahana

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Na dia tsy fifantohan-tsain'izao tontolo izao aza i Kamerona [1], manontany ny tena fisian'ny fahafahana eto amin'ity firenena Afrikana ity ny sasany amin'ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana.

Ao amin'ny bilaoginy [2] [fr], Édouard Tamba manahy momba ny fahalalahana ao amin'ny fireneny:

Le 8 novembre dernier, le sous-préfet de Yaoundé II débarque au Palais des congrès avec l’intention d’interdire la tenue de l’Assemblée générale de l’Ordre des avocats du Cameroun. […] Quelques jours plus tôt, c’est le même sous-préfet qui interdisait une réunion des syndicats de taximen […].

Le week-end dernier, ce sous-préfet interdisait la marche de l’Ong Jane and Justice, oeuvrant dans la sensibilisation contre les accidents de la route. Le même jour, celui de Yaoundé I interdit une réunion illégale de la ligue provinciale d’athlétisme du Centre. “En voilà au moins un qui a gardé sa lucidité”, commentent certains. Trop tôt ! Ledit sous-préfet, après des pressions du ministre des Sports et de l’éducation physique, autorise finalement la réunion. […]

Ny 8 novambra [2008], tonga tao amin'ny foiben'ny fivoriambe ny filohan'ny sous-prefet an'i Yaoundé II ary nikasa handràra ny fanatontosana ny fivoriamben'ny fikambanan'ny mpisolovava Kameròna. […] Andro vitsy talohan'io, nandràra ny fivorian'ny sendikan'ny mpamily fiarakaretsaka ihany koa itysous-prefet ity[…].

Ny faran'ny herinandro lasa teo, noraràny ihany koa ny diabe nokasain'ny fikambanana tsy miankina Jane And Justice, diabe mikendry ny hampitombo ny fahatsiarovan-tenan'ny vahoaka manoloana ny lozam-pifamoivoizana. Tamin'io andro io ihany, nandràra fivoriana tsy ara-dalàna nataon'ny ligim-paritry ny mpanao fanatanjahan-tena koa ity sous-prefet ity. “Farafaharatsiny, mbola misy olona manan-tsaina eto,” hoy ny sasany. Nanome alalana ny fivoriana ihany ity sous-prefet ity taorian'ny fanerena avy amin'ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Fanabeazana Ara-batana. […]

Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ity lahatsoratra ity, diso fanantenana i Ti Aya:

Est-ce que c’est vraiment une régression ? Il me semble qu’il en a toujours été ainsi, non ?

Tena fihemorana ve izany? Toa hitako tahaka izany foana ny fandehan-javatra, sa tsy izany?

Tao amin'io lahatsoratra io ihany, mitatitra toe-javatra iray hafa i Édouard Tamba, fandraràna ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ny fikambanana sivily ho fiarovana ny tombontsoa iombonana (ACDIC), miaraka amin'ireo sarin'ny [2] famoretana mahery vaika ny hetsi-panoherana tao Yaoundé avy amin'ity fikambanana ity tamin'ny 10 Desambra.

Ho setrin'izany hetsika izany, François Bimogo, tonian'ny gazety Éclat d'Afrique, nandefa ity hafatra ity [fr]:

Après l'interdiction […] de sa conférence de presse […], l'Association Citoyenne de Défense des Intérêts Collectifs a tenu une manifestation de près de 500 personnes […] à Yaoundé […].

Face à des manifestants à mains nues qui brandissaient des pancartes pour dénoncer les détournements, la corruption et la réaction de l'État Camerounais pour éviter la crise alimentaire du maïs qui guette le Cameroun en 2009, une cinquantaine de policiers anti-émeutes lourdement armés ont fondu sur les manifestants après une tentatives d'exfiltration de force de […] Bernard NJONGA, président de l'ACDIC. A l'issue de violentes empoignades, une trentaine de manifestants ont été chargés et embarqués […].

Taorian'ny fandraràna […] ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety […], nanao fihetsiketsehana nahitana olona manodidina ny 500 teo […] tao Yaoundé […] ny fikambanana sivily ho Fiarovana ny Tombontsoa Iombonana.

Polisy misahana ny rotaka teo amin'ny 50 no niatrika mpanao fihetsiketsehana tsy mitondra fitaovam-piadiana afa-tsy sora-baventy miampanga fanodikodinam-bola, kolikoly sy ny valintenin'ny governemanta manoloana ny krizy ara-tsakafo izay mandrahona an'i Kamerona tamin'ny taona 2009; niezaka nisambotra ny filohan'ny ACDIC […], Bernard NJONGA ny polisy. Taorian'ny herisetra mahery vaika, nisambotra mpanao fihetsiketsehana 30 teo izy ireo […].

Tao amin'ny lahatsorany, Édouard Tamba naneho hevitra hoe:

La démarche de l’Acdic pourrait être contestable en ce qui concerne le cadre légal régulant les manifestations publiques. Mais de là à en arriver à de telles exactions. On se pose des questions.

Raha mikasika ny lalàna mifehy ny fihetsiketseham-bahoaka, mety azo iadian-kevitra ihany ny fihetsiky ny ACDIC. Saingy ny fahatongavana amin'ny herisetra toy izany no mahatonga fanontaniana betsaka.

Afaka manazava izany ny fiafaràn'ny hafatr'i François Bimogo:

Selon une étude […], l'ACDIC a découvert que plus de 1,2 milliards de F CFA ont été détournés depuis 2006 au Ministère de l'agriculture et du développement rural […].

Araka ny fanadihadiana natao, nahita ny ACDIC fa tamin'ny taona 2006, 1.2 miliara CFA francs mahery [2.5 tapitrisa dolara amerikana] no nahodin'ny Departemantan'ny fambolena sy ny fampandrosoana ny Ambanivohitra.

Azo jerena ato amin'ity bilaogy [3] ity ny vaovao bebe kokoa momba ity lohahevitra ity [fr].

Na dia nilaza aza ny tatitra 2007 fanaon'ny ONG Reporters Without Borders [4] isan-taona fa manomboka  hita taratra ao Kamerona ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, dia mbola marefo sy mety mora iharan'ny fandrahonana izany.

Ao amin'ny PrinceReport, manoritsoritra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny lahatsoratra [5] nosoratan'i Yemti Harry Ndienla, araka ny tatitra nataon'ny Departemantam-panjakana Amerikana:

Cameroon’s human rights record remains poor and government continue to commit numerous human rights abuses year-in-year-out. Government backed security forces commit numerous unlawful killings; engaged in regular torture, beatings, and other abuses, particularly of detainees and prisoners with impunity. On the other hand, Prison conditions remain harsh and life-threatening while authorities arbitrarily arrested and detained anglophone citizens (SCNC) advocating secession, local human rights monitors and activists, other citizens and above all journalists. Furthermore, there are disturbing reports of prolonged and sometimes incommunicado pretrial detention and infringement on citizens’ privacy rights.

Annual reports on Cameroon by the US Department of State have always buttress the above including the fact that “the government restricted citizens’ freedoms of speech, press, assembly, association, and harassed journalists. The government also impeded citizens’ freedom of movement. The public perceived government corruption to be a serious problem. Societal violence and discrimination against women; trafficking in persons, primarily children; discrimination against indigenous Pygmies and ethnic minorities; and discrimination against homosexuals were problems. The government restricted worker rights and the activities of independent labor organizations, and child labor, slavery, and forced labor, including forced child labor, were reported to be problems”.

Miharatsy hatrany ny tatitra momba ny zon'olombelona ao Kamerona ary mbola manohy manao fanitsakitsahana ny zon'olombelona marobe isan-taona ny governemanta. Mamono olona maro tsy araka ny lalàna, mampijaly, midaroka sy manao fanararaotana hafa hatrany, indrindra indrindra amin'ireo gadra sy voafonja ireo mpitandro filaminana tohanan'ny fanjakana ary tsy voasazy. Etsy ankilany, mbola ratsy sy mety mahafaty ny fepetra iainana any am-ponja no sady mbola misambotra sy managadra olom-pirenena mpiteny anglisy (SCNC) mpiaro zon'olombelona, mpanara-maso ny zon'olombelona sy mpikatroka, olom-pirenena hafa ary indrindra ny mpanao gazety tsy amin'ny antony ny manampahefana. Ankoatra izany, misy ny tatitra mampikorontan-tsaina momba ny fanagadrana ela sy indraindray miafina ary koa fanitsakitsahana ny zo momba ny fiainana manokan'ireo olom-pirenena.

Miampanga hatrany ny voalaza etsy ambony ny tatitra isan-taona momba an'i Kamerona avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana, ka anisan'izany ny “fameran'ny governemanta ny fahalalaham-pitenenan'ny olom-pirenena, ny gazety, ny fivoriana, ny fikambanana, sy ny fanorisorenana mpanao gazety. Noraràn'ny governemanta ihany koa ny fahalalahana hanao fihetsiketsehana ho an'ny olom-pirenena. Hitan'ny vahoaka fa olana goavana ny kolikoly ataon'ny governemanta. Olana ihany koa ny herisetra sy fanavakavahana ara-tsosialy amin'ny vehivavy; ny fanondranana olona an-tsokosoko, indrindra ny ankizy; ny fanavakavahana an'ireo tompotany Pygmées sy ny foko vitsy an'isa; ary ny fanavakavahana ny pelaka. Noferan'ny fitondram-panjakana ny zon'ny mpiasa sy ny asan'ireo fikambanana tsy miankina mpiaro ny mpiasa, anisan'ny notaterina ho olana ihany koa ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny fanandevozana ary ny asa an-terivozona, anisan'izany ny asa an-terivozona ataon'ny ankizy.”

Samy milaza ny olana manokana ao amin'ny faritany [6] roa avaratra-andrefana miteny Anglisy ao Kamerona, izay misy ny hetsika separatista ity tatitra sy ny tatitra iray hafa. [7]

Nolazain'i Narmer [8] ny tantaran'i Njoya Hilary Tikum, izay nandositra an'i Kamerona tamin'ny taona 2006 noho izy mpiteny Anglisy mpisintaka sy nijaly ny famoretana tao amin'ny fireneny. Nitady izy ary nahazo fialokalofana politika tany Etazonia, ary monina any New York izy ankehitriny.

Tsy ravan'ny ady i Kamerona, saingy mbola matanjaka ny fitondran'i Paul Biya [9], ary mila mandroso ny fahalalahana ao amin'ny fireneny.