- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Nahaliana Ny Mpamaky Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 26 Feb- 4 Mar?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka
[1]

“Reader!” sary an'i David Holmes, mpampiasa Flickr. CC BY-ND 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manerana ny firenena, ny kolontsaina ary ny fiteny..

Tsy hoe mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanarahana fironam-baovao fa ataonay izany satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany erantany ny asa mafy ataonay.

Araka izany dia fomba iray fandrefesana ilaina ny fomba famalin'ireo mpamaky ny tantara sy ny asa fandikàna ataonay. Koa ndeha hojerentsika hoe iza avy ireo mpamaky ary inona no nahasarika ny sainy nandritra ny herinandron'ny 26 Febroary hatramin'ny 4 Martsa 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky Global Voices?

Tamin'ny herinadro lasa, mpamaky avy amin'ny firenena miisa 204 no voasarik'ireo tantara sy asa fandikana nataonay! Ireto ireo firenena 20 mitana laharana voalohany tato anatin'ny tranonkala rehetra an'ny Global Voices:

1. Etazonia
2. Brezila
3. Frantsa
4. Meksika
5. Japàna
6. Espaina
7. Kolombia
8. Alemaina
9. Fanjakana Britanika
10. Filpina
11. Italia
12. India
13. Taiwan
14. Kanadà
15. Rosia
16. Però
17. Bangladesh
18. Arzantina
19. Indoneszia
20. Ekoatora

Saingy sombiny kely amin'ny fahasamihafàn'ireo mpamaky anay ihany ireo. ‘Ndao ho ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy amin'ny Random.org ary hojerentsika ireo firenena hafa vitsivitsy ao anatin'ny lisitra:

106. Shina
76. Irlandy
129. Martinika
33. Polonina
184. Repoblika Afrika Afovoany

Global Voices amin'ny teny anglisy

Ao amin'ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana voalohany ny ankamaroan'ireo votoaty mivoaka ato amin'ny Global Voices. Ireto ny tantara dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. “Stop Bombing Syria!” Berlin Protest Demands Immediate Ceasefire in Ghouta and Afrin  [3]
2. “Do Others Know We Exist?”: A Nurse’s Testimony from Syria’s Besieged Eastern Ghouta  [4]
3. A Sudanese Village Arts Festival Looks Back to the Future [5]
4. All of the Soviet Union’s Academy Award-Winning Films Are Legally and Freely Available Online [6]
5. A Suicide Mentality, on the Precipice of War in Northeast Asia [7]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika ireo tantara ato amin'ny Global Voices ho amin'ireo fiteny hafa ankoatra ny Anglisy. Misy eo amin'ny 30 eo ireo tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ireo tantara na asa fandikàna be mpamaky indrindra tany amin'ireo tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa .

Arabo

Aymara

Bangla

Bolgara

Shinoa (notsotsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tseky

Holandey

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemàna

Grika

Hindi

Hongroà

Italiàna

Japoney

Koreàna

Kiorda

Makedoniàna

Malagasy

Nepali

Poloney

Portiogey

Punjabi

Romaniàna

Rosiàna

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu