- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Antsafa Nifanaovana Tamin'i Arzu Geybullayeva

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Tamin'ny 22 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ampahany tamin'ny fitateranay manokana ny Feon'ny Fifanandrinana any Kaokazia [1] ity lahatsoratra ity  .

arzu

Na dia teo aza ny tsindrimpeo azony avy amin'ny fanabeazana tany Etazonia sy tany amin'ny Fanjakana Britanika, Arzu Geybullayeva, izay mpandalina ny faritra amin'izao fotoana izao, dia lasa iray amin'ireo bilaogera fanta-daza indrindra any Azerbaijan amin'ny bilaoginy Flying Carpets and Broken Pipelines [2] .

Welcome to my blog- Flying Carpets and Broken Pipelines! Here you may find, articles, links to online newspapers on Azerbaijan and other blogs, some personal stories and my work. There are updates from news in Turkey as well as on the relations between the two countries. I hope you enjoy it!

Tongasoa eto amin'ny bilaogiko-Flying Carpets and Broken Pipelines! Ho hitanao ato ireo lahatsoratra, rohy mankany amin'ny gazety antserasera ao Azerbaijan sy ireo bilaogy hafa ary ireo tantara manokana sy ny asako. Misy ny fanavaozam-baovao avy amin'ny vaovao avy any Tiorkia sy ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta ihany koa. Manantena aho fa hankafy izany ianao!

Monina any Istanbul sy Baku,  nanokana ny fotoanany hiresahana tamin'ny Global Voices momba ny famahanana bilaogy ao Azerbaijan sy ny faritra i Arzu Geybullayeva, anisan'izany ny fanagadrana ny bilaogeran-dahatsary miisa roa ao amin'ny firenena. Jereo eto [2] ny bilaogin'i Arzu Geybullayeva .

Azonao renesina etsy ambany ny antsafa feno.