- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikendry ny Hiaro ireo Elefanta Sisa Tavela Any Myanmar ny Fanentanana ‘Voices for Momos’

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
[1]

Elephanta hazo mandonda, Myamar. Sary nalain'i James Anderson, World Resources Institute. loharano: Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Maro ireo vondrom-piarovana sy mpiaro ny tontolo iainana no nanambatra ny hery hanao fanentanana mba hampiroboroboana ny fiarovana ny elefanta, fantatra ho “momos” amin'ny fiteny Birmana, mihena isa any Myanmar,

Mandrisika ny vahoaka handà ny fivarotana tsy ara-dalàna ny sombin-taovan'elefanta  sy ireo bibidia hafa ny  fanentanan'ny [2] “Voices for Momos”. Miantso ny governemanta ihany koa izy hampihatra programa maro hanatsaharana ny fihazana elefanta sady manome antom-pivelomana hafa ho an'ny mpihaza.

Heverina [3] ho 1400 hatramin'ny 2000 ny isan'ny elefanta mpirenireny. Elefanta iray isan-kerinandro no maty araka ny tatitra, ary misy ny nampitandrina fa mety ho ripaka ao anatin'ny roapolo taona ny elefanta ao Myanmar raha tsy mijanona ny famonoana.

Nampitandrina ny tatitry ny gazety iray vao haingana fa mety hihamafy ny fihazana elefanta any Myanmar satria nandidy ny hanenjehana ny fivarotana bibidia amin'ny fomba tsy ara-dalàna i Shina mpifanolo-bodirindrina aminy. Mety hampitombo ny tinadin'ireo vokatra tsy fahita avy ao Myanmar ireo mitady sombin'elefanta sy biby hafa tandindonin-doza.

Nolazainy ihany koa fa mitobaka [4] eo akaikin'i pagôdan'i Rangoon sy fitoerana masina hafa izay matetika tsidihan'ireo ireo mpizahatany eo an-toerana sy vahiny ny fivarotana sombin'elefanta.

Tanjona lehiben'ny fanentanana “Voices for Momos” ny ezaka fanabeazana ny vahoaka momba ny fiarovana ny elefanta. Iray amin'ireo hetsika natao hisarihana ny sain'ny besinimaro ny fampiratiana sarivongana saribakoly miloko marevaka manerana an'i Rangoon. Lehibe indrindra [5] manerana izao tontolo izao ny elefanta papier-mâché natao tamin'ny gazety lany daty, araka ny hevitr'ireo artista ao an-toerana.

✨ SURPRISE! Look who's here… That's right, our giant momos are back! ??? Thank you to our partner Shwe Taung Group for giving voice to our beloved elephants. ? Come see and play with our momos at Junction Square! ??? Take a selfie with them and don't forget to tag #fomomos . #BeKindToElephants #ProtectElephants #elephantsofinstagram #saveelephants #elephantlove #elephantlovers #elephant #elephants #loveelephants #asianelephant #asianelephants #asianwildlife #savewildlife #wildlife #animallovers #conservation #stoppoaching #notopoaching #myanmar #mymyanmar #discovermyanmar #everydayasia #everydaymyanmar #everydayextinction #WorthMoreAlive #publicart #makers #designforchange [6]

A post shared by VOICES FOR MOMOS [7] (@voicesformomos) on

Voaporofo ho nahaliana ny ankizy ny seho:

Come join us at the Big British Day Out at the British ambassador’s residence! Today only, all welcome ? Food market, games, elephant face painting and much more! #formomos #bigbritishdayout #SundayFunDay . #BeKindToElephants #ProtectElephants #elephantsofinstagram #saveelephants #elephantlove #elephantlovers #elephant #elephants #loveelephants #asianelephant #asianelephants #asianwildlife #savewildlife #wildlife #animallovers #conservation #stoppoaching #notopoaching #myanmar #mymyanmar #discovermyanmar #everydayasia #everydaymyanmar #everydayextinction #WorthMoreAlive [8]

A post shared by VOICES FOR MOMOS [7] (@voicesformomos) on

Natomboka ihany koa ny fanangonan-tsonia ho anisan'ny hetsika [9] itakiana amin'ny governemanta ny fitarihana fanoherana ny fihazàna sy ho hetsika fitarihana ny vahoaka hanajanona ny fividianana antsokosoko ireo vokatra avy amin'ny biby. Maherin'ny 2000 ireo olona nanao sonia tamin'ny fotoana nanoratana [ny teny anglisy]

Lahatsary [10] iray nataon'ny fanentanana nanasongadina ireo mpanakanto tao an-toerana nandrisika ny mpijery hanavotra ireo elefantan'i Myanmar.

Nandrisika ny handefa fitiavana ny elefanta amin'ny fotoana fankalazana ny andron'ny mpifankatia tamin'ny 14 Febroary ilay fanentanana:

Arahabaina nahatratra ny andron'ny mpifankatia avokoa ny mpanjohy anay rehetra

Afa-nampiasa ny stickers [17]  an'ny Viber ihany koa ireo mpiserasera amin'ny finday ho fanohanana ny “Voices for Momos”.

 

Our partner WWF-Myanmar is now on @Viber and has the cutest elephants (aka “momos” in Myanmar) stickers ? Search Voices for momos in Viber's sticker market to download them and spread the momo love ?❤️#formomos #techforgood . #BeKindToElephants #ProtectElephants #elephantsofinstagram #saveelephants #elephantlove #elephantlovers #elephant #elephants#loveelephants #asianelephant #asianelephants #asianwildlife #savewildlife #wildlife #animallovers #conservation #stoppoaching #notopoaching #myanmar #mymyanmar #discovermyanmar #everydayasia #everydaymyanmar #everydayextinction #WorthMoreAlive #elephantlivesmatter [18]

A post shared by VOICES FOR MOMOS [7] (@voicesformomos) on

Vao ny dingana voalohany amin'ny fanentanana fotsiny ny fanairana ny daholobe momba ny momos. Ny fanamby manaraka kosa dia ny fampandraisana andraikitra ireo manampahefana ao an-toerana sy ireo mpihaza amin'ny filàna fampiatoana ny famonoana elefanta.