- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Etazonia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 9 Aogositra 2009)

Ampahany tamin'ny fitateranay manokana ny Feon'ny Ady any Kaokazia [1] ity lahatsoratra ity.

dotcom [2]Hetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani [3] hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International [4] ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana.

Niteraka olana mazava ho azy ny fifandonana nisy teo amin'i Armenia sy Azerbaïdjan noho ny fifandirana ny faritanin'i Nagorno Karabakh indrindra fa rehefa mifankahita amin'ireo tanora Amerikana [5] any Etazonia ireo tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Niresaka momba ireo fanamby natrehany sy ny sasany tamin'ny fahombiazan'ny fandaharanasa ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux.

Manana tranonkala ny DOTCOM ao amin'ny http://dotcom.ph-int.org [6] ary vavahadim-baovao ho an'ny mpandray anjara maro amin'ireo bilaogy  DOTCOM ao amin'ny http://www.netvibes.com/phdotcom#DOTCOM-Home_Page [7] sady azonao renesina etsy ambany ny antsafa niarahana tamin'i Elizabeth Métraux izay mamahana bilaogy amin'ny tetikasa http://dotcomelizabeth.blogspot.com [8] ihany koa .

Ampahany tamin'ny fitateranay manokana ny Feon'ny Fifandirana any Kaokazia [1] ity lahatsoratra ity.