- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandalinana Boky: Antsafa Niarahana Tamin'I Roy Moxham

Sokajy: Azia Atsimo, Eoropa Andrefana, Angletera, India, Haisoratra, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 18 Septambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity no antsafa fizarana faharoa niarahana tamin'ilay mpanoratra Roy Moxham, izay nanoratra ny: “The Great Hedge of India: The Search for a Living Barrier That Divided a Nation” [1] (Ny Fefiben'i India: Ny Fikarohana Momba Ny Sakana Velona Nampisaraka Ny Firenena), sy ny “Tea: Addiction, Exploitations and Empire” [2] (Dite:Fiankinan-doha, Fitrandrahana ary Ampira). Tao amin'ny tranombakoky ny Oniversiten'i Londres Ingahy Moxham no nisotro ronono, izay niandraiketany ny fikajiana sy ny fanangonana boky. Any India izy manao fikarohana amoahana boky fahatelo mitondra ny lohateny hoe, “Malabar Dreams” (Nofinofy Malabar). Ao amin'ny antsafa Fizarana I no niresahany ny bokiny India sy ny fomba fanaovany fikarohana amoahany boky. Miresaka momba ny tetikasany hamoaka boky vaovao izy ato amin'ity Fizarana II ity, ary ny fomba fanaovany fikarohana sy fanoratany ny bokiny.

Azo vakiana eto [3] ireo fomba fijery mahaliana mikasika ny sanganasan'i Moxham [4] .

Ny antsafa niarahana tamin'i Roy Moxham  [5]