- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Avaratra: Tambajotram-Pinday Vaovao

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Avaratra, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: tamin'ny 18 desambra 2008 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny vaovao lehibe nivoaka avy tao Korea Avaratra dia ny namoahan'ny orinasam-pifandraisandavitra ejiptiana Orascom ny tambajotram-pinday 3G vaovao tao amin'ity firenena mitoka-monina ity. Pyongyang no tanàna hisitraka izany voalohany ary hanaraka avy eo ny tanandehibe hafa. Voalaza moa fa nampiasa vola hatramin'ny 400 tapitrisa dolara ny Orascom hividianana ny lisansa sy ny fananganana ny fotodrafitrasa rehetra. Maro ireo mpanadihady no manontany amin'ny hahaveloman'ity orinasa ity raha miady amin'ny fiainana ny toekaren'i Korea Avaratra. Mahatsapa i Mark Sutton ao amin'ny itp.net blog [1] fa mety mijery ny fampiasam-bola lavitra dia lavitra ezaka ny Orascom.

Of course, it might be possible that Orascom is playing this as a very long term investment, waiting for a time when North Korea begins to open up. There has been a lot of speculation about the health of the totalitarian leader Kim Jong-il, and the Orascom group has other investments in the country, including a 50% stake in a cement company, and redevelopment work on the Ryugyong Hotel (the capital’s only prestige hotel project, which has remained unfinished for twenty years).

Mazava loatra fa mety mijery azy eo amin'ny fampiasam-bola tena lavitra ezaka ny Orascom ary miandry ny fotoana anombohan'i Korea Avaratra hisokatra. Efa nandeha dia nandeha ny siosion-dresaka momba ny fahasalaman'ny mpitarika Kim Jong-il, ary manana tombontsoa hafa ao amin'ny firenena ihany koa ny Orascom, tafiditra amin'izany ny 50%-n'ny renivolan'ny orinasa fanaovan-tsimenitra iray, ny fanavaozana ny Hotel Ryugyong (fandraisam-bahiny tokana mirentirenty ao an-drenivohitra tsy mety vita tao anatin'ny roapolo taona).

Ity ny rohin'ny Wikipedia mankao amin'ny Vondrona Orascom [2]

Riskwatchdog mampitandrina ny mpamakiny ary mampahatsiahy azy ireo fa efa nisy tambajotram-pinday efa niala aina [3] tao Korea Avaratra.

However, don’t get too excited. It seems to me that growth of Korea’s mobile phone network will be stunted for several reasons. In fact, this is the second time in the 2000s that North Korea has set up a mobile network. A fledgling network was launched in 2002, but this was reversed two years later, apparently because the authorities suspected that a mobile phone had been used to trigger a massive railway explosion in the northern city of Ryongchon. The blast was interpreted by some as an attempt to assassinate the ‘Dear Leader’, Kim Jong Il, whose personal train had passed through the area a few hours earlier.

Na izany aza, aza dia taitaitra loatra. Hitako hoe hihisatra io tambajotram-pinday ao Korea io noho ny antony maro. Ny zavamisy, fanindroany izao tamin'ity taona 2000s ity no nanangana tambajotram-pinday i Korea Avaratra. Nisy tambajotra malazolazo iray izay nivoaka tamin'ny taona 2002, saingy nakatona izany roa taona taty aoriana, satria noahiahian'ny manampahefana fa finday iray no nanapoahana fiaran-dalamby tao an-tanànan'i Ryongchon ao avaratra. Nadikan'ny sasany ho fikasana hamonoana ny “Mpitarika Mamim-Bahoaka” Kim Jong Il, izay nandalo teo indrindra ora vitsy mialoha ny fiarandalambiny manokana.

Ato ny voina tamin'ny fiaran-dalambin'i Ryongchon [4]

Tao ambanimbany tamin'ny lahatsoratra tao ny riskwatchdog nandahatra ny antony telo atahoran'i Pyongyang ny finday. Iray amin'izany ny :

They can make it easier for citizens to communicate with one another (that’s the whole point!). This would increase their ability to organise anti-government activities – such as protests or sabotage. For example, the popular uprising that led to the overthrow of Philippine president Joseph Estrada in 2001 was dubbed the ‘text message revolution’, because that is how the marches were announced and coordinated. Mobile phones would also allow organised crime to proliferate, and black marketeers to dodge the police by tipping each other off.

Azon-dry zareo atao ny manamora kokoa ny fifandraisan'ny olompirenena (sady izay koa no tanjona!). Fa lasa afa-manomana hetsika anoherana ny governemanta izany – toy ny fihetsiketsehana na fanimban-javatra. Ny anarana nomena ny fihetsiketseham-bahoaka niteraka ny fanonanana ny filohan'i Filipina Joseph Estrada tamin'ny taona 2001, ohatra, dia hoe “revolisionan'ny somaiso” satria tamin'ny alalan'io fomba io no nilazana sy nandaminana ny diabe. Mampiely ny fikambanan-jiolahy ihany koa ny finday, ary ho afaka misoroka ny fanaraha-mason'ny polisy ihany koa ny mpanao varo-maizina noho ny fifampiantsoan-dry zareo.

Ahiana ho misokatra amin'ny sangany, ny miaramila ary mety ho ny diplaomaty vahiny sy ireo mpandraharaha ihany ny tambajotram-pinday. Eny fa na dia misokatra aza ny tambajotra, dia tsy hahatakatra izany velively ny ankamaroan'ny Koreana Tavaratra. Na izany aza dia vaovao tsara ny fisokafan'ny tambajotram-pifandraisana iray hafa indray.