- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamorona Sary-sy-Soratra Amin'ny Fiteny Guernésiais Manatevin-Daharana ny “Fianakaviamben'ny Fiteny Vitsy Mitao”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Dikanteny: “Soritsorito tahaka ny iray amin'ny ankizivavinareo Frantsay aho.” Sary-sy-soratra avy amin'i @languagegg [1].

Nosy iray ao amin'ny Lakandrano Anglisy (La Manche) i Guernsey [2]. Na dia manakaiky kokoa an'i Normandie sy i Bretagne ao Frantsa aza izy dia miankina amin'ny Satro-boninahitra Britanika (fa tsy ao anatin'ny Fanjakana Mitambatra). Ny tantara [3] lava sy mikitoantoana teo amin'i Frantsa sy i Angletera nandritra ny Vanimpotoana Antenantenany no nandrafitra ny fiteny Guernésiais [4], izay manana fangaro Frantsay Normand sady manana tara-pahazavana matanjaka avy amin'ny Norse Tranainy sy Anglisy.

Miasa ao amin'ny  Vaomieran'ny Fiteny ao Guernsey [5] i Josephine Dowding, efa ela izany no ao anatin'ny Mozean'i Guernsey. Na dia tsy misy aza ny ekipa natokana hiasa feno amin'ny famelomana indray ny fiteny Guernésiais, dia miasa momba ny fiteny ao anatin'ny anjara asany ao amin'ny Mozea izy sady misioka ho an'ny Vaomieran'ny Fiteny ao amin'ny @languagegg [1]. Namorona sary-sy-soratra maromaro izy hanaovana ny Haikan'ny Sary-sy-Soratra Tenin-dRazana 2018 [6] ary namaly ny fanontanian'ny Rising Voices.

Rising Voices (RV): Manao ahoana moa izany ny toerana misy ny fiteninareo na andavanandro na amin'ny aterineto?

Online, there is an app which was launched last year and is growing organically. To access it, first download the Digital Greenhouse [7] Guernsey App and then go to the WARRO! Section. Offline, we organize get togethers for people wishing to learn the language – and also lessons.  I predict that there are currently under 100 people who would consider themselves ‘learners’ of the language worldwide.

An-tserasera, misy ny fampiasa navoaka tamin'ny herintaona izay eo an-dalam-pitomboana [tsy nanaovana dokambarotra] Mba idirana amin'io dia mitroka ny Fampiasa Guernsey an'ny Digital Greenhouse [7] ary avy eo dia mandeha ao amin'ny zoro WARRO! Ivelan-tserasera indray, manomana fampivondronana ho an'ireo olona te-hianatra ny fiteny izahay – sy lesona ihany koa. Maminany aho fa latsaka kelin'ny ny zato amin'izao fotoana izao ireo olona mihevi-tena ho ‘mpianatra’ ny fiteny manerana izao tontolo izao.

RV: Nahoana ianareo no nanapa-kevitra ny handray anjara amin'ny Fanamby Meme Fitenin-dRazana?

We’re always interested in ways to raise the profile of the language – and which are effectively free of charge. It can be isolating working on minority languages but these kind of initiatives make you realize that you’re not alone, but part of a big friendly family of tiny languages around the world.

Mahaliana anay hatrany izay fomba hampakarana avy ny fiteny – ary tsy misy vola aloa. Mety mampanirery ny miasa amin'ny fitenin'ny vitsy an'isa sainty mahatonga anao hahatsapa fa tsy irery ianao ny karazana fisantaran'andraikitra tahaka itony, fa ao anatin'ny fianakaviamben'ny fiteny vitsy mpitao manerana izao tontolo izao.

RV: Izao izao no tianao hiaikàna hanao sary-sy-soratra amin'io fiteny io?

Umm…   Barack Obama?? That would be pretty cool.

Mmm… Barack Obama?? Mety hahafinaritra an!

Mitadiavana sary-sy-soratra avy amin'ny Fanambin'ny Fitenin-dRazana amin'ny fiteny maro isan-karazany manerantany amin'ny fijerena ny vokatry ny fanindriana ny tenirohy #MemeML ao amin'ny Instagram [8], Twitter [9], na Facebook [10]. Misy ihany koa ny vondrona Facebook [11] miompana amin'ny Fanamby ahitana ny fandraisana anjava avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao.