Rakipeo Fandalinana Boky: Fisaka Ny Tany

(Marihina fa tamin'ny 30 Aogositra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpandresy tamin'ny Loka Pulitzer i Thomas Friedman, izay nanoratra mavitrika ho an'ny The New York Times.

Miresaka momba ilay lohahevitra voalohany ao an-tsaina: ny ‘Fanatontoloana’ ny boky farany nosoratan'i Friedman, “The World is Flat: A brief history of the 21st century,” (Fisaka ny Tany: Tantara iray fohifohy ny taonjato faha-21″. Miresaka ny fomba hanafisahan'ny fanatontoloana ity tontolo ity izy, sy ny fomba haingana niparitahan'io fanatontoloana io manerana izao tontolo izao. Namaritra ireo mpanafisaka miisa 10 na ireo antony nahatonga ny fanafisahana izao tontolo izao izy, ary ny iray tamin'izany dia ilay teny mampiady hevitra betsaka hoe: outsourcing.

Manazava ny an-tsipiriany amin'ny alàlan'ny sary lehibe mahafinaritra ny fomba niovan'ny tontolo amin'ny sehatra manan-danja ilay boky, sy ny fomba ary ny antony tokony hanarahan'ny governemanta sy ny olona ireo fiovana mahery vaika ireo.

Manana lahatsoratra momba izay tian'i Freidman holazaina momba ny tambajotra sy ny famahanana bilaogy i Corante . Hita ao amin'ny bilaogy Guiding Rights  ny resaka ahiahy bebe kokoa momba ny zavatra mampanahy an'i Etazonia. Ary manana fomba fijery mahaliana momba ilay tian'i Freidman holazaina tamin'ny tsy fitovian-keviny tamin'izay tian'i Alam holazaina i Napablogger .

Azonao henoina eto ny rakipeo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.