Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Scary Azeri

(Marihina fa tamin'ny 10 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niha-niroborobo ny famahanana bilaogy tany Kaokazy Atsimo tato anatin'ny taona vitsivitsy izay na dia mbola ambany aza ny fidirana amin'ny Aterineto. Amin'ny tranga maro, niditra an-tsehatra mba hameno ny banga nisy teo amin'ny fampitam-baovao nentim-paharazana ara-politika mizarazara ireo bilaogy. Samy manana ny am-pielezany tsirairay avy izy ireo, ary hita any ivelan'ny faritra ihany koa ireo bilaogy any amin'ireo firenena telo izay mandrafitra an'i Kaokazia Atsimo.

Toy izany ny bilaogy iray, Scary Azeri in Suburbs, izay manambara ny fifandonana ara-kolontsaina izay matetika atrehan'ny mponina ao an-toerana sy ny vahiny ihany koa rehefa mifanena izy ireo na mifanerasera.

I am 36 and a mother in suburbia. Yes, i know. There are too many blogs created by mothers. So what? I want to blog too. I am not just any suburban mother who is bored and wants to blog. I am a scary Azeri mother in an English suburb. If you don’t have any idea what that means, read on. I shall enlighten you in my typical Eastern European style and explain what it is like to change your worlds from a strange post-soviet muslim republic to a wealthy commuter village near London.

Renim-pianakaviana 36 taona any ambanivohitra aho. Eny fantatro izany. Betsaka ireo bilaogy noforonin'ireo renim-pianakaviana. De maninona moa izany? Te hamahana bilaogy ihany koa aho. Tsy hoe renim-pianakaviana avy any an-tanàna itatra fotsiny aho ka hoe leo dia te hamahana bilaogy. Vakio ny tohiny raha tsy takatrao ny hevitr'izany. Hanazava anao momba izany amin'ny fomba tena Eoropeana Tandrefana aho ary hanazava aminao ny atao hoe fanovana ny tontolonao avy amin'ny repoblika miozolomana hafahafa taorian'ny fitondrana sovietika mankany amin'ny tanànakely iray mpanankarena tambanivohitra manakaiky an'i Londres.

Tsy an-kihambahamba fa tonga dia mivantana avy hatrany, kanefa amin'ny fomba mahatsikaiky foana, vetivety dia lasa nalaza haingana ny bilaogy niaraka tamin'ireo olona marobe liana tamin'izany tao amin'ny faritra ary nisy mihitsy aza ny lahatsoratra no naverin'ny fampitam-baovao navoaka tany an-tanindrazany Azerbaijan. Ankehitriny, nanatontosa antsafa niaraka tamin'i  Scary Azeri ny Global Voices Online momba ny famahanana bilaogy, ny fandefasana sioka, ny fifandonana ara-kolotsaina, ny fandrangitana sy ny maro hafa.

Raha ny marina, ary noho ny anarany, hitan'ny Global Voices Online tao amin'i Azeri Scary ny zava-drehetra ankoatr'izany.

scaryazeri

Hitanao ao amin'ny http://scaryazeri.blogspot.com i Scary Azeri in Suburbs ary azonao atao ny manjohy azy ao amin'ny Twitter ao amin'ny http://www.twitter.com/scaryazeri .  Azo renesina amin'ny aterineto na alaina eto ambany ny antsafan'ny rakipeo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.