- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonambe Copenhagen: Nanadino Ny Zava-dehibe Ireo Minisitra Nepaley

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy miafina fa efa miatrika [1] ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro i Nepal. Manomboka amin'ny hain-tany maharitra ela hatramin'ny tsy fisian'ny vokatra sy ny fiempon'ny vongan-dranomandrin'i Himalayas, atahorana ny firenena raha ny fiakaran'ny mari-pàna manerantany no resahana.

Anna-Katarina Gravgaard [2], nahazo mari-boninahitra tao amin'ny “Pulitzer Center for Crisis Reporting”, nanamarika ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro araka ny hita ao amin'ny faritra be tendrombohitra Langtang ao Nepal.

“residents see the impacts of climate change all around them: in the less abundant grass, the meager snowfall and the massive gray glaciers steadily retreating up the craggy mountainside.

In June, we left Kathmandu by jeep, then spent three days hiking to find the nearest glacier. Our guide, Damondon Pyakurel, or DP, told us that the wall of ice above us had receded up to 20 meters since he first saw it 17 years ago.”

“Mahita ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro manodidina azy ny olona: ny fahavitsihan'ny bozaka, ny fahavitsian'ny oram-panala sy ny ranomandry volon-davenona mafonja miala amin'ny tendrombohitra avo.

Tamin'ny volana jona, nandao an'i Kathmandu tamin'ny fiara jeep izahay, ary nandany telo andro nianika tendrombohitra mba hijery ny ranomandry akaiky indrindra. Nilaza taminay ny mpitari-dianay, Damondon Pyakurel, na DP, fa nihena hatramin'ny 20 metatra ny rindrin-dranomandry eo amboninay hatramin'ny nahitany voalohany azy 17 taona lasa izay. “

Mba hanasongadinana ny faneriterena tsapan'ny Himalayas noho ny fiovaovan'ny toetr'andro, nanao fivoriana tany akaikin'ny toby Everest ny Kabinetra Nepaley andro vitsy talohan'ny fihaonamben'i Copenhague. Bilaogera Ujjwal Acharya ao amin'ny The Radiant Star [3] nidera ny fivoriana, ary nilaza fa hitranga ao amin'ny faritr'i Himalaya ny loza raha toa ka tsy voavaha haingana ny raharaha:

“The first and foremost important is it generated the awareness about melting of Himalaya. A few years back, there were a lot of concern (media coverage) about Cho Rolpa lake which was on the verge of exploding and if that had happened, there could have been a big problem in quite a large area – places on the banks of river Tamakoshi. The risk was reduced spending a good sum of money. But there are some other such lakes high on the Himalaya that could break free and flood into us.”

“Ny zava-dehibe voalohany sy manan-danja dia ny manao fanentanana momba ny fiempon'i Himalaya. Taona vitsy lasa izay, nisy ny fiahiahiana (fitantaran'ny fampahalalam-baovao) momba ny farihy Cho Rolpa izay teo am-bavam-pipoahana ary raha nitranga izany,  dia mety nisy olana goavana teo amin'ny faritra lehibe – toerana eny amoron'ny renirano Tamakoshi. Nihena ny loza rehefa nandaniana vola be. Saingy mbola misy farihy hafa avo kokoa ao Himalaya izay mety ho vaky sy hampisy  tondra-drano eo amintsika. “

Indrisy, tsy nahavita nanatanteraka ny hafatra tamin'ny fivoriana ny kabinetra Nepaley ary mampiseho fanairana mitovy raha nankany Copenhague izy ireo.

Nilaza ny bilaogy ny fiteny Nepaley MySansar [4] fa feno minisitra, mpanolo-tsaina sy fianakavian'ny manampahefana izay tsy nisy nidirana tamin'ny fihaonambe ny delegasiona ofisialy Nepaley.

“कोपनहेगनमा जलवायु परिवर्तनसम्बन्धी सम्मेलन के सुरु भएको थियो, नेपालका मन्त्रीहरुको भीड नै लागेको छ त्यहाँ। आठ आठ जना मन्त्रीहरु सहभागी भएर गतिलै सन्देश दिँदैछन् नेपाली जनतालाई- हेर जनता हो, हामी माननीय मन्त्री हौँ। हामीले जे गरे पनि हुन्छ। नत्र विभागीय मन्त्रीका रुपमा वातावरण मन्त्री र प्रधानमन्त्री मात्र सहभागी भए पुग्ने थियो यसमा। अरु मन्त्रीहरुको कामै छैन। तर प्रधानमन्त्री आफ्ना सल्लाहकारहरुसहित झण्डै तीन दर्जन सदस्यहरुका साथ कोपनहेगन पुग्दैछन्। पाँच जना मन्त्री भने त्यहाँ पुगिसके। त्यसमध्ये एक वनमन्त्री दीपक बोहोराले भने अति नै गरेछन्।

उनले आफ्नी श्रीमति, नाति, भान्जी अनि आफू नजिकका मान्छेलाई सेक्रेटरीका रुपमा ल्याएछन्। अहो, यस्तो मौका फेरि आउला, नआउला। यही बेला त हो नि मोज गर्ने- यस्तै त सोचेका होलान् नि बोहोराले। र त नौ नौ जना आफन्त लिएर पुगे त्यता।”

Satria nanomboka ny fihaonambe momba ny fiovan'ny toetr'andro tany Copenhague, nirohotra nankany amin'ny renivohitra Danoà ireo minisitra Nepaley. Minisitra valo mandray anjara amin'ny fihaonambe no mandefa hafatra lehibe ho an'ny vahoaka: jereo izahay, minisitra izahay. Afaka manao izay rehetra tianay. Raha tsy izany, tokony ho ampy ny fandraisana anjaran'ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Tontolo iainana ihany amin'ny fihaonambe. Saingy nitodi-doha tany Copenhague niaraka tamin'ireo mpandray anjara efa ho telopolo ny Praiministra – mpanolotsainany ny sasany. Efa tonga tany Copenhague sahady ny minisitra dimy. Nanao zavatra mihoatra ny iray amin'izy ireo, ny minisitry ny ala Deepak Bohara.

Niaraka tamin'ny minisitra ny vadiny, ny zafikeliny, ny zana-drahalahiny sy ny olona akaiky azy, tahaka ny sekreterany. Mety tsy hahazo fahafahana toy izany ny olona. Mety nihevitra i Bohara fa ity no fotoan'ny fialan-tsasatra sy mahafinaritra. Ary izany no mahatonga azy naka fianakaviana sivy akaiky azy ho any Copenhague.

Ny fihetsika tsy mitandrina ataon'ireo minisitra izay nandray ny fihaonambe ho toy ny fahafahana mandeha any ivelany amin'ny volan'ny mpandoa hetra dia azo antoka fa manimba ny fijerin'i Nepal amin'ny adihevitra momba ny fiovaovan'ny toetrandro. Niteraka fisalasalana amin'ny fahombiazan'ny fihaonambe iraisam-pirenena toy ny Copenhague 2009 ihany koa izany.