Libanona: Fanangonana Kilalao [Fun(d) Raising]

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Vondrona bilaogera Libaney no nanapa-kevitra hampitsiky ireo ankizy sahirana amin'ny alàlan'ny fanomezana kilalao Krismasy. Fun(d) Raising (Fanangonana Kilalao) no anaran'ny tetikasan'izy ireo ary mitondra fifaliana sy fahafinaretana ho an'ny rehetra izany.

Araka  ny voalazan'ny tranonkalan'izy ireo:

Fun(d) Raising is a non-profit collaborative project by several young persons who got together with one wish in their hearts and it is to draw a smile on the faces of underprivileged kids who are not as fortunate as our little children, siblings and relatives. Fun(d) Raising seeks to collect toys and give them to kids of an organization in Lebanon (TBA soon) on this upcoming Christmas.

Fun(d) Raising dia tetikasa fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa ara-bola avy amin'ireo tanora marobe izay mitambatra amin'ny faniriana iray ao am-pon'izy ireo dia ny hampitsikitsiky ny ankizy sahirana izay tsy dia tsara vintana loatra tahaka ny zanatsika, mpiray tampo amintsika sy ny havana. Ny Fun(d) Raising dia mikasa hanangona kilalao ary hanome azy ireo ho an'ny ankizy ao amin'ny fikambanana iray ao Libanona (TBA tsy ho ela) amin'ity Krismasy ho avy ity.

Tsy sahala amin'ireo tetikasa fanangonam-bola hafa, ny dingana fanangonam-bola dia tsy manome vola na kilalao fotsiny; fa afaka mahazo fahafinaretana sy mianatra ihany koa ireo mpanome.

Afaka mandray anjara amin'ny tetikasa ny olona amin'ny alalan'ny fanaovana ny iray amin'ireto manaraka ireto:

1- Manomeza kilalao

Tsy mandray vola.

Tsy mandray vola. Kilalao vaovao na efa tonta saingy mbola tsara no azo atolotra ary vonona ny haka azy ireo eo amin'ny varavarana fidirana izy ireo.

Azonao atao ny manamarina ireo kilalao nomena hatramin'izao ao amin'ny Rakitsary.

One of the donated Toys

Iray amin'ireo kilalao natolotra. One of the donated Toys

2-Manatrika ny hetsika Fun Raising.

Hetsika roa no nokarakaraina ary tokony ho avy tsy ho ela ny fahatelo. Ny voalohany dia ny lalao amin'ny alina manontolo ao amin'ny LINKAntelias. Nangonina nandritra ny lalao bowling / darts / hockey amin'ny alina ny kilalao.

Ny hetsika faharoa dia natao tao amin'ny biraon'ny RootSpace izay nanaovana ny fotoam-pampianarana mitondra ny lohateny hoe “WordPress ho an'ny tsy geeks” mba hanampiana ireo bilaogera tsy ara-teknika hanatsara ny fahaiza-manaony amin'ny WP.

3-Aelezo ny teny. Virtoaly na mivantana

Manampia amin'ny fampiroboroboana ny hetsika amin'ny alalan'ny fampielezana ny teny ho an'ny namanao na amin'ny fanangonana ny iray amin'ireo famantarana ary mametraka izany ao amin'ny bilaoginao/tranonkalanao.

Ho an'ny vaovao fanampiny, araho ny @lebfunraising ao amin'ny Twitter na midira ao amin'ny vondrona Facebook. Azonao arahana ihany koa ny tenirohy #lebfunraising raha hijery fanehoan-kevitra maro hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.