- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstana: Ny Maha-Hafahafa Ny Ankehitriny Nomerika

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nifantoka kokoa tamin'ny fanandratana ny sehatrin'ny fifandraisandavitra sy ny vaovao mifandraika amin'ny Aterineto ao Kazakhstana ny tontolon'ny bilaogy any – izay mahazatra hoe be pôlitika. Mikendry ny hiditra ho anatin'ny 50 amin'ireo firenena faran'izay mpifaninana indrindra ireo manampahefana ao amin'ny firenena, na dia mametraka an'i Kazakhstana eo amin'ny toerana faha-64 amin'ireo firenena miisa 69 eo anelanelan'i Pakistana sy Vietnama aza ny tondron'ny “e-readiness” ao amin'ny Economist. Nametraka an'i Kazakhstana ho faha-73 amin'ireo firenena miisa 122 ny World Economic Forum, nidina toerana 13 mitaha amin'ny tamin'ny herintaona.

Kanefa, tsy very fanantenana ireo mpankafy ary miezaka ny mitondra tetikasa vaovao, raha ireo manmpahefana kosa indray miezaka mampiasa azy ireo hanondrotana ny fijerin'izao tontolo izao an'iy Kazakhstana. Noho izany, ohatra , no nitateran’ [1] i Lena B-va ao amin'ny neweurasia fa misy tetikasa manana ho avy – Second Astana [2] – mety ho dingana mankany amin'ny fanandratana manerana izao tontolo izao ny marika atao hoe “Repoblikan'i Kazakhstana” :

Manana zavatra mihoatra noho ny an'ny Sarintany Google ny tolotra sosialy Second Astana ( efa mamarana ny fanamboarana ny sarintany 3D-n'ny lapàn'ny tananan'i Astana, renivohitr'i Kazakhstana). Ny toerana voalohany ao amin'ny tany Kazakha ao amin'ny tontolo malaza virtoalin'ny Second Life SL (Fiainana Faharoa). Miteny ny Mpandraharaha fa tetikasan'izi ireo ilay izy – fa tsy an'ny manampahefana – ary mihevitra ny hanitatra ny faritra SL any Almaty, Turkestana sy Borovoe – izay toerana tena falehan'ny mpizahatany indrindra ao Kazakhstana.

Mihamahazo laza koa ny tsena eo amin'ny aterineto ao amin'ny firenena noho ny vidiny mora – manana tsena eo amin'ny Aterineto izao ny ankamaroan'ireo mpivarotra antsinjarany malaza mpanome kojakojan-tokantrano sy elektronika. Ankoatr'izay, mampitodika ny fandraharahàny ho any amin'ireo mpiasa vahiny sy mpanjifa vahiny ny sasany amin'izy ireo. Manoro ny tranonkalan'ny Art Of Central Asia- Asa tanan'i Asia Afovoany [3] i Syedin, bilaogera sy mpamoaka lahatsoratra ao aminà gazety iray amin'ny taratasy malama, ho an'ireo mpankafy asatanana ara-poko [ros].

Karazana tahirintsary fanehoana ety anaty aterineto ny asan'ny artista sy mpanao asatanana avy ao Azia Afovoany ho an'ny ivelany ilay izy. Ambony ny tanjona: hamoha ny zavakanto maoderina ao Azia Afovoany ho an'ireo mpahalàla avy amin'ny kaontinanta rehetra.

Maka ny saina sy ny fotoanan'ireo olona manerana ny CIS ny tambajotra sosialy – hamoaka ny karazany voafaritra ao Okraina sy Kazakhstana ny loharano Rosiana malaza be antsoina hoe Odnoklassniki [4] (mitovy dika amin'ny mpiaramianatra [5]), manoratra [6]utkir-aka [ros]. Tsy nanilika ny famoronana ny karazana amin'ny teny Kazakh sy Okraina ny tompon'ilay tolotra sosialy.

Kanefa, tsy mangirana sy falifaly daholo ny zavatra eto. Ohatra, notsenaina tamin'ny mahatsikaiky sy fahasanganehana ny vaovao momba ny famoahanana ny rakibolana amin'ny voambolana elektronika amin'ny fiteny telo. Notohanan'ny Akademian'ny Cisco sy ny gazetiboky Digital Kazakhstan ny boky amin'ny teny Rosiana, Kazakha sy Anglisy. Naneho ny heviny [7] i Habrahabr [ros]:

Mandika teny ny zavatra rehetra ry zareo ao  Kazakhstana, na dia ireo teny manerantany tahaka ny “seranampiaramanidina” na “solosaina” aza. Hivoaka izao ilay rakibolana. Nahazo tovana Kazakha ny ankamaroan'ireo teny, saingy tsy “namboarina” ireo teny be mpampiasa toy ny “USB” na “adaptatera” , fa nadika!

Be kiana [8] i Master-mahno, manam-pahaizana fantan-daza amin'ny informatika , manoloana ny baikon'ny praiminisitra mba “hanamoràna ny fanekena ny Fotokevitry ny Fanjakàna momba ny Fampivoarana ny sehatrin'ny Aterineto ao Kazakhstan” [ros]:

Androany manome ny 5 isanjato monja amin'ny fivezivezena ao Kazakhstana ny KazNet; 86 isanjato mankany amin'ny tranonkala Rosiana ary ny sisa – any Andrefana. Izao, karain'ireo manampahefana ny hifantina loharano 30 “be mpitady indrindra, ka ny 20 an'ny fanjakana ary 10 manokana, ary hampahafantatra azy ireo”. Inona izany izao? Hampahafantatra azy ireo amin'ireo mpampiasa 5 isanjato izay mitsidika tranonkala Kazakha ve? Amin'ny fomba ahoana? Fametrahana takelaka be eny an'arabe?

Noho izany, nihitatra tsy eo amin'ny sehatry ny angovo ihany, fa eo amin'ny aterineto koa ny fepetra ara-pitantanana amin'ny fomba sovietika sy ny fandrindràn'ny fanjakàna. Amin'io fotoana io ihany, be teny soa [9] manoloana ny tontolon'ny bilaogy Kazakhstana i tuganbaev, olona manan-danja ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Rosia, mpamokatra tetikasa maro ao amin'ny aterineto ary teratany Kazakha:

Miatomboka amin'i Kazakhstana ny marainako eo amin'ny aterineto. Mifoha maraina ny olona any – na eo amin'ny lafiny ara-jeografika na amin'ny ara-pombandrazana. Tsy mifaninana amin'izay ho makafoka indrindra izy ireo ao amin'ny bilaoginy, tsy mitaraina momba ny Alatsinainy, ary tsy dia mitrandraka ao amin'ny fandinihantena ara-pihetsehampo. Mahazo vola amin'ny fombany manokana ny Kazakha ary ho lasa mpamatsy vola vahiny manandanja ao Rosia atsy ho atsy. Nanamboatra trano hiantranoan'ireo sangany ao afovoan-tanàna ao Maosko izy ireo, nividy tany eo akaikin'ny seranampiaramanidina iraisampirenen'i Domodedovo mba hanamboarana trano fanatobian entana. Manana banky ao Rosia ary nanangana ny tilikambony ao amin'ny Distrikan'ny raharahambarotry ny tanàna ao Maosko – ka ahafahan'ireo Kazakh tanora mpandraharaha – izay manana diplaoma avy any Andrefana noho ny programam-pianaran'ny filoha – hanana toerana sahanina. Mamaky ireo bilaogera Kazakhs aho ary miezaka ny mahatakatra ny tsiambaratelo