- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Famahanana Bilaogim-pitiavana Amin'ny Teny Shinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 27 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tany Shina ny Profesora Charlie Nesson [1], mpiara-manorina ny Ivontoerana Berkman [2] sady mpanohana mahafatra-po ny Global Voices. Nandrakitra rakipeo izay nanatontosany antsafa tamin'ny bilaogera Shinoa iray [3] niarahany tamin'i Ben Walker [4], mpanao gazety ao amin'ny onjam-peo antserasera iray; mampiasa ny bilaoginy ity bilaogera Shinoa ity hifandraisany amin'ny sipany izay indrisy fa mipetraka any an-tanàndehibe hafa. Miteny anglisy matetika ilay bilaogera ato amin'ny rakipeo, fa saingy mamaky ny bilaogin-dahatsorany amin'ny teny Shinoa kosa. Mandika teny eo hono eo ho amin'ny teny Anglisy ny tanoravavy Shinoa iray. Tsy nisy nanombinana ny fifanakalozan-kevitra rehetra tato anaty rakipeo, ahitana fitantarana kely avy amin'i Charlie. Manantena izy sy i Ben fa mety ho endrika vaovao amin'ny “famahanana bilaogy fampitàna” eo amin'ny fiteny sy ny kolontsaina ity karazana famahanana bilaogy amin'ny fiteny roa ity .

Kitiho eto raha hihaino izany ianao [5] (MP3).