Rakipeo: Famahanana Bilaogim-pitiavana Amin'ny Teny Shinoa

(Marihina fa tamin'ny 27 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tany Shina ny Profesora Charlie Nesson, mpiara-manorina ny Ivontoerana Berkman sady mpanohana mahafatra-po ny Global Voices. Nandrakitra rakipeo izay nanatontosany antsafa tamin'ny bilaogera Shinoa iray niarahany tamin'i Ben Walker, mpanao gazety ao amin'ny onjam-peo antserasera iray; mampiasa ny bilaoginy ity bilaogera Shinoa ity hifandraisany amin'ny sipany izay indrisy fa mipetraka any an-tanàndehibe hafa. Miteny anglisy matetika ilay bilaogera ato amin'ny rakipeo, fa saingy mamaky ny bilaogin-dahatsorany amin'ny teny Shinoa kosa. Mandika teny eo hono eo ho amin'ny teny Anglisy ny tanoravavy Shinoa iray. Tsy nisy nanombinana ny fifanakalozan-kevitra rehetra tato anaty rakipeo, ahitana fitantarana kely avy amin'i Charlie. Manantena izy sy i Ben fa mety ho endrika vaovao amin'ny “famahanana bilaogy fampitàna” eo amin'ny fiteny sy ny kolontsaina ity karazana famahanana bilaogy amin'ny fiteny roa ity .

Kitiho eto raha hihaino izany ianao (MP3).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.