Palestina/Gaza: Fiomanana Ho Amin'ny Diaben'ny Fahalalahana ao Gaza
(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2009 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)
Ny 31 Desambra [2009], natao ny Diabem-pahafahana ao Gaza mba hanamarihana ny faha-herintaona ny Operation Cast Lead, fanafihan'ny Israeliana an'i Gaza.
Manetsiketsika fanohanana iraisam-pirenena mba hanao diabe miaraka amin'ny mponin'i Gaza, amin'ny hetsika firaisankina milamina sy miaraka amin'ny fanantenana hamarana ny fahirano ao Gaza ny Fikambanambe Iraisam-pirenena Hamaranana ny Fanaovana Fahirano Tsy Ara-dalàna an'i Gaza.
Maro tamin'ireo mpandray anjara no efa tonga tao Kairo tamin'ny fiomanana
Fandraisana anjaran'ireo olona maro malaza ny Diabe ho an'ny Fahalalahana, anisan'izany ilay mpanoratra Alice Walker, mpilalao sarimihetsika Syriana sady talen'ny Duraid Lahham, Roger Waters ao amin'ny Pink Floyd, ary ny vondrona mpiangaly rap MAP, ankoatra ny hafa. Anisan'ireo mpandray anjara i Hedy Epstien, 84 taona, ilay tafavoaka velona tamin'ny Fandripahana Jiosy.
Mavitrika amin'ny fanentanana momba ny diabe i Hedy Epstein. Tamin'ny 01 Desambra 2009, niaraka tamin'i J'Ann Allen, vadinà miaramila misotro ronono sy Sandra Mansour, Palestiniana mpitsoa-ponenana, namoaka fanasana ampahibemaso ho an'ilay mpikatroka politika, Mendrika tamin'ny Loka Nobel sady sisa velona tamin'ny Fandripahana Jiosy Elie Wiesel izy mba ho any Gaza miaraka aminy. Namporisihana i Wiesel mba “Hanapaka ny Fahanginanao sy Hiaraka Aminay”, nandritra ny kabary tao amin'ny Oniversiten'i St.Louis:
Nankasitrahana betsaka ny fandraisana anjaran'i Hedy Epsteins tamin'ny Diabe:
Desertpeace nidera ny fandraisany anjara:
Seeing a survivor of those horrors [The Holocaust] struggle against today’s evils is truly an inspiration. I am speaking of Hedy Epstein, who as I write this, is on her way to Gaza to take part in the Gaza Freedom March. This is what the Holocaust should have ‘produced’ as an ‘industry’, an industry that does not allow a repetition of the past…. NEVER AGAIN!
Tena aingam-panahy ny mahita ny sisa velona tamin'ireo tolona mahatsiravina [ny Vono moka] miady amin'ny faharatsiana amin'izao fotoana izao. Miresaka momba an'i Hedy Epstein aho, izay, amin'izao fotoana anoratako izao, eny an-dalana ho any Gaza mba handray anjara amin'ny Diaben'ny Fahalalahana ao Gaza. Izany no tokony ‘vokarin'ny’ Vono moka amin'ny maha ‘orinasa’, orinasa izay tsy mamela ny famerenana ny lasa …. TSY HISY INTSONY!
Na dia izany aza, nisy ny olana tamin'ny fikarakarana ny diabe, ary niharan'ny fanakianana ihany koa ny mpikarakara “Fikambanambe Iraisam-pirenena Hamaranana ny Fahirano Tsy Ara-dalàna ao Gaza”.
Norman Finkelstein, mpanoratra ny Indostrian'ny Vono Moka sady ‘mpanonofy’ ny diabe, no mpikambana voalohany mavitrika tao amin'ny fikambanambe, saingy efa niala. Avy amin'ny fanovana niadian-kevitra be tamin'ny fanambaran'ny fikambanambe ny fahadisoam-panantenany. Ny fanambarana voalohany nataon'ny fikambanambe dia ny hanao diabe handrava ny fahirano araka ny fitsipika tsy fanaovana herisetra sy voasoratra ao amin'ny lalàna iraisam-pirenena. Novaina avy eo ny fanambarana ka nampidirina ny ‘sehatra politika’, izay heverin'i Finkelstein ho fisaratsarahana satria ahitana lohahevitra mampifanditra tsy ilaina tamin'ny fangatahana tany am-boalohany. Na dia tsy mamaritra mazava ny tena fanovàna natao izay nolaviny aza izy, dia naneho hevitra tamin'ny lahateniny izy hoe Nahoana aho no niala tao amin'ny Fikambanamben'ny Diaben'ny Fahafahana Gaza::
It should perhaps be stressed that the point of dispute was not whether one personally supported a particular Palestinian right or strategy to end the occupation. It was whether inclusion in the coalition’s statement of a particular right or strategy was necessary if it was both unrelated to the immediate objective of breaking the siege and dimmed the prospect of a truly mass demonstration.
Tsara angamba ny manipika fa ny teboky ny fifandirana dia tsy ny hoe misy olona nanohana manokana ny zo na ny paikady Palestiniana manokana mba hampitsaharana ny fibodoana. Fa hoe ilaina ve ny fampidirana zo na paikady manokana ao amin'ny fanambaran'ny fikambanambe kanefa samy tsy misy ifandraisany amin'ny tanjona avy hatrany amin'ny fandravàna ny fahirano izany sy mampihena ny vinavina ho amin'ny fihetsiketsehana faobe tena izy.
Narahana fanesorana mpikambana mavitrika maro hafa ny fialàny malaza. Nanamarika i Max ao amin'ny Jewbonics fa malahelo izy noho ny fialany tamin'ny hetsika. Amin'ny maha mpikarakara ny diabe azy, namaly tamin-tahotra izy fa mety handao ny hetsika ny hafa, hoy izy:
I think it is safe to say that number lost will be dwarfed by the number gained, if what I've seen in-person and on-line has been any indication
Mino aho fa azo antoka ny milaza fa ho takon'ny isa azo ny isa very, raha ny famantarana hitako manokana sy hitako tamin'ny aterineto.
Na dia eo aza ny ahiahy manoloana ireo isa marobe manohana ny diabe, azo antoka fa fihetsiketseham-bahoaka ity, ary sambany ny Palestiniana no hitambatra marobe tahaka izany miaraka amin'ny fanohanana iraisam-pirenana: tombanana ho 1300 ireo mpandray anjara iraisam-pirenena, izay hihaona ao Kairo ary hanao diabe miaraka amin'ireo mponina ao an-toerana eo amin'ny 50000 eo raha vao tafiditra ao Gaza amin'ny alalan'i Rafah izy ireo.
Tao amin'ny Electronic Intifada, Rami Almeghari nitatitra fa:
In recent months, people in Gaza believe the international community began to direct its attention elsewhere, neglecting the siege of Gaza. Few international media outlets pay attention to the situation here.
Tao anatin'ny volana vitsy, mihevitra ny olona ao Gaza fa nanomboka nifantoka tany an-kafa ny sain'ny fiarahamonina iraisam-pirenena, tsy miraharaha ny fahirano ao Gaza. Vitsy ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena nitodika tamin'ny toe-javatra teto.
Manantena hanova izany ny diabe. Mustafa al-Kayali, mpandrindra ny komity ho an'ny Diabem-pahafahana an'i Gaza, nitatitra hoe:
We call on the internationals who come here not to consider their visits as tourism. Rather, they should convey a real message from the ground to their peoples, organizations or governments…
Most of local youth with whom I talked over the Gaza Freedom March expressed excitement and enthusiasm for participation. They are keen to send a message to the outside world that the Palestinian people are there and that humans should be united for the sake of freedom.
Miantso ireo iraisam-pirenena izay tonga eto izahay mba tsy hijery ny fitsidihan'izy ireo ho toy ny fizahan-tany. Fa kosa, tokony hampita hafatra tena izy avy eny ifotony ho an'ny vahoakany, ny fikambanany na ny governemantany izy ireo.
Ny ankamaroan'ny tanora ao an-toerana izay noresahako momba ny Diabem-pahafahana an'i Gaza dia naneho fientanentanana sy hafanam-po amin'ny fandraisana anjara. Maniry ny handefa hafatra any amin'ny tontolo ivelany izy ireo fa ao ny vahoaka Palestiniana ary tokony hiray saina ny olombelona mba hahazoana fahalalahana.
Azo jerena ato ny vaovao maro momba ny Diaben'ny Fahafahana Gaza, ireo mpandray anjara, ny tanjony sy ny fiomanana amin'izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...