Nilaozan'ny Gazety Lehibe Indrindra ao Brezila ny Facebook, Nampangainy ho Akanin'ny ‘Vaovao Faikany’

Nanambara ny Facebook tamin'ny volana Janoary fa ahenany amin'ny randram-baovaon'ny mpiserasera ny votoaty avoakan'ny pejy — tafiditra amin'izany ireo marika lehibe sy ireo fampitam-baovao — ka omena vahana kosa ireo lahatsoratra avy amin'ny namana. Sary: Pixabay CC0

Nanapa-kevitra ny hikomy amin'ny Facebook amin'ny fampitsaharana famoahana votoaty ao amin'ny pejiny ny iray amin'ny gazety lehibe sy manan-danja indrindra ao Brezila, manana mpanjohy manakaiky ny dimy tapitrisa.

Azo heverina ho tsy mbola nisy seha-baovao goavana manana mpanjohy maro tahaka izany nanao karazana hetsika toy izao, izay nambara tao amin'ny lahatsoratra iray mitovy karazana amin'ny matoandahatsoratra tamin'ny 8 febroary. Ny fotoana no hiteny amintsika raha hanara-dia ny Folha ireo seha-baovao goavana hafa na tsia.

Nilaza ny vondrom-pampitam-baovao Folha de S. Paulo, izay manakaiky ny 300.000 isa ny dika pirinty sy nomerika lafony, fa ny anton'ny fanapahan-keviny lehibe indrindra dia avy fanovana nataon'ny Facebook tamin'ny randram-baovaon'ny mpiserasera, izay mikendry ny hampihena ny votoaty avoakan'ny pejy Facebook, ary mampitombo kosa ny votoaty avoakan'ny namana sy ny fianakaviana.

Hoy ny matoandahatsoratra:

[The current newsfeed] underscores the tendency of the user to consume content with which they have affinity, favoring the creation of opinion bubbles and spread of fake news.

Mampihisatra ny fironan'ny mpisera hanjifa ireo votoaty mifanaraka amin'ny filàny [ny randram-baovao amin'izao fotoana], ka manome vahana faribolan-kevitra sy fampielezana vaovao faikany.

Ankoatra ny pejiny Facebook vavahadin-tseraserany, dia mirehareha amin'ny fananana mpanjohy fanampiny miisa 2,2 tapitrisa amin'ireo zoro manokana ao amin'ny gazety ny pejy Facebook-n'ny Folha. Tsy mieritreritra ny hiala amin'ireo pejy Facebook isan-karazany ireo ny Folha, fa niteny kosa hoe manomboka izao dia tsy ho ankotrihina (amoahana vaovao farany) intsony izy ireny. Ny lahatsoratra farany ao amin'ny randram-baovaon'ny pejy dia ilay lahatsoratra manambara ny fandaozany.

Nilaza ny Folha fa manohy amin'ny fanankotrihina (famoahana vaovao farany) ny kaontiny ao amin'ny Twitter (manana mpanjohy 6,2 tapitrisa), Instagram (mpanjohy 727.000) ary LinkedIn (mpanjohy 72.000) ry zareo.

Midika izany ho an'ireo Breziliana izay maka voalohany ny vaovaony ao amin'ny Facebook fa tsy hahazo izany intsony avy amin'ny Folha ry zareo amin'ny hoavy. Saingy nanampy ihany koa ny efitra famoaham-baovao fa efa namotsotra ny maha-mpitari-dalana azy ny Facebook amin'ireo sehatra fampielezam-baovao na dia talohan'ny nilazàn'ny orinasan-teknolojia ilay fiovana teo amin'ny algôrithma aza. Tamin'ny fanadihadiana nataon'ny Folha tenany, izay namakafakany ny fifampikasokasohana teo amin'ireo pejy Facebook miisa 51 avy amin'ireo seha-baovao matihanina sy pejy Facebook miisa 21 avy amin'ireo tranonkala “mamoaka vaovao faikany na manaitaitra”, nivoaka tamin'izany fa nihena hatramin'ny 17 isanjato ny fifampikasokasohan'ny mpisera tamin'ny vondrona voalohany tanelanelan'ny Oktobra sy Desambra 2017. Mandritra izany fotoana izany, anefa, dia niakatra hatramin'ny 61 isanjato ny fifampikasokasohana tamin'ireo vondrona faharoa (“tranonkala mamoaka vaovao faikany na manaitaitra”).

Fa mbola nilaza ihany ny tonia mpanatanteraky ny Folha, Atoa Sérgio D'Ávila, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny The Guardian fa ny fiovana algôrithma nataon'ny Facebook no “singa niteraka ny fanapahan-kevitra”:

In effectively banning professional journalism from its pages in favour of personal content and opening space for “fake news” to proliferate, Facebook became inhospitable terrain for those who want to offer quality content like ours.

Tamin'ny fanilihana tamin'ny fomba mahomby ny fanaovan-gazety matihanina tamin'ny pejiny ho fanomezana vahana ireo votoatin'olontsotra sy ny fanokafana ny sehatra hampiroboroboana ny “vaovao faikany”, lasa kianja tsy azo onenana ho an'ireo mitady votoaty tsara tahaka ny anay ny Facebook.

Mampitambesatra lonilony ao Brezila mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Brezila amin'ity volana marsa ity ny resaka “vaovao faikany” sy ny fandisoam-baovao. Ity ny fotoana fandrotsaham-bato voalohany taorian'ny fanesorana mampiady hevitra ny filoha Dilma Rousseff avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa tamin'ny taona 2016.

Tamin'ny fiandohan'ny volana desambra 2017, nanangana komity hanara-maso sy mety hanome baiko amin'ny fanakanana ireo tati-baovao lainga ao amin'ny media sosialy ny governemantan'i Brezila mialoha ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018. Niteraka fanahiana mety hisian'ny sivana teo amin'ny vahoaka izany vaovao izany.

Naorina tamin'ny taona 1921 ny Folha de S. Paulo  ary ny fianakaviana Frias, avy amin'ny fianakaviana tompomenakely tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany taonjato faha-19 tao Brezila, no tompony hatramin'ny taona 1962, heverina ho fampitam-baovao liberaly avy amin'ny elatra afovoany ankavanana ao Brezila ny Folha de S. Paulo, na dia ampifandraisina matetika amin'ireo sehatra mpandala nentin-drazana kokoa ao Brezila aza.

Efa ela izy io no nampangaina ho niara-niasa tamin'ny fitondrana ara-miaramila nitondra tao Brezila nanomboka ny taona 1964 ka hatramin'ny taona 1985, ary tonga hatramin'ny fampindramana ny fiarany ho an'ny polisy mihitsy aza nandritra ny didy jadona miaramila tao Brezila. Notsipahin'ny gazety izany tohon-tsofina izany. Tamin'ny taona 2009, nisy matoandahatsoratra nilaza ny fitondrana ara-miaramila ho ‘ditabranda‘, izay midika hoe ‘jadona malefaka’, raha noharina tamin'ireo fitondrana hafa tao Amerika Latina tamin'izany vanim-potoana izany, izay niteraka fahatafintohinana tamin'ny vahoaka sy fihetsiketsehana teo anoloan'ny foiben-gazety.

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2013, voatifitry ny bala fingotra teo amin'ny masony tamin'ny andro namoahan'ny Folha matoandahatsoratra miaro ny famoretan'ny polisy i Giuliana Vallone, mpanangom-baovaon'ny Folha. Ny fampielezana ny sarin'i Vallone bongo maso sy mandeha ra tamin'ny media sosialy no tokonam-baravarana iray tamin'ny fihetsiketsehana — ary iray amin'izay nahatonga ny gazety amin'ny ankapobeny lasa nanohana ny fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.