- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Resadresaka Momba Ny Rakipeo Sy Ny Bilaogin-dahatsary Tao Amin'ny Radio Ghana

Sokajy: Ghana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 26 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandritra ny atrikasan'ny famahanana bilaogin-dahatsary/ fandraisana rakipeo izay notontosaiko tany akaikin'ny Oniversiten'i Ghana dia nanadihady ahy tao anatin'ny antsafa ny mpanao gazety iray avy ao amin'ny Radio Ghana. Nihaino fampahalalam-baovao maro imbetsaka aho kanefa tsy reko izany ary nihevitra aho noho izany fa tsy nahatratra ny fotoana nandefasana izany angamba na tsy mbola nalefa mihitsy ilay izy.

Indray alina aho raha nandeha fiara niverina tany amin'ny trano fandraisam-bahiny izay nipetrahako tany avaratra atsinanan'i Accra dia very izahay rehefa nanandrana nandeha tamin'ny lalana manivaka iray ka niverin-dalana tamin'ny lalan-davitra mahazatra noho izany. Talohan'ny nahatongavanay tao amin'ny trano fandraisam-bahiny anefa dia reko ny mpanolotra fampahalalam-baovao ny hariva namaky ny lohatenim-baovao isan'andro, ary nanomboka niresaka momba ny Amerikana iray “manam-pahaizana momba ny Aterineto” izy izay manampy ireo Ghaneana amin'ny fandraketana rakipeo sy bilaogin-dahatsary. Raha nikaroka tamim-pahakiviana ny fandraketam-peo nomerikako aho dia nangataka ilay mpamily mba hijanona ary nilaza taminy fa ho re ao anatin'ilay antsafa aho. Nanaiky ihany izy na dia nisalasala aza ary nijanona. Avy eo renay tao amin'ny onjampeo ny feoko . Nanomboka nihomehy ilay mpamily taksy ary nanolotra ny tanany niarahaba ahy .

Reko ihany ilay horonam-peo nisy ny feoko . Indro ny rakipeo azoko nalaina tamin'izany [1]. -andy