Tantara tamin'ny Febroary, 2018
Mamelom-panantenana Ny Mpamaky Ny ‘Gazety Tokana Miabo Ao India’
"Tsapantsika fa raha toa ka miteraka hetsika miiba ny vaovao sy tantara miiba, nahoana ary no tsy mamoaka sy manolotra tantara tsara izay afaka mitondra fiantraikany tsara kokoa."
Moldavia, Tiorkia: Ny Kinanga Niainan'i Natalia Morar Tao Amin'ny Seranam-piaramanidin'i Istanbul
Nanoratra tanaty bilaogy i Natalia Morar, mpanao gazety iray izay noroahan'ny mpiandry sisintany tao Rosia rehefa naparitaky ny gazetiboky Rosiana iray ny tantarany, mikasika ny fanodinkodinana vola be navoaka nankany ivelany nataon'ireo manam-pahefana ambony tao amin'ny firenena.
Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'I Sudanese Drima
Miresaka momba ny fiantraikan'ny media sosialy eo amin'ny finoana Islamo, ny fifandirana ao Darfour, ary ny olan'ny mari-panondroana Afrô-Arabo any Atsimo Atsinanan'i Azia isika ato anatin'ity antsafa maharitra folo minitra ity.
Eoropa Atsinanana : Lahatsary Maneho Fa Mihakatra Be ny Tahan’ny Fankahalàna Ny Fiarahan'ireo Mitovy Fananahana
Notanterahana ny 20 Sept 2006 tao Maosko ny hetsika farany mikasika ilay tantara mitohy ho fanoherana ny herisetra atao amin’ireo lahy samy lahy miaraka ary ny famoretan’ny fanjakana
Tatitry ny Mpisera: Rerakin'ny Fanafihana Informatika Ny Vaovao Tsy Miankina Ao Azerbaijan
Ny ambangovangony amin'ity laharana ity: Azerbaïdjan, Filipina, Koety, Papoazy (Indonezia), Ejipta, Honduras, Chie, YouTube, Facebook, Espana
Tatitry ny Mpisera: Anaty Antontan-taratasy Niporitsaka, Tenenin'ny Kaomisiona Eoropeana Mba Hifehy Ny Tenany Tsy Hanao Kabary Mandratra Ireo Orinasa Momba Ny Teknolojia
Ny tatitry ny mpisera Advox dia manolotra topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena, ary ireo fironana mipongatra momba ny zo amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao.
Fifankahafantarana Amin'ny Mpandika Teny: Ho an'i Yann Leymarie, Misy Akony Amin'ny Maha Izy Azy sy ny Zavatra Ataony ny Soatoavina sy ny Fitsipiky ny GLobal Voices.
Tohizantsika ilay fifankahafantarana amin'ireo mpandika teny vehivavy na lehilahy ato amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay. Ny sampan'asa misy an'i Yann Leymarie dia ny fiarovana ny ranomasimbe.
Hetsi-panoherana Faobe Tao Iràna, Fanadihadiana Ny Amin'ny Fototra Nipoirany
Inona moa izany no mahasamihafa azy io amin'ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2009, ary nahoana no mieritreritra ny olona sasany fa manan-danja kokoa noho izay nieritreretana azy ny ady atrehana amin'ity.
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Fandrafetana Tatitra Amin'ny Aterineto Ho An'i Azia Atsimo-Atsinanana
'Tatitry ny Mpisera: Kendren'i Azia Atsimo- Atsinanana ny hisarika bebe kokoa ny saina sy hifantoka ny toeran'ireo media an- tambajotra ary ireo olan'ny fahafahana maneho hevitra ao amin'ny faritra'.
India: Eo Anelanelan'i Tibet Sy Shina
Nandritra ny andro vitsivitsy lasa izay, nifantoka tamin'ny fandaminana ny fitroaran'i Tibet sy ny Governemanta Shinoa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, saingy ao India, nahitana adihevitra maromaro mikasika ireo hetsik'i Shina ao Tibet sy ny andraikitr'i Tibet ao anatin'ireo fifandraisana misy eo amin'i India sy Shina....Tsy azoko mihitsy ny mbola tokony hanaovantsika 'tango' miaraka amin'i Shina. Manahy ve isika satria tsy afaka milalao an'ireo kilalao feno poizina mora vidy ireo zanatsika? Tsy ho gaga aho raha toa ny governemanta hamàny ampataloha