Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Polonina: Nisy Nangalatra Tao Auschwitz Ny Famantarana ‘Arbeit Macht Frei’

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Auschwitz concentration camp gate in 2005 by Tbertor1 on Flickr

Vavahadin'ny toby Auschwitz, sary avy amin'i Tbertor1 tao amin'ny Flickr.

Ny zoma vao maraina, nisy nangalatra teo amin'ny vavahadin'ny tobim-pahafatesan'ny Nazia taloha tany Auschwitz, akaikin'i Krakow, ny famantarana hoe Arbeit Macht Frei‘ (‘Manafaka Anao ny Asa). Ireo gadra Poloney tao amin'ny toby notarihin'i Jan Liwacz no nanamboatra izany tany am-boalohany ary heverina ho iray amin'ireo famantarana lehibe indrindra an'ny toby sady asan-tanan'ny tranombakoka. Niteraka tombatombana maro, sy fanehoan-kevitra matotra avy amin'ny governemanta Poloney, ny tompon'andraikitry ny tranombakoka, ny fikambanana jiosy sy ny mpiserasera aterineto ny fanjavonany.

Tamin'ny fifanakalozan-kevitra natokana hiresahana ity olana ity, mpisera Lestat nilaza hoe:.

Now they will have an image of a Pole. They got caught by winter, so they are ready, for a bottle of wine, to sell for scrap the sign which is not only their cultural heritage, but also a symbol of suffering and horrible death.

Hanana ny sarin'ny Poloney izy ireo ankehitriny. Tratran'ny ririnina izy ireo, ka vonona amin'ny divay iray tavoahangy, mba hivarotana ilay famantarana izay tsy lova ara-kolontsain'izy ireo ihany, fa mariky ny fijaliana sy ny fahafatesana mahatsiravina koa.

Namaly i Mishel, manipika ny maha zava-dehibe ity hetsika ity:

Who would have thought that one could steal from such a horrid place, where so many have been murdered. When I see Auschwitz camp, it gives me shivers… Those who stole it must be insane.

Iza no nieritreritra fa mety hangalatra ao amin'ny toerana mampatahotra toy izany ny olona iray, izay maro no novonoina tao. Rehefa mahita ny toby Auschwitz aho dia marikoditra … Mety ho tsy salama saina ireo izay nangalatra izany.

Kazimierz Maciejewski, tao amin'ny bilaoginy indray mampifandray ity hetsika ity tamin'ny resadresaka vao haingana momba ny lakroà Katolika teny amin'ny toeram-bahoaka, ary mampitaha ny habetsaky ny resaka momba ireo lohahevitra roa:

As we speak, we are witnessing the discussion about banning of symbols from places where the young generation of citizens is educated. Only a few expressed their opinions in favor of banning the cross.

Satria miresaka isika, mahita adihevitra momba ny fandraràna ireo marika ireo eny amin'ny toerana ampianarana ny tanora isika. Vitsivitsy ihany no naneho ny heviny manohana ny fandraràna ny hazo fijaliana.

Maneho fomba fijery hafa tao amin'ny bilaoginy i MarkD, izay maty tany Auschwitz ny renibeny:

This sign is for me 1,000 times less important than thestolen by the poor, who this way wanted to secure their basic existence and caused pneumonia of the old man who got a cold while sitting and waiting for the tracks to be fixed.

Ity marika ity dia tsy dia zava-dehibe in-1000 ho ahy noho ny lalamby nangalarin'ny mahantra, izay te hanavotra ny fiveloman'izy ireo ary niteraka pnemonia ho an'ilay lahy antitra izay tratran'ny  sery raha nipetraka sy niandry ny hanamboarana ny lalamby.

Nampahafantatra tamin'ny vahoaka ny polisy androany fa olona dimy no voasambotra vokatry ny fanadihadiana. Hita ilay takela-by famantarana, saingy efa notapahana telo. Nilaza izao manaraka izao ny mpitondratenin'ny polisy, raha niresaka momba ny anton'ny halatra:

All leads are being examined, and we are also checking whether the motive was anti-Semitic […]

Nozahanay daholo ny toerana rehetra ary nanamarina ihany koa izahay raha anti-semitika ny anton'ny halatra

Taty aoriana, voalaza fa ny vola azo tamin'ny fananana ilay marika no mety ho anton'ny halatra.

Tsy fantatra mazava hoe ahoana marina no nanaovana ny vola, na izany aza. Roa andro lasa izay, namoaka rohy mankany amin'ny tranonkala ahitana ny kopian'ny famantarana amidy mba hanohanana ny tranombakoka ny  tranonkala poloney mitovy amin'ny Digg :

Auschwitz-Birkenau Memorial and Museum is under financial crisis and needs support. We've come up with the idea of producing replicas of the sign that was stolen from the main entrance gates in order to help aid long-term preservation of the historical site.

Twenty percent of all proceeds will be donated to Auschwitz-Birkenau Memorial and Museum in Oświęcim, Poland.

Ao anatin'ny krizy ara-bola ny Toeram-Pahatsiarovana sy ny Tranombakoka Auschwitz-Birkenau ka mila fanohanana. Tonga tamin'ny hevitra hamokatra kopia ny famantarana izay nangalarina tao amin'ny vavahady lehibe fidirana izahay mba hanampiana ny fitandroana maharitra ilay toerana manan-tantara.

Ho atolotra ho an'ny  Fahatsiarovana Auschwitz-Birkenau sy ny Tranombakoka ao Oświęcim, Polonina avokoa ny roapolo isanjaton'ny vola miditra.

Kajetan8 naneho hevitra tamin'ity rohy ity:

It's strange how quickly they prepared those copies. They say that if the one to blame is unknown, in 90% of the cases it is the person who gains the most, that's the one who did it.

Hafahafa ny fomba nahavitan'izy ireo vetivety ireo kopia ireo. Milaza izy ireo fa raha tsy fantatra ny meloka, amin'ny 90% ny tranga dia izy (nangalatra) no olona nahavoa be indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.