- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'I Sudanese Drima

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Sodàna, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 19 Desambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Sudanese Drima [1] no solon'anaran'ilay mpanoratra Sodaney ato amin'ny Global Voices monina any Malezia. Nasongadin'ny BBC [2], USA Today [3], ary  Reuters [4] ny bilaoginy The Sudanese Thinker [5] mpanesoeso amin'ny fomba lalina. Miresaka momba ny fiantraikan'ny media sosialy eo amin'ny finoana Islamo, ny fifandirana ao Darfour, ary ny olan'ny mari-panondroana Afrô-Arabo any Atsimo Atsinanan'i Azia isika ato anatin'ity antsafa maharitra folo minitra ity.