- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry ny Mpisera: Rerakin'ny Fanafihana Informatika Ny Vaovao Tsy Miankina Ao Azerbaijan

Sokajy: Azerbaijan, Ejipta, Espaina, Filipina, Honduras, Indonezia, Koety, Shina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

“Hacker”, Preiser Project tao amin'ny Flickr. (CC BY 2.0)

Manome topimaso  amin'ireo fanamby, fandresena ary ny fironana vao misondrotra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny tatitry ny Mpisera Advox.

Nanomboka tamin'ny fijirihana infôrmatika ambaratonga 1:1 hatramin'ny fanafihana DDoS (amin'ny fandavana tolotra zaraina), lasa fomba miha-malaza mba hampanginana ny feo mpanakiana miakatra eo amin'ny aterineto ny fanafihana ara-teknika. Ohatra roa amin'ireny fomba fanao fampitahorana ireny no voarakitra tato anatin'ny herinandro vitsivitsy tao Azebaidjan sy Filipina.

Anisan'ireo lasibatra ny tranonkala fanomezambaovao tsy miankina Meydan TV [1], voakendry tamin'ny andianà fanafihana [2] [rohy amin'ny anglisy daholo raha tsy misy fanamarihana hafa]  nalefa hanohitra an'ireo mpanohitra azerbaïdjane sy ireo mpanohana an-dry zareo amin'ny alalan'ny tranonkalany, pejy Facebook sy imailaka. Nahita ny kaonty Facebook-ny voatafika ny Meidan TV, izay nandrakotra isanandro ny vaovao ara-pôlitika sy ireo hetsika sosialy ( na misy aza ny loza mety hitranga izay efa fantatra), izay nitarika fahaverezana mitovy amin'ny famoahana lahatsoratra nandritra ny taona iray sy mpanaraka miisa 100.000 .

Toy ny tafiditra amin'ny fampielezankevitra goavana momba ny famoretana ny hetsi-panoherana eo amin'ny aterineto arakaraky ny maha-akaiky ny fifidianana filoha [3] atao alohan'ny fotoana amin'ny 11 aprily ireny fanafihana ireny. Tamin'ny 2017, fepetra hafa tahaka izany no noraisina tamin'ny fomba ara-dalàna, tamin'ny alalan'ny fanitsiana, ary nitondra tamin'ny fanakanan'ny governemanta ireo tranonkala maromaro tahaky ny Meydan TV sy ireo tranonkala fanomezambaovao tsy miankina Azadliq, Radio Azatliq, Turan TV sy Azerbaijan Hour, ho an'ny antony “fiarovana nasionaly”.

An'arivony kilaometatra miala eo, ao Filipina, tranonkala tsy miankina Kodao no iharan'ny fanafihana mahery vaika [4]. Tamin'ny 10 Febroary, voasakana nandritra ny herinandro mahery ny fidirana aminy. Nanameloka an'ilay fanafihana [5] ny Vondrona Nasionalin'ireo Mpanao Gazety ao Filipina (NUJP) ary nampahafantatra fa mifototra amin'ny fanatsofohana kôdy manohitra ny tranonkala WordPress-n'ny Kodao ilay izy, izay manakana ny ekipa tahaky ny teknisianina tsy ho tafiditra.

Tamin'ny fitanisàna ny andrana vao haingana nataon'ny governemanta Duterte mba hisintona ny fahazoandalan'ny Rappler [6], tranonkala fampahalalambaovao tsy miankina hafa fantatra, nohamafisi'ny NUJP ny “fiheverana an'ireo fanafihana ho toy ny ampahany amin'ny hetsika ataon'ny governemanta Duterte mba hampanginana ny vaovao mpanakiana, amin'ny endriky ny ezaka niverimberina nataony mba hampanjavona ny Rapper, ary mba handrahonana ireo rantsana fanomezambaovao hafa sy feo hafa manohitra”

Bilaogera Koetiana voaheloka hifonja 31 taona satria “nanompa” ireo firenenan'ny Gôlfa.

Na miaina an-tsesitany any Angletera aza amin'izao fotoana izao, voheloka tamin'ny fitsaràna tsy natrehany [7] tao amin'ny fireneny ilay Koetiana Abdullah al-Saleh, fiampangàna momba ny ompa navoaka teo amin'ny aterineto natao ho an'ny Emirà Arabo Mitambatra, Bahreïn ary Arabia Saodita. Voaheloka hanefa sazy am-ponja maromaro tonga amin'ny fitambarana taona miisa 31 [8]. Bilaogera fanta-daza, eo amin'ny Youtube [9] koa i Al-Saleh ary maneho hevitra eo amin'ny tambajotra sosialy, miisa mihoatra ny 106.000 ireo mpanjohy ny kaonty Twitter-ny. Anatin'ireo fanehoankeviny maro amin'ny pôlitika, nanakiana ampahibemaso [10] ny fahirano nataon'ny Saodiana amin'i Qatar i Al-Saleh.

Mpanao gazetin'ny BBC voaroaka tao Papoazy, ao Indonezia, noho ny bitsika iray.

Nahita ny tenany voatery nandao [11] ny faritany indonezianina mitoka-monina ao Papoazy i Rebecca Henschke, mpifandray an'ny BBC ao Indonezia, noho ny fanambaran'ireo tomponandraikitra miaramila milaza fa “nandratra ireo mpikambana ao amin'ny TNI (tafika indonezianina)” ny iray amin'ireo bitsikany. Nanatontosa fanadihadiana iray momba ny areti-mifindra lehibe [12] an'ny kitrotro sy nendra izy, izay efa nahafaty ankizy tsy latsaky ny 61 tao Papoazy. Mametraka ahiahy amin'ny kalitaon'ny sakafo zarain'ny tafika indonezianina ho an'ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo.

Nosakanan'i Ejipta ny AMP an'ny Google, nitondra fahasahiranana vaovao ho an'ireo tranonkalambaovao tsy miankina.

Nataon'ny Google, tsy afaka hidirana [13] ao Ejipta ny teknolojia open source AMP (ho an'ny Pejy amin'ny Finday nohafainganina) nanomboka ny 2 Febroary. Tombontsoa betsaka ho an'ny fampahalalambaovao tsy miankina mampiasa ny aterineto ejiptiana, mamela azy ireo ho afaka miasa avy ao anatin'ny firenena ary tsy ho voasakana ho azy intsony io tetikasa io. Tahaky ireo tranonkala madinika ejiptiana, nampiasa ilay sehatra ny fampahalalambaovao amin'ny aterineto sy ny mpiaramiasa amin'ny Global Voices Mada Masr [14], nanomboka tamin'ny fikatonan'ny tranonkalany tanteraka tamin'ny May 2017 .

Miady amin'ny kabarim-pankahalàna ety anaty aterineto ny mpanao lalàna ao Honduras.

Ankehitriny dia miasa momba ny lalàna [15] iray [amin'ny espaniola] ireo mpanao lalàna ao Hondruras hahafahana hifehy ny fielezan'ireo kabary miaty fankahalàna, ompa, fandrahonana ary fandrisihana hanao herisetra. Manery ireo sehatra manokana toy ny Facebook sy Twitter izy io hamaritra raha manana toetra manafintohina na tsia ny lahatsoratra iray. Hahita ny tenany ho voasazy ara-bola ireo orinasa tsy manaja ny fepetra. Ao anaty fanadihadiana saropady [16] [amin'ny espaniola] ny lalàna, notarihan'ilay fikambanana tsy miankina shiliana Derechos Digitales, manazava ny manampahaizana Juan Carlos Lara

La regulación de las expresiones en línea en Honduras se produce en un contexto político álgido, de riesgo para la libertad de prensa [17], y un reciente proceso electoral marcado por las protestas y la violencia [18], donde las redes sociales digitales fueron quizás un factor importante en la movilización social.

Ao anatin'ny fotoana iankinan'ny fiainana pôlitikan'ny firenena no misoratra ilay fandridràna ny fanehoankevitra eo amin'ny aterineto ao Honduras, kanefa tandindonin-doza ny fahalalan'ny asan-gazety [17] ary voamariky ny fihetsiketsehana sy herisetra [18] [amin'ny espaniola] ireo fifidianana natao farany, nitondra anjara asa fototra tao amin'ny fanentanana ara-tsosialy ny tambajotra sosialy.

Tao Shina, orinasampanjakana no hanara-maso ny angondrakitry ny iCloud an'ny Apple

Amin'ny 28 Febroary, Handalo eo ambanin'ny mason'ny [19] Guizhou-Cloud Big Data (GCBD) ny iCloud-n'ny Apple, orinasa an'ny governemantan'ny faritanin'ny Guizhou. Na eo aza ny hoe napetraky ny Apple [19] ny fepetra fiarovana henjana sy nametraka fiarovana ny angondrakitra manokan'ny Apple [19], ary “tsy misy varavarana ambadika  afaka hidirana amin'ny rafitra [an-dry zareo]”; hanana fidirana malalaka soa aman-tsara amin'ny angona momba ireo mpampiasa rehetra ny GCBD – miaraka amin'izany ny votoatin'ny fifandraisana – noho ny fepetra napetraka vao haingana tao anatin'ilay fifanarahana izay tsy maintsy eken'izay mpampiasa ny iCloud ao Shina.

Manoro hevitra [20] fatratra [amin'ny teny frantsay] an'ireo mpanao gazety sy bilaogera ny Reporters Sans Frontières mba hiala amin'ny iCloud ao Shina. Naneho ny ahiahiny ny fikambanana fiarovana ny fahalalan'ny asa fanaovana gazety noho ny loza mitatao apetrak'io endrika vaovao io amin'ny fiarovana ny mpanao gazety sy ireo angona manokana momba azy ireo.

Mametraka hajia ny YouTube mba hamantarana ny fampielezankevitry ny fanjakana.

Nambaran’ [21]ny Youtube ny fikasany hanomboka hamantatra amin'ny alalan'ny rafitra fampiasàna hajia ireo votoaty avoakan'ny governemanta na ny loharanombaovao sy vaovao tohanan'ny Fanjakana. Eo amin'ny bilaoginy [21], manazava ilay orinasa; “Ny hanome vaovao an'ireo mpampiasa hahafahan'izy ireo mahatakatra kokoa ny fiavin'ireo votoaty nofidiany hojerena eo amin'ny Youtube no tanjonay”.  Aty am-piandohàna, tsy ho azo ampiasaina afa-tsy ao Etazonia io safidy io. 

Nampanao fiantohana marika ny fitaovana iray mpikajy sata sosialy sy toekarena ny Facebook.

Nanambara [22] tamin'ny herinandro lasa teo ny mpikaroka fa narovan'ny Facebook tamin'ny alalan'ny fametrahana fiantohana ny fomba teknika ahafahana mandanja tsara ny sata sosialy sy toekarenan'ny olona iray. Manome lanja [23] an'ny angona tahaky ny maha-tompontrano, ny dià naleha, ny fianarana vita, izay hanampy hanitatra ny tetika dokambarotra ikendrena lasibatra notrandrahan'ny Facebook.

Misy zavatra mahafinaritra mitohy mipoitra ihany

Nanambara ny fikasàny hanolo ny fampiharana Microsoft-ny rehetra [24] eo amin'ny solosaina ampiasain'ny fitantandraharaha aminà safidy “loharano misokatra” ny tanàna espaniolan'ny Barcelona. Amin'ity taona ity, ho atolotra an'ny fanamboarana rindrambaiko mampiasa loharano misokatra ny 70% amin'ny tetibola informatikan'ny tanàna.

Fikarohana vaovao

Misoratra hahazo ny Tatitry ny Mpisera amin'ny alalan'ny imailaka [26]

 

Afef Abrougui [27], Renata Avila [28], Ellery Roberts Biddle [29], Marianne Diaz [30],  Weiping Li [31], Karolle Rabarison [32], Elizabeth Rivera, [33]Juke Carolina Rumuat [34], Laura Vidal [35] ary Sarah Myers West [36] no nanampy tamin'ny fanoratana an'ity tatitra ity.