- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eoropa Atsinanana : Lahatsary Maneho Fa Mihakatra Be ny Tahan’ny Fankahalàna Ny Fiarahan'ireo Mitovy Fananahana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kroasia, Letonia, Polonina, Rosia, Serbia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona, Zon'olombelona an-tsary

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2006)

Notanterahana omaly tao Maosko ny hetsika farany mikasika ilay tantara mitohy ho fanoherana ny herisetra atao amin’ireo lahy samy lahy miaraka ary ny famoretan’ny fanjakana, satria nisy didim-pitsarana nivoaka taloha kelin’io nandraràna ny Matsom-Pireharehàna nokasain’ireo pelaka lahy hotanterahina ny volana May 2006 [1]. Hanao izay hampiova hevitra ny Fitsaràna mikasika ny Zon'olombelona ao Eoropa na ny  European Court of Human Rights [2], ireo mafàna fo mpiaro ny zon’ireo pelaka nitondra io raharaha io teny amin'ny fitsaràna, ary efa miandrandra fandresena sahady izy ireo.

Araky ny notaterin'i  Veronica Khokhlova,  [3]toniandahatsoratra ao amin'ny GVO ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana, tamin'ny volana May 2006, dia nolavin'Ingahy Yuri Luzhov,Ben'ny tananàn'i Maosko ilay Matsom-Pireharehana [4] nokasain'ireo pelaka hotanterahana. Nidinika tao Maosko koa ireo mpitondra fivavahana – mikasika ilay olana iray mety hiarahan'izy ireo miaiky – mba hanohana ilay fanapahankeviny ary niantso ho amin'ny fanaovana herisetra amin'ireo izay mikasa ny hidina an-dalàmbe – antso izay ren'ny maro indrisy [5]. Ilay lahatsary nakarina ho ao amin'ny Youtube, avy amin'ny tranonkala Russian anarchist [6], dia tsy naneho nivantana ny herisetra nitranga, saingy nanome avy hatrany ny tena rivotry ny atmosfera niainana tao Maosko tamin'iny andro iny, sy ny hoe iza avy no voarohirohy

Toy ireo vohikala tahaka ny YouTube [7] izay azo ampiasaina tsara ho fitaovana fanapariahana resaka tsy dia mahafinaritra [8], azo ampiasaina ho toy ny fitaovana hiraisana hina sy hifanohanana ihany koa, ary indrindra ho toy ny porofo izy ireny. Raha toa misy ny tranganà herisetra atao amin'ireo pelaka lahy, nanandrana namoaka ny lahatsariny avy ireo mpampiasa aterineto (toy ny lahatsary ato amin'ity lahatsoratra ity), ary, rehefa tsy afaka jerena ny lahatsary vao nivoaka voalohany, dia namoaka ampahany avy tamin'ny vaovaon'ny fahitalavitra ao an-toerana indray izy ireo ( ampahany avy tamin'ny vaovao Serbiana ny taona 2001 tao Belgrade momba ilay Matsom-Pireharehàna).

Tena ilaina tokoa io firaisankina sy fifanohanana io. Human Rights First [9], (Zon'olombelona aloha), fikambanana miorina ao Etazonia, namoaka tatitra [10] tamin'ny voalohan'ny taona 2006 izay nanambarany ny fiakaran'ny lahateny sy herisetra feno fankahalàna manana endrika manohitra ny fiarahan'ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy, na koa ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Rosia  tamin'iny taona 2005. Kanefa tsy ao Rosia ihany izany no malaza. Fa nanomboka ny fidiran'ny firenena 8 tao Eoropa Atsinanana ho ao amin'ny Fiombonambe Eoropeàna ny volana Mai 2004 [11], no vao mainka niakaran'ny fankahalàn'ny olom-boafidy, na ny fanjakana ny fiarahan'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy manerana an'i Eoropa Atsinanana.

Ny hetsika tena mandeha eny amin'ny haino aman-jery izao dia ny fomba hiatrehan'ny governemanta ireo diabe Matsom-Pireharehàna [12]  – izay efa karakaraina manerantany ankehitriny – ahitàna ireo vavy samy vavy, lahy samy lahy, na ireo sady miaraka amin'ny lahy no miaraka amin'ny vavy sy ireo nanova fananahana, antsoina koa hoe LGBT [13] izay manao diabe ho fitakiana ny zon'ny LGBT sy ho fankalazàna ny LGBT pride [14].

Mety tsaroanareo angamba ilay kabary tamin'ny Riga Pride tao Letonia [15] ny volana Jolay 2006. Indro misy fampahaitsahivana kely avy amin'ilay blaogera sady mpanao gazety Letoniana Juris Kaza :

Amin'izao fotoana izao, Veronica [16], Aleks avy ao amin'ny AllAboutLatvia.com ary ny vavolombelona nanatri-maso dia nanome tatitra mampiaiky sy mahatsiravina, niaraka tamin'ny porofon-tsary mazava, kanefa ny fijerena ireny sary etsy ambony sy ato [17] no mitondra izao karazàna fanoherana rehetra izao izay atrehan'ireo mpanao fanentanana miaro ny zon'ny “pelaka”. Nahazo fanohanana avy amin'ny mpanao politika sy mpitondra fivavahana ny fikambanana No Pride, vondrona mpanao teritery amin'ireo pelaka, ary voarohirohy tami'ireo hetsi-panoherana tao Riga [18], ary anatin'ny rivotra iainana tahàka izany, raha ekena malaky toy izao ny fomba fiasany, tahaky ny nanekena ny fangony [19] ho entin'ireo fikambanana maro hafa any amin'ny firenena Eoropa Atsinanana rehetra any, dia ambony dia ambony ny vinavina mety hisian'ny fifandonana mahery setra.

Tena manana anjara goavana amin'ny fanamafisana orina ny fandeferana ireo antokom-pinoana Ilay pasitera nitondra fiangonana tao Riga izay nandray anjara tamin'ny No Pride izao dia “Naongan'ireo” [20] Ambaratongam-Pitantanan'ny Fiangonana Evanjelika Letoniana. Herinandro vitsivitsy lasa izao, nivoaka ny faritr'i Rosia mihitsy ny Federasion'ny Fikambanana Jiosy ao Rosia hanohitra ny gay pride kasaina ho tanterahina tao Jerosalema – mbola naverin'i Rosh Hashanah notaterina indray ny Alakamisy 10 Novambra lasa teo - [21] – ho toy ny  “Faniratsiràna manafintohina [21] [22].

Tsy mijanona eo amin'ny fankahalàna sy fandraràna ny diabe Pride ihany ny tetika fambaboana olona amin'ny politika ho tombontsoan'ny rehetra. Antoko politika Letoniana iray no voalaza ho miketrika volavolan-dalàna hanafoanana ny famoahana lahatsoratra mampiseho ny fiarahan'ireo mitovy fananahana na koa miresaka fiainana na ny zon'ireo vavy samy vavy miaraka. Eny fa na tsy nekena aza ilay fangatahana volavolan-dalàna (izay manohitra ny lalàna Letoniana sy ny Iraisam-pirenena), dia mbola natolotra foana isak'izay misy hetsika ihany hoe misy fijerena tombontsoan'ny mponina ambadik'ilay fanehoana amin'ny fomba ofisialy ny fankahalàna ny fiarahan'ny mitovy fananahana.

Ary izay indrindra no tranga misy ao Polonina, ahitàna kambana mirahalahy, ny Filoha Lech [23] sy ny  Praiminisitra Jaroslaw [24] Kaczynski, ao amin'ny antokon'ny Lalàna sy ny Fahamarinana [25], zay fiaraha-mitantana ivondronana fianakaviana Poloney  [26], antoko manohana ny fitondràna nanàna tantara taloha tamin'ny fanoherana ny Jiosy sy fankahàlana ny fiarahan'ny mitovy fananahana [27]. Ny iray tamin'ireo filoha lefitra tao amin'ilay ligy, Wojciech Wierzejski [28] no nilaza talohan'ilay Pride 06 tao Varsovia hoe, “Tokony ho velesina amin'ny kibay be ireo diso lalàna ireo, raha vao mitady hanomboka ilay hetsika”, izay nitarika ho amin'ny fanamelohana ofisialy nivoaka avy amin'ny Parlemanta Eoropeana, ary raharaha iray mbola miteraka resabe mandraka ankehitriny – Tamin'ny filazàn'i Lech Kaczynski ao amin'ny Associated Press ny Alatsinainy lasa teo tao New York, nandritra ilay Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, fa tsy azon'ny olona ny fanehoankeviny [29] momba ireo pelaka.

Eoropa Atsinanana izao no toa lasa tany fiadiana isan'ny goavana ankehitriny, amin'ny fikolokoloany politika mitàna ny nentindrazana sy ara-pinoana, tantara kelin'ny kolontsaina pelaka ho an'ny daholobe, ary ny tsindry avy amin'ny Vaomiera Eoropeana ho fanajàna ny zon'ny pelaka.

Kanefa, ny ampahany betsaka amin'ny firenena maneran-tany [30] dia mbola tena manohitra ny zon'ny pelaka, na koa tena mankahala mihitsy aza. Indreto misy ohatra vitsivitsy azo tsy ela akory : Kamerona [31], Ghana [32], Iran [33], Iraka [34], Israely [35], Jamaika [36], Maorisy, Meksiko, Nepal, Filipina, Afrika Atsimo, Torkia, Oganda [37], Etazonia [38], Zanzibara [39]