- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: Ny Fiafaran'ny Anganongano HSBC

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Nitsoraka 24%  hatramin'ny 33 $HK, haavo ambany indrindra hatramin'ny 1995, ny maripanondroana ny HSBC Holding, ilay banky lehibe indrindra any Eoropa, sady ‘elefanta”-n'ny Hang Seng any Hong Kong, omaly (9 Martsa). Hatramin'ny nanombohan'ny krizy ara-bola, dia maro ny olona ao Hong Kong no mihevitra fa tsy ho tratran'ny tsunami  mivantana ( ampahany noho ny ataon'ny shinoa) ilay tanàndehibe. Na izany aza, satria noheverina fa fototry ny toekaren'i Hong Kong ny HSBC, ny fitsorahana ho any amin'ny 33$HK dia tena kapoka mafy amin'ny fahatokisan'ny olona (tompona petrabola).

Tsy nahatazona ny ranomasony tsy hilatsaka ilay mpilaza vaovao ara-toekarena aminà fahitalavitra mandeha amin'ny hosona rehefa nidina hatrany amin'ny 33$HK ny vidy nandritra ny fotoanan'ny lavanty tamin'ny minitra farany nialoha ny nikatonan'ny tsena. Niely be tamin'ny YouTube ilay lahatsary [1] ary lasa lohahevitra mafàna amin'izao fotoana izao

Those Were the days dia  nitoraka bilaogy ny resaka maromaro tamin'ny finday momba ny  HSBC

上午已收到A的電話,他說匯豐股價「唔多掂」,但仍死守38元上下。A說去到38元水位,他過去在匯豐的投資,已蒸發掉三分之一左右,若再跌下去,他不知應否供股

Nahazo antso avy tany amin'ny A aho ny maraina, nolazainy fa ambany be ny vidin'ny petrabolan'ny HSBC, nefa mbola mijanona ho HK$38. Efa very sahady ny ampahatelon'ny fampiasambolany ao amin'ny HSBC amin'io haavo io, raha mbola milatsaka io, dia tsy azony antoka intsony ny fanànany ny zony [2].

Rehefa nitsoraka ho 33$HK ny HSBC :

B說匯豐跌至如此水平,已不是個別企業升跌的問題了,那,已是維繫港人信心的問題:港人普遍相信、甚至迷信,全世界股票跌到七個一皮,匯豐也是不會大跌的,所以為何一個又一個關鍵價位,港人散戶總會組成血肉長城,想頂住匯豐股價!匯豐與廣大香港散戶,已是血脈相連!

Nambaran'i B fa tsy olana manokan'ny orinasa ny fidinana ho amin'ny haavo tahaka io. Resaka fitokisan'ny vahoakan'i Hong Kong io. Amin'ny ankapobeny, mino ny vahoakan'i Hong Kong fa na ho rava aza izao tontolo izao, dia tsy hianjera ny HSBC. Izany no antony, tato anatin'ny volana vitsivitsy,  isaky ny ao misedra zava-tsarotra ny HSBC, dia tsy maintsy mividy petrabola ao ireo mpanana petrabola mba hitazonana ny petrabolany tsy hitontongana. Mifandray ny HSBC sy ny fiainan'ny mpanana petrabola tsirairay.

下場咖啡局是C,匯豐跌至33元,他歴年在匯豐的投資,已不見了三分二左右,還要動用流動資金供股,但,可有一對仔女在英、加讀大學。C說,他曾計劃十年八載退休時,可靠匯豐、恒生股息養老,現在,一切已成泡影之餘,還要面對流動資金緊張的情況,他,已決定減少不必要的消費,包括計劃中的復活節外遊了。

Fakàna aina kely niaraka tamin'i C. Very niaraka tamin'ny vidin'ny petrabola ho 33$HK ny roa ampahatelon'ny fampiasàmbolany, fa mbola nanantena handray ny zony izy. Nefa, mianatra any Angletera sy any Kanadà ny zanany anankiroa ary efa niomana ny hisotro ronono izy afaka 8 na 10 taona, ary hivelona amin'ny tombony azo avy amin'ny HSBC sy ny Banky Hang Sang. Ankehitriny, foana ny fanantenany ary tsy maintsy atrehany ny olana ara-bola noho ny resaka momba ny zo. Nanapaka hevitra ny hampihena ny fandaniany izy, isan'izany ny diany amin'ny fialantsasatry ny Paska.

再之後是大迷信D的電話。他說特區政府拆掉天星碼頭之後,匯豐股價江河日下,明顯天星破壞了匯豐風水之言,並非沒有根據,為香港、為廣大匯豐散戶,他強烈要求天星碼頭原址重建…….

Avy eo, tonga ny antso iray saro-takarina tamin'ny finday. Mino izy fa fotoana fohy taorian'ny nandravan'ny governemanta ny fefilohan'ny star ferry, dia mbola nitohy nitontongana ny vidin'ny petrabolan'ny HSBC. Mazava be fa ny fefilohan'ny Star Ferry no namotika ny fengshui-n'ny HSBC. Ho an'ny tombontsoan'i Hong Kong sy ireo mpanana petrabola, dia nangatahany ny governemanta mba hamerina hanangana ny star ferry ao amin'ny toerany voalohany…

Tsy nisy fiantraikany tamin'i Mimi ny krizy saingy nanamafy izy fa tokony handinika ny fampianaran'i Bouddha ny vahoakan'i Hong Kong [3]:

數十年來, 匯豐控股 的股票 在港人心中是現金的代名詞, 是派息保障的同意詞, 是保障中的保障, 穩定中的穩定, 昨日一日暴挫十元五角, 跌至33元, 股評主持人當場淚洒機前, 整個港島一遍哀聲. 老咪在賺了點小錢的情況下,一早已出了匯控, 手上的幾十股碎股, 也從來沒放在心上, 只當散錢, 留給兒子無妨, 但多少香港人受惠於父輩, 靠匯豐股息讀書, 甚至過日子.

Nandritra ny am-polo taona vitsivitsy, dia notombanan'ny vahoakan'i Hong Kong ho tahaka ny vola azo ampiasaina ny petrabolan'ny HSBC sady nanome antoka ny fiverenan'ny zanabola midangana. Miorina tsara sy azo antoka. Omaly, nidina ho amina'ny 33$HK ilay izy, tsy mahagaga raha latsa-dranomaso nanoloana ny fakàntsary ilay mpanao famakafakàna momba ny petrabola ary nalahelo noho ilay fahavoazana ny nosy iray manontolo. Efa namidiko daholo ny HSBC-ko ary efa ela aho no nahazo tombony kely. Amin'izao fotoana izao, dia petrabola tsy misy dikany no eo an-tànako fa tsy mampaninona ahy izany. Azoko avela ho an'ny zanako lahy izany. Na izany aza, maro ireo mponina any Hong Kong no nandray soa tamin'ny fampiasàmbolan'ny ray aman-dreniny tao amin'ny HSBC, arakaraky ny ilàny azy amin'ny saram-pianarana sy fandaniana andavanandro.

以前看這樣的老友, 會贊他福氣, 但私下會想: 這就是人的生存方程式? 今時今日, 再三思考此問, 惊覺, 此海嘯來勢猛烈, 明顯就是沖著我們自覺成功的生存方式而來, 所有我們過往以為的, 了解的, 信任的人, 機構, 甚至體系, 在這次大的沖擊下變得不了解, 甚至無法信任. 一切所為何事? 老咪不想說服任何人, 只想告知自己: 這世界是想讓我們知道:
一切有為法, 如作夢幻泡影, 如露也如電, 應作如是觀. (金剛經)

Taloha, rehefa sendra nifanena tamin'ireny namana ireny aho, dia nidera azy fa tsara vintana izy, nefa manontany tena ihany koa aho raha toa ka izany no fomba fiaina. Ankehitriny, misaina ny momba io fanontaniana io aho ary mahatsapa fa io tsunami io no fanamby ho an'ny olona mahomby. Taloha, nihevitra isika fa mahalala, ary ninoantsika ireo olona sasany, ny fitsipika ary ny rafitra. Fa amin'izao krizy izao, dia hitantsika fa tsy mahalala isika ary tsy misy azontsika hitokiana ihany koa. Hitondra inona daholo izany zavatra rehetra izany ? Tsy te-handresy lahatra na iza na iza aho, fa milaza aho fa izao tontolo izao no te-hampahafantatra antsika :

Nofy daholo, zavatra manjavozavo, tapoakan-tsavony, dindo,
ranonando na tselatra iray fomba iray, izay làlana tokony ho raisin'ny lehilahy mahira-tsaina. ( nadika avy tamin'ny zftrans [4] )

Ny 10 Martsa 2009, niakatra ho 38$HK teo ho eo ny vidin'ny petrabolan'ny HSBC ary mandinika ny minitra faran'ny varotra ny  Hong Kong Exchanges and Clearing Limited  Komitin'ny Fiarovana sy ny Hoavy, alohan'ny hikatonan'ny tsena.