‘Mihira Ny Tantaran'ny Fanaintainanay': Nahita Fialofana Amin'ny Mozika Ny Trangam-pifindra-monina ao Tajikistan

Pikantsary avy amin'i Nigina Amonqulova – Yori Musofir (2015). Lahatsary mozika nampidirina tao amin'ny YouTube tamin'ny 3 Janoary 2016.

Ao Tajikistan tsy an'asa, saika efa fomba fanao mandalo ny mamela ireo hava-tianao mba hanao asa ambany fifehezana ao Rosia. Ho setrin'izany, nanjary fitaovana manan-danja mba hisaintsainana momba ny fiovana ara-tsosialy vokatry ny fifindra-monin'ny zatovolahy avy any amin'ny firenena Sovietika teo aloha ny hira pop ao an-toerana.

Намехоҳам аз ватан дур, зиндагӣ мекунад маҷбур,

Макун гиря модарҷонам, қисмати мо чӣ талху шӯр.

Аз ошиқам ҷудо кардӣ, дилам пур аз ғамҳо кардӣ,

Маро тани танҳо кардӣ, ба дардҳо мубтало кардӣ,

Оҳ ғарибӣ!

Tsy misy faniriana handao ny tanindrazana, saingy tsy maintsy,

Aza mitomany, ry reny malala, mangidy toy izany ny mahazo antsika.

Misaraka amin'ny namana, sy ny olo-tiana aho,

Feno alahelo ny foko, manirery sy marary aho.

 

Mampiantrano olona valo tapitrisa mahery i Tajikistan. Tombanana fa mihoatra ny antsasaky ny lehilahy efa afaka miasa (ampy taona) no mitady asa any ivelany, indrindra indrindra any Rosia.

Araka ny  Antontanisan'ny Banky Iraisam-pirenena, ny vola fandefan'ny mpifindra monina no mandrafitra ny ampahany betsaka amin'ny toekaren'i Tajikistan (26.9%) tsy tahaka ny toekarena hafa manerantany, ankoatra ireo mpifanolobodirindrina amin'i Azia Afovoany, Kyrgyzstan (30.4%) sy Nepal (31.3%).

Betsaka ny antony mahatonga ny olom-pirenena manalavitra ny firenena maro an'isa Miozolomana. Ny repoblika no mahantra indrindra ao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha. Mieli-patrana ny kolikoly ary mikorontana ny sampan-draharaham-panjakana. Ho an'ireo afaka mahita asa, ambany ny karama ary matetika misedra fiakara-bidim-piainana.

Ҳар куҷо шодаму шодон, ба ёди Ватанам,

Ҳар куҷо ташнаву ношод, ба ёди Ватанам

Na aiza na aiza fifaliako sy haravoako, mieritreritra ny tanindrazana aho,

Na aiza na aiza mangetaheta sy malahelo, mieritreritra ny tanindrazana aho.

Ity horonam-peo mozika malaza ity dia niara-napetraky ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifindra-monina sy ny governemanta Tajik, mitaky ny mpifindra monina mankafy ny fahombiazana any ivelany mba hanampy amin'ny fampandrosoana ny tanindrazany.

Ahitana ny sary (manomboka amin'ny 2.50) ny filoha Tajik ela niasàna, Emomali Rakhmon, mihaona amin'ireo mpiray tanindrazana ao Moskoa ny lahatsary.

Tsy dia mahafinaritra araka ny asehoan'ny lahatsary etsy ambony ny tena zava-misy iainan'ny ankamaroan'ny mpifindra monina.

Matetika ratsy ny fepetran'ny asa ao Rosia sy ny firenena hafa mampiantrano, satria manjaka ny kolikoly, ny fanavakavahana sy ny fanararaotana eo anivon'ny fiainana andavanandro.

Amin'ny ankapobeny, mihoatra ny iray ny mpifindra-monina Tajik miverina an-tanindrazana ao anaty vata-paty isan'andro.

Теппае гӯри бародар, теппае гӯри падар,

Байни он ду теппа бошад ҷойи як гӯри дигар.

Гар бимирам дар ғарибӣ, Тоҷикистонам баред

Ny fasan'i Dada eo amin'ny andaniny ary ny an'ny rahalahy eo ankilany

Misy toerana ho an'ny fasana iray hafa fanampiny ve?

Jereo! Raha maty ao  gharibi aho, ho ento mody, any Tajikistan ny vatako,

Ho an'i Tajiks, iray amin'ireo vahoaka betsaka indrindra any Azia Afovoany, sarotra faritana ny enta-mavesatra ara-psikôlôjika amin'ny fandaozana ny (tanindrazana).

Nalaina tamin'ny teny Tajik ny “gharibi”, izay maneho fifangaroan'ny fahantrana, manirery, fahafaham-baraka sy hanoanana iainana amin'ny toerana tsy mahazatra

Афсӯс, ки дар ин дашту биёбон мурдан,

Дур аз ватану, ҷудо аз хешон мурдан,

Mampalahelo ny maty ao amin'ity tany efitra ity,

Lavitry ny tanindrazana, lavitry ny hava-tiana.

Manao veloma tanteraka ho an'ny tanindrazana?

Azo antoka fa ireo fianakaviana akaiky nilazaon'ireo mpifindra-monina any  Rosia no tena mijaly indrindra, na dia izany aza.

Indraindray, mankany Rosia alohan'ny hahaterahan'ny vadiny ny lehilahy. Amin'izany tranga izany, ny hany fifandraisan'ny zaza amin'ny rainy dia mety amin'ny alalan'ny resadresaka amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra.

Ho an'ny mpivady, misy ny tena tahotra amin'ny fandaozana tanteraka. Matetika maka vady vaovao any Rosia ireo mpifindra monina, ary indraindray misaraka amin'ny vadin'izy ireo voalohany amin'ny alalan'ny hafatra somaiso.

Азизи дури ман, ёри ғарибам, зи оғӯши биҳишт сахт бенасибам,

Мабодо, ки фаромӯшам намоӣ, бигирад тахти бахт ҳамроҳ рақибам.

Ny fitiavan'ny foko, izay lavitra ahy, mamela ahy tsy hamihina paradisa

Matahotra ny fitadidinao fohy aho, ka mety hisy rafy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny hafaliako.

Raha nanome lanja ny lohahevitra fifindra-moninqa ireo mpanankato matihanina mba hanatsarana ny lazan’ izy ireo, feno hira momba ny fifindramonina ataon'ireo mpifindramonina tenany mihitsy ihany koa ny YouTube.

Як-ду сухане ки дар дилум буд, буромадан,

Чӣ азобойе мекашанд берун ай ватан.

Ҳози боша да фикрум, чида да мулки ғарибум,

Чӣ кор мекунум ма ай шумо дур да и макон,

Чиба дар барум нестед ҳози шумо, очаҷон

Manana teny vitsy holazaina aho.

Mihira ny tantaran'ny fahorianay,

Nahoana aho no eto, amin'ny toerana tsy fantatra, lavitry ny reniko?

Ny mahazatra amin'ny hira maro dia antso hiverina an-tanindrazana.

Муҳоҷирбачаи саргардони тоҷик, Наврӯз мерасад,

Дар базми ватан оё, ҷойи ту холист.

Mpifindra monina Tajik mijaly, eo amintsika ny Nowruz [miraalina lohataona],

Andeha hankalaza izany ao an-trano, banga anao izahay!

 

Milaza ny antontanisa fa mpifindra monina marobe no miha-tsy manantena momba ny hevitra hiverina hody sy hanangana fiainana any Tajikistan.

Tamin'ny taona 2017 fotsiny, Tajik efa ho 30 000 teo ho eo no nahazo pasipaoro Rosiana raha nikasa hifindra maharitra any avaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.