Ejypta: “Fifaninanana Tsy Azo Ihodivirana Momba Ny Sary Amboarina (Photoshop) Misy An'i Mubarak

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Satria nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana ny Fifampidinihana Fandriampahalemana 2010 – eo amin'ireo mpitarika avy any Israely, Palestina, Jordania, Ejipta ary Etazonia – efa naneho fisalasalana sahady mikasika ny vokatr'izany, sy ny fandraisana anjaran'ny filoha Mubarak (izay matetika kinendrin'ny fihetsiketsehana ao amin'ny firenena) ireo bilaogera Ejypsiana.

Na dia manana fomba fijery manokana momba an'i Mubarak aza ireo bilaogera, hafa kosa ny zavatra hitan'ny gazety malaza indrindra ao Ejypta, Al-Amhram. Araka ny tatitra nataon'ilay bilaogera WaELK tao amin'ny bilaoginy, nametraka an'i Mubarak teo aloha sy afovoan'ny lisitry ny filoham-pirenena ny taratasy, mampiasa fahaizana Photoshop:

Ny sary orizinaly dia nampiseho fa ny filoha Amerikana Barack Obama no eo aloha sy afovoany, ary i Mubarak eo amin'ny farany havia.

Fahatezerana tamin'ny Al Ahram

Bilaogera maromaro no tezitra tamin'ny fihetsiky ny Al Ahram. Tao amin'ny bilaogy Eskandarany, Ismail Mohamed nanoratra hoe:

تعرفت على الاستاذ اسامة سرايا لأول مرة من خلال سلسلة مقالاته عن الدكتور البرادعي منذ شهور قليلة مضت ، والتي اعلن في أولها أن للدكتور البرادعي جنسية أخرى غير المصرية وانه ربما يكون غير متأكد من المعلومة – ووقتها كتبت وقلت لو مش رئيس تحرير الاهرام ( من أقدم الجرائد المصرية ) مش متأكد من معلومة عن رابع مصري يحصل على جائزة نوبل مين ممكن يبقى متأكد ! ومين يقولنا الحقيقة

Nahafantatra an'Atoa. Osama Saraya [tonian-dahatsoratry ny Al Ahram] voalohany tamin'ny alàlan'ny andian-dahatsoratra nosoratany momba an'i El Baradei volana vitsivitsy lasa aho. Nosoratany tao fa manana zom-pirenena hafa ankoatra ny maha-Ejiptiana azy ny Dr. El Baradei, na dia nilaza aza izy fa tsy azony antoka izany vaovao izany. Nanoratra aho avy eo, nanontany raha toa ka tsy azon'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Al Ahram (iray amin'ireo gazety tranainy indrindra any Egypta) antoka ny vaovao momba ilay Ejypsiana faha-efatra mendrika hahazo loka Nobel, izay tokony ho azony antoka tamin'izany! Ary tokony hilaza amintsika ny marina izy?

Hoy koa izy:

هذه المرة يعود اسامة سرايا للتبرير وكأن العالم كله على خطأ ووجهة نظره كرئيس تحرير وصحفي ومهني مخضرم هي المضبوطة ، فبعد ان نشر الاهرام الصورة المزيفة ( أو التعبيرية على حد قول اسامة سرايا ) للرئيس مبارك في مقدمة قادة وملوك والحقيقة هي ان الرئيس مبارك كان يقف في الخلف والرئيس الامريكي باراك أوباما في المقدمة .. جاء سرايا ليبرر ويقول ان الصورة تعبيرية لدور مصر ومبارك في القضية الفلسطينية التي كانت محور نقاش القادة المجتمعين

Tamin'ity indray mitoraka ity, niverina niaraka tamin'ny fanamarinana i Saraya fa diso izao tontolo izao ary izy irery ihany – ilay mpanao gazety matihanina sy lehiben'ny tonian-dahatsoratra – no marina. Taorian'ny namoahan'ny Al Ahram ireo sary namboarina – na izay antsoin'i Saraya hoe Sary Fanoharana – nilaza taminay mihitsy i Saraya fa ny sary mampiseho ny filoha Mubarak eo anoloan'ireo filoha hafa dia natao hanehoana an'i Ejipta sy ny anjara andraikitr'i Mubarak amin'ny famahana ny krizy Palestiniana.

Gaga tamin'ny zava-nitranga i Abou El Maaly Fayek, izay mibilaogy ao amin'ny Lokmet Eish:

هل وصل الأمر بصحيفة مثل جريدة “الأهرام” أن تضع نفسها فى هذا المأزق الحرج ؟ لم أكن أتصور أن صحفيا مبتدئا أو كاتب هاو أو حتى صاحب مدونة على شبكة “الإنترنت” أن يضع نفسه فى هذا الموقف الذى أقل ما يوصف به أنه سخيف

Tsy takatry ny saina fa mametraka ny tenany ao anatin'izany toe-draharaha manahirana izany ny gazety tahaka ny al-Ahram! Tsy takatry ny saiko ny mpanao gazety zandriny, mpanoratra fialam-boly, na koa bilaogera mihitsy mametraka ny tenany ao anatin'ny toe-javatra tahaka izany, toe-javatra izay azo sokajiana ho toy ny adala amin'ny seho tsara indrindra

“Fifaninanana Tsy Azo Ihodivirana momba ny Sary Namboarina  Misy an'i Mubarak”

Vokatry ny tatitra amin'ny endrika vaovao nataon'ny Al Ahram, nanararaotra naneho ny fahaizan'izy ireo ara-javakanto ireo bilaogera, na any Ejipta na any ivelany, ka nampiasa Photoshop mba hanatsarana kokoa ilay sary. Nanangona ny sasany tamin'ireo sary ny Vondrona Facebook, raha nandefa tao amin'ny bilaogy kosa ny hafa.

Bilaogera Egyptian Chronicles nizara sary maromaro, anisan'izany ny iray etsy ambany, ary nanamarika hoe:

There is a rumor in the Facebook that the state security is currently searching the man behind this , well they have have to search for the man behind the photos which are far more hilarious !!

Misy tsaho ao amin'ny Facebook fa mikaroka ny lehilahy ao ambadik'ity toe-javatra ity ny fiarovam-panjakana amin'izao fotoana izao, eny, tsy maintsy mitady izay lehilahy ao ambadiky ny sary izay tena mampihomehy kokoa izy ireo!!

“Tahaka ny balady fampakaram-bady ny resaka,” hoy ny fanazavan'ilay bilaogera

Bilaogera Libaney Beirut Spring nanampy ny fandraisany anjara manokana tamin'ilay nopetahany anarana hoe “Fifaninanana tsy azo ihodivirana momba ny fanaovana sary Photoshop an'i Mubarak”:

“Tohizo ny dia Mubarak” hoy ilay bilaogera

Bilaogera Sarah Carr ao amin'ny Inanities, nilaza fa angamba naseho tsy araka ny tokony izy ihany koa ny zava-nitranga ara-tantara hafa. Ity ohatra iray:

“الطريق الى الفضاء” (“Ny lalana mankany amin'ny habakabaka”)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.