Bangladesh: Voasakana Ny YouTube Sy Ireo Tranonkala Fizarana Rakitra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Tsy afaka niditra tamin'ny YouTube ireo mpampiasa aterineto ao Bangladesh nanomboka Zoma (6 Martsa 2009) hariva. Vetivety dia hitan'ny olona fa tsy afaka nidirana koa ny tambajotra sosialy hafa ary ny tranonkala fampiantranoana/fizaràna tahàka ny Esnips, mediafire sns. Toy ny hoe sakanan'ny rindrinafo ao amin'ny IIG (Vavahady iraisampirenn'ny aterineto) izy ireo satria afaka idirana amin'ny alàlan'ny proxy.

Miantso ny governemanta ao Blangladesh ny Torpon mba tsy hanaisotra ny fahalalahan'ny aterineto rehefa avy nitatitra porofo vitsivitsy momba ilay fanasivanana.

ঢাকায় ইউটিউবে ঢুকতে গিয়ে টাইম আউট হয়ে যাচ্ছিল দেখে অনেকে ভাবছিলেন যে ইউটিউবের সার্ভারের সমস্যা । এরপর দেখা যাচ্ছিল যে ইস্নিপস্ এও ঢোকা যাচ্ছে না । তখন সন্দেহ করা হলো যে সমস্যাটি অন্য কোন খানে । কোথাও ডেটা ব্লক হয়ে যাচ্ছে । প্রমাণ ছাড়া সরকার কে দোষ দেয়াটা অযৌক্তিক । কিন্তু অল্প কিছু সময়ের মধ্যে অভিজ্ঞ বাংলাদেশী নেটওয়ার্ক ইঞ্জিনিয়াররা বিভিন্ন জায়গা থেকে জানালেন সরকারী কোন সার্ভারের ফায়ারওয়ালে ইউটিউব সহ অনেক গুলো সাইট ব্লক করা হয়েছে।

Raha niditra Youtube avy tao Dhaka ny “olana fotoana dila” no niverina ary nihevitra ny olona fa nisy zavatra tsy mety amin'ny lohamilin'ny YouTube. Vetivety teo dia hitan'ny olona fa tsy afaka niditra E-snips (tranonkala mpizara rakitra) ry zareo. Ka dia natahotra ny olona sao voasakana any ho any ny tahirinkevitra. Tsy mety ny manome tsiny ny governemanta rehefa tsy misy porofo sy lojika. Fa vetivety ihany dia nampahafantarin'ny manampahaizana informatika sy ny injenieran'ny tambajotra fa voasakan'ny rindrinafo ao amin'ny lohamilin'ny governemanta ny YouTube sy ireo tranonkala hafa.
Screenshot courtesy - Torpon

Screenshot courtesy – Torpon

বাংলাদেশ লিনাক্স ইউজার গ্রুপের সার্ভার থেকে গুগল, ইউটিউব এবং ইস্নিপসের সাইটে ট্রেসরাউট কমান্ড দিয়ে দেখা গেছে, গুগল ঠিকই পৌছে যাচ্ছে গুগলের সার্ভারে কিন্তু বাকি দুটো আটকে গেছে বিটিটিবির ফায়ার ওয়ালে ।

Rehefa nalefa avy ao amin'ny lohamilin'ny vondronan'ny mpampiasa Linux ao Bangladesh ny baiko “traceroute” nikendrena ny Google, YouTube ary ny tranonkala E-snips, nasehon'ny vokatr'izany fa afaka tratrarina ny lohamilina Google fa miraikitra ao amin'ny rindrinafon'ny BTTB ny roa hafa.

IIGS (Vavahady iraisampirenan'ny aterineto) ofisialy ao Bangladesh ny Mango sy BTCL (BTTB teo aloha). Nanomboka ny Aprily 2009 teo ireo mpanome tolotra aterineto, noho ny fameperana, tsy maintsy mandefa ny fifamoivoizany iraisampirenena any amin'ny Mango, na BTCL, izay mandefa ny fifamoivoizana amin'ny alàlan'ny tariby ambany ranomasina na ny vsats.Voamarin‘ny Gazety Bangla Prothom Alo ny fandraràna ny Youtube. Nitatitra momba ny fanivànana tranonkala hafa maromaro ny mpampiaza Twitter Mahay Alam Khan:

mahayalamkhan: Voaràra na voasakana ao Bangladesh ny youtube, eSnips, midiafire, filefreak, upload-mp3. Avereno bitsihana azafady.

Nanombatombana momba ny antony nanaovana ny fandraràna i Russell John:

Maninona no nanao anio ny Governemanta? Satria nisy feo voaray izay mety “hanimba” ny lazan'ny Praiminisitra be antsika Sheikh Hasina. Hatreto aloha, noraràn-dry zareo ny Youtube sy eSnips, fa amin'ny manaraka mety tranonkala betsabetsaka kokoa no ho tratra. Angamba Facebook koa? Mizara zavatra be dia be koa ny olona ao.

Taorian'ny fikomian'ny BDR sy ny fandripahana ny miaramila manamboninahitra tao Dhaka, nihaona tamin'ireo miaramila manamboninahitra niharan'ny fitondrantena ratsy ny Praiminisitra tao anaty trano mihidy ao Shenakunja izay tsy misy mpanao gazety na olona avy any ivelany afaka nanatrika. Nitete ireo rakipeo sy ny resaka tao amin'ilay fihaonana, nakarina ary nozaraina tamin'ny alalan'ireo tranonkala  marobe fizarana rakitra, tao anatiny ny E-snips sy YouTube. Niresaka momba ny olan'ilay rakipeo tafaporitsaka ny bilaogy Unheard Voice izay nampiasain'ny sehatra sasany hamoronana fifamaliana pôlitika ary hanaratsiana ny miaramila sy ny Praiminisitra.

Hoy i “Dark ocean needs a lighthouse” (Mila jiro mpitari-dàlana ny ranomasimbe maizina)

Raha mihevitra ny Governemantan'i Bangladesh fa tahaky ny tolotra finday ny aterineto dia miaina eny amin'ny paradisan'adala izy ireo. Feno làlana maro ahafahan'ny olona miala an'ilay sivana. [..] Amin'ity tranga iray ity, afaka mampiasa proxy tsy fantatra ny olona iray ary miala amin'ilay rindrinafo !

Tolotra ilaina ary be mpampiasa ny Youtube, eSnips sns. Raha mihevitra ny Governemantan'i Bangladesh fa misy rakipeo na horonantsary mety hampidi-doza ho an'ny fiarahamonintsika, afaka tonga dia mangataka amin'ny Youtube ny hanalàna azy izy ireo. Tsy hadalàna ihany izao sivana mahery setra izao fa mampametra-panontaniana ihany koa momba ny fikasan'ny Governemanta.

Manome rohy proxy ny bilaogera sasany toa an’ i Kayes Mahud mba hahafahan'ny hafa miditra amin'ireo votoaty voasakana. Tsindrian'i i Razon Sun fa efa nivoaka tao anaty gazety tao an-toerana [bn] ny votoatin'ny fihaonana tao Shenakunjo. Araka izany, tena tsy misy lojika ny fibahanana ny aterineto. Mety voateny eto fa afaka miditra  mora foana amin'ireny votoaty ireny ny Bangladeshis any ivelan'ny Bangladesh, izay afaka alaina dia zaraina amin'ny imailaka avy eo.

Hoy i Sushanta:

প্রচারনা বন্ধ করার আগে দেখেন কিভাবে এটা রেকর্ড হলো? প্রথমে কোন সাইটে এটা আপ্লোড হয়েছে। সেনাকুঞ্জের সভার ভিডিও টা দেখেন ভালো করে কোন সেনা কর্মকর্তা মোবাইল হাতে চুপেচাপে রেকর্ডিং করছে। এটা ধরা তেমন কঠিন কাজ না।

Alohan'ny anandramana mibahana  ireo rakipeo/lahatsary, mba jereo ny fomba nandraiketana azy ary taiza ny nampiakàrana azy voalohany. Mba jereo ny lahatsarin'ilay fihaonana tao Shenakunja mba hahitana hoe iza no naka azy. Tsy sarotra ny mitady an'izany.

Mamoaka ny fahasorenany i Russell:

Ny mampihomehy dia io Governemanta io ihany no miresaka “Bangladesh dizitaly” isaky ny mihetsika. Fantantsika ankehitriny ny endrik'izany Bangladesh Dizitaly izany.

Ny fanontaniana izao izany dia ahoana no amahànany YouTube sy ireo tranonkala fizarana rakitra ao Bangladesh. Efa nahita isika tamin'ny tranga teo aloha fa tsy eken'ireo manampahefana hoe ireny fibahanana ireny no natao voalohany, nitondra nankany amin'ny fanomezana tsiny ny olana teknika. Rehefa tsy misy ny ‘Lalàna momba ny Zo Hahazo Vaovao’, sarotra ho an'ny olompirenena iray ny hanontany ny antony nanaovana izany. Antenainay fa hanala ny sàkana natao an'ireo tranonkala rehetra ireo ny manampahefana mba hisorohana adihevitra bebe kokoa sy dokambarotra ratsy ho an'ny Governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.