- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Fahatsapan'ny Firenena Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Ejipta, Etazonia, Israely, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

( Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

Manana tolona hafa ifanaovany amin'ny masoivoho Israeliana sy Amerikanina ao an-toerana ireo Ejiptianina mpianatra, miaraka amin'ny fijerin'izao tontolo izao mifantoka any Annapolis.

Asehon'ilay Ejiptianina Randa Raafat [1] (Ar) antsika ny fomba fanehoan'ireo Ejiptianina mpianatra sasany ny tsapany momba ireo Ambasadaoro Israelianina sy Amerikanina ao amin'ny fireneny .

Manoratra izy hoe:

أشياء جميلة بدأت تظهر وسط الموجات العارمة من الفساد واللامبالاة

أول شيء جميل
بنات في المرحلة الإعدادية بمدرسة العبور بالمعادي أثاروا قلق السفير اليهودي في القاهرة عندما نقل محل سكنه إلى فيلا الأميرة فوزية بالمعادي ،لدرجة أنه استدعى الأمن بسبب هتفاتهن اليومية للمطالبة بطرده من مصر
هذا شيء مفرح جدا بغض النظر عن مكان سكن السفير من فيلا الشبراوي إلى فيلا الأميرة فوزية
(تراث مصر.)

Nanomboka nisy zavatra tsara niseho teo afovoan'ireo onja mahery vaikan'ny kolikoly sy tsy firaharahiana.

Ity no zavatra tsara voalohany: nampitombo ny fanahian'ilay Ambasadaoro Jiosy any Cairo ireo vehivavy mpianatra mpiofana ao amin'ny sekoly El Oboor, taorian'ny nifindrany tany amin'ny Villa PrincessFawzia ao amin'ny distrikan'i El Maadi ka nahatonga azy hangataka filaminana noho ny antson'izy ireo isanandro, mitaky ny fandroahana azy handao ny firenena.

Vaovao mahafaly izany, na aiza na aiza no misy ny toeram-ponenan'ny Ambasadaoro, avy amin'ny Villa Al Shabrawy hatrany amin'ny Villa Princess Fawzia. (Samy lova Ejipsianina madio avokoa).

الخبر المفرح الآخر
هو طلاب جامعة المنصورة الذي تسببت هتفاتهم في منع السفير الأمريكي من دخول جامعة المنصورة ، رغم وجود أكثر من 17 شركة أمن خاصة لحماية السفير
هذان الخبران جاءا في الوقت الذي تعقد فيه أمريكا بالتعاون مع اسرائيل مؤتمر انابوليس للسلام

وها هو الشعب يقول
ماحدش بيضحك علينا أحنا فاهمين كل حاجة ورافضين أي سلام مع أمريكا واسرائيل

Ny vaovao mahafaly hafa: nanakana ny ambasadaoro Amerikanina tsy hiditra tao amin'ny Oniversiten'i Masoura ny antson'ireo mpianatry ny Oniversite, na teo aza ny fisian'ireo orinasa tsy miankina maherin'ny 17 misahana fiarovana natao hiaro azy.

Tamin'ny fotoana nanaovan'ny Amerikanina, izay miara-miasa amin'i Israely, fihaonambe momba ny fandriampahalemana tao Annapolis no niseho ireo tranga ireo.

Ary indro ny nambaran'ny firenena ..
Tsy misy na iza na iza hanadala anay, mahatakatra ny zavatra rehetra izahay ary mandà ny fihavanana rehetra miaraka amin'i Amerika sy Israely