‘Mividiana Karatra SIM Vaovao’ Dia Miandrasa Fanadihadiana Bebe Kokoa: Mitazona Sy Maka Am-bavany Mpanao Gazety Iray Ny Sampan-draharaha Misahana ny Fiarovana ao Rosia

Pavel Nikulin, mpikambana amin'ny Sendikàn'ireo Mpanao Gazety Tsy Miankina’ sy Mpiasan'ny Fampahalalambaovao, mitsangana eo amin'ny foiben'ny biraon'ny FSB, masoivohon'ny fiarovana anatiny ao Rosia, mba hanohitra ny fitazonana mpiaramiasa iray. Sary avy amin'i Igor Yasin, nampiasana miaraka amin'ny alalana.

When state security officers arrived at his home early in the morning of January 31, Russian journalist Pavel Nikulin learned firsthand that punishment is not always timely….Rehefa tonga vao maraina tao an-tranony, ny marainan'ny 31 Janoary, ny mpitandro filaminana, fantatr'ilay mpanao gazety Rosiana, Pavel Nikulin, fa tsy mifamotoana mandrakariva ny sazy.

Nikulin, mpiara-mpitaridraharaha ao amin'ny Sendikàn'ireo Mpanao Gazety sy Mpiasan'ny Fampahalalambaovao ao Rosia, dia novangian'ny mpikambanan'ny FSB, iray amin'ireo sampan-draharaha misahana fiarovana ao Rosia, izay tonga tao amin'ny tranony ary naka an'ireo fananana maromaron'i Nikulin anisan'izany ny solosaina, antontan-taratasy ary dikan'ny gazetiny tsy miankina, Moloko Plus.

Namoaka teo amin'ny fantsony Telegram, tolotra fandefasana hafatra be mpampiasa ao Rosia, niteny an'ireo mpanaraka azy i Nikulin fa mifandray amin'ny andininy 205.3 ap amin'ny lalànan'ny ady heloka, lalàna izay mifehy ny “fiofanana mizotra ho amin'ny tanjona hanaovana hetsika fampihorohoroana” ilay fikarohana. Voamarin'ny mpisolovava avy ao Open Russia, vondrona manokan-tena ho fanandratana ny demokrasia sy ny zon'olombelona ao amin'ny federasiona Rosianina.

Naka ny Twitter ihany koa i Nikulin mba hilazàna amin'ny rehetra ny anton'ilay fitsidihana:

Misava ny tranoko izy ireo. Manao ahoana. Ho an'ny lahatsoratro ao amin'ny The New Times. Nalain'izy ireo ny finday.

Ilay lahatsoratra resahana, “Avy Any Kaluga Miaraka Amin'ny Jihad“,  dia manao kisarisary ny antsafa nifanaovan'i Nikulin tamin'ny teratany Rosiana avy ao amin'ny faritr'i Kaluga, izay nandeha tany Siria hiady ho an'ny Mandaehezan'i Al-Nusra, sampana iray nisintaka tamin'ny al-Qaïda. Ny Martsa 2017, fony nivoaka tao amin'ny The New Times ilay izy, avy hatrany dia nisarika ny fijerin'ny manam-pahefana Rosianina ilay antsafa.

Roskomnadzor, mpandrindra ny media ao Rosia, namoaka fampitandremana iray ho an'ny The New Times hìnoho ireo “famantarana manamarina fampihorohoroana” tao anatin'ilay antsafa. Nesorina tao amin'ny The New Times ilay tantara taty aoriana.

Araky ny nosoratan'ny toniandahatsoratra ao amin'ny The New Times tao amin'ny Facebook taorian'izay:

Путин публично говорит о том, что тысячи россиян воюют за ИГ, а писать о мотивах, почему русский парень из Калуги принимает ислам и уезжает воевать в Сирию — это „признаки оправдания терроризма“! По мне так это классическая цензура, которая запрещена Конституцией.

Niteny imasombahoaka i Putin fa Rosiana an'arivony no miady ho an'ny Fanjakan Islamika, fa manoratra momba ny antony, maninona ny ankizy lahy Rosiana avy ao Kaluga manaiky ny Silamo ary mandeha miady any Siria no hoe “famantarana manamarina fampihorohoroana”! Tsapako ity sivana mahazatra ity, izay voararan'ny Lalàmpanorenana.

Tsy faran'ny olan'i Nikulin akory ilay fisavàna, araky ny navoakan'ny mpiaramiasa aminy teo amin'ny Twitter taty aoriana:

Nentin-dry zareo fotsiny ho alaina am-bavany i Pavel Nikulin, ary hijereny ny fandehan'ny zava-drehetra aorian'ilay fisavàna. Mazava avy hatrany fa niezaka mihisty izy ireo nanao anio! Nandany 8 ora izy ireo. Naka kahie solosaina telo, finday iray, atontan-taratasy, ny olana rehetran'ny moloko plus, ireo akanjo ambony fohy tanana, pins, ary peta-drindrina.

Vao niparitaka ny vaovaon'ny fitazonana azy, namoaka fanambarana manohatra ilay hetsika ny Sendikàn'ireo Mpanao Gazety sy ny Mpiasan'ny Fampahalalam-Baovao ary mangataka ny famotsorana azy sy hanajanonana ny filam-baniny atao amin'ny mpanao gazety:

Ry namana isany, ito misy fanambarana avy amin'ny Sendikàn'ireo Mpanao Gazety tsy miankina sy ny Vondronan'ny Mpiasam-Baovao momba ny raharahan'i Pavel Nikulin. Avoakanay eto mba ho afaka hitan'ny rehetra 🙂

Nanomboka nazava taty aoriana fa tsy nohadihadiana teo ambanin'ny Andininy 205.3 i Nikulin, fa tahaky ny vavolombelonan'ny fanofanana mpampihorohoro. Taorinan'ny 2 ora naha-tao amin'ny fonjan'ny FSB azy, nanoratra teo amin'ny Telegram i Pavel ” afaka aho”

Nolazainy tamin'ny Mediazona taty aoriana, tranonkalam-baovao tsy miankina izay mifantoka amin'ny fandrakofana momba ny rafitra fitsarana sy fonja ao Rosia:

Мы за 15 минут отстрелялись по 51-й [статье Конституции], и дальше мне было велено завести новую симку, связаться с калужским управлением ФСБ и договориться, когда я приду на допрос. Возможно, мне уже на допросе отдадут большую часть вещей, но компы они дольше всего будут отдавать.

Fahefatr'adiny no laninay mba hamitàna azy io vantany vao navoitrajo ny Andininy 51 [Antoka ao amin'ny lalàmpanorenana manohitra ny fanerena olona hijoro vavolombelona hamely ny tenany], ary avy eo aho nilazàna hividy karatra SIM vaovao, hifandray amin'ny Talen'ny FSB ao an-toerana ary hametraka famintinana manaraka ny fitsipika. Nanantena ny fiverenan'ny entako aho avy eo, saingy azo antoka fa hogiazan-dry zareo ela ela any ny solosainako.

Na fitsapana somary fohy aza izy iny, porofon'ny tsindry matetika iaretan'ireo Rosianina mpanao gazety izao karazana fifaneraserana tsy nisy fandranitana toy izao. Ny fankanesana any an-tranon'ny mpanao gazety iray ary mitazona azy volana maromaro aty aoriana dia milaza tsy fahaizana lehibe amin'ny fanadihadiana heloka bevava na sotasota tsy anatin'ny lalàna tsotra izao. Tsy misy ahafahana milaza zavatra tsara momba ny andraikitrin'ny Governemanta ao Rosia ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.