Makaô: Ireo Fihobiana Masiatsiaka Mandritra Ny Matson'ny Fanilo Olaimpika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)
Global Voices Olympics 2460895787_a5640c1db5.jpgSary avy amin'ny flickr an'i Tori birdie

Tsy toy ny tany amin'ireo firenena hafa nolalovany, tsiky fotsiny no azon'ny Fanilo Olaimpika androany tao Makaô, ny dingany farany mialoha an'i Shina Tanibe. Efa nahavita nitondra ny Fanilo manerana ny tanàna tsy nisy mpanakantsakana ireo mpihazakazaka. Mifanohitra amin'izay kosa, tamin'ny alalan'ny fanofahofana ireo saina dia tena notehafan'ireo mpijery ilay izy, mpitazana izay zara raha nahafehy ny fientenentanan-dry zareo arakaraky  ny nitetezan'ilay fanilo an'ity zanatany Portiogey teo aloha ity, naverina ho ambany fifehezan'ny Shnoa tamin'ny taona 1999. Manao tatitra feno i Leocardo [pt] fa:

2461731632_332fd65067.jpgSary avy amin'ny flickr an'i Tori birdie

Passavam 44 minutos das 15 horas quando o Chefe do Executivo Edmund Ho entregou a tocha olímpica ao primeiro transportador; Leong Hong Man, atleta de Wushu, era o primeiro a transportar a chama olímpica em Macau. Ainda na Doca dos Pescadores entrgou-a ao bilionário Stanley Ho, que apesar de ter dado apenas alguns passos, mostrou-se extremamente bem disposto e cheio de fervor patriótico, e afirmou que pelo seu país transportaria a tocha “até ao fim do mundo”.

Ny maraina tokony ho tamin'ny 3ora sy 44 minitra teo, raha natolotry ny Filoha Mpanatanteraka Edmund Hotoa ny fanilo Olaimpika ho amin'i Leong Hong Man, mpihazakazaka voalohany, atleta mpiangaly Wushu no nitondra voalohany ny fanilo nankao Makaô. Teo amoron-tseranana Doca dos Pescadores’ hatrany, nomeny an'i Stanley Ho, ilay mpanankarena io, izay na nahavita ireo dingana vitsivitsy aza, dia nahavita nanaporofo fa niomana tsara mihitsy ary tena feno fitiavan-tanindrazana, ary niteny fa noho ny amin'ny fireneny entiny ny fanilo “ho an'ny amin'ny faran'ny tany.”

2461722598_c78b1754c1.jpgSary avy amin'i flickr an'i Tori birdie

Entre as personalidades convidadas para transportar a tocha destacaram-se Costa Antunes, director dos Serviços de Turismo, Jorge Neto Valente, presidente da Associação dos Advogados de Macau ou Paula Carion, atleta de judo medalhada nos últimos Jogos Asiáticos. A cantora de Hong Kong Miriam Yeung, que esteve na base de uma polémica que levou ao afastamento do deputado José Pereira Coutinho, usou os seus 30 segundos para gritar “yeah! yeah!” enquanto sacudia o punho esquerdo.

Anisany tamin'ireo olo-malaza nasaina hitondra ny fanilo, nisongadina indrindra ry Costa Antunes, ny talen'ny Biraon'ny Fizahantany, Jorge Neto Valente, filohan'ny Fikambanan'ny Mpisolovava ao Makaô, na Paula Carion, atleta mpanao judo efa nahazo loka tamin'ireo Lalao Aziatika farany. Ilay mpihira avy any Hong Kong, Miriam Yeung, izay fototry ny resabe nahatonga ny fanilihana an'i M. José Pereira Coutinho, dia nampiasa ny 30 segondrany mba hihorahana ny “yeah! yeah!” rehefa nanetsiketsika ny totohondriny havia.

2460939327_a62c394b90.jpgSary avy amin'i flickr an'i H.L.Tam

Foi um lugar comum. Todos sorriam para ficar bem na fotografia e mandavam adeuzinhos enquanto seguravam na tocha. O ar mais grave terá sido o de Leong Heng Teng, que levou a tocha de volta à Doca dos Pescadores e terminou a relay de Macau. Devido a uns atrasos “à portuguesa” (herança cultural?) a tocha nunca chegou a passar pelo Leal Senado. Não se sabe se desta vez os comerciantes da Av. Almeida Ribeiro alegaram transtorno para o comércio (sou tão mauzinho, não sou?) para que se dispensasse a passagem pela principal artéria do território.

Fandre andavanandro izany. Nihomehy ny rehetra mba ho tsara rehefa ao anaty sary ary nanofahofa ny veloma veloma rehefa nitazona ny fanilo. Ny tena endrika matotra dia ny an'i Leong Heng Teng, izay nitondra ny fanilo nankany amin'ny moron-tseranan'i Doca dos Pescadores ary namarana ilay hazakazaka nifampitohy tao Makaô. Noho ireo fahataràna sasantsasany “amin'ny fomba Pôrtiogey” (lova ara-kolotsaina ve?), tsy nandalo velively ny tranoben'ny Leal senado (Loyal Senate) ny fanilo. Tsy fantatra ireo mpivarotra teo amin'ny Avenue Almeida Ribeiro raha hitaraina ny lafy ratsiny tamin'ireo raharaha amin'ity indray mitoraka ity (tsy ratsy saina aho, moa tsy izany ve?) nidika fa tsy nandalo namakivaky ilay lalamben'ny renivohitra ilay fanilo.

2460982927_c955015300.jpgSary avy amin'i flickr-n'i H.L.Tam

Milhares de residentes saíram à rua, juntando-se a eles os turistas, muitos deles vindos da China Continental. A generalidade – mesmo os ocidentais – parece concordar com a ideia de que as reivindicações dos manifestantes deviam ser feita em sede própria, e longe, portanto, do evento da passagem da tocha olímpica. Um grupo de cristãos filipinos (Jesus Rocks?) juntou-se à festa para “abençoar os Jogos”, segundo eles.

An'arivony maro ireo mponina no nidina an-dalambe, nanaraka an'ireo mpizahatany, maro tamin'izy ireo no avy any amin'ny Tanibe Shina. Ny vahoaka – eny fa na ireo Tandrefana aza – dia toa samy manaiky avy hatrany ny hevitra hoe tokoy ho eny amin'ny toerana azy ireo manokana no atao ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ary, araka izany, lavitry ny hetsika manodidina ny Afo Olaimpika. Andiana Filipiana kristianina (Jesus Rocks?) no nanatevin-daharana ny lanonana mba “hitso-drano ireo Lalao”, araka ny voalazan'izy ireo.

2461806298_0e5abeb0c2.jpgSary avy amin'i flickr an'i H.L.Tam

A tocha olímpica passou hoje por Macau pela primeira vez na História, e provavelmente a última, pelo menos em muitos anos. A passagem foi pacífica e sem qualquer tipo de incidentes semelhantes aos que aconteceram noutras etapas da passagem do fogo Olímpico, o que leva a questionar o tremendo aparato de segurança que se verificou. Aparentemente Macau não está na agenda dos apoiantes da causa tibetana, e os activistas de sofá ficaram em casa a ver pela TV.

Sambany teo amin'ny tantara no nandalo an'i Makaô ny Fanilo Olaimpika, ary angamba ho ny farany farafaharatsiny tao anatin'ireo taona marobe. Nizotra ampilaminana ny fampitàna fanilo ary tsy nisy fanohintohinana tahàka izay nitranga tamin'ny fitondrana an-tongotra ny fanilo olaimpika tany an-kafa, izay mitondra anay hanontany tena mikasika ilay fitaovana fiambenana goavambe napetraka tao an-toerana. Raha ny fahitana azy,  tsy tao anaty fandaharampotoana mikasika ireo mpanohana ny tolona Tibetàna i Makaô, ary ireo nijanona tany an-tranony nijery tamin'ny fahitalavitra ireo mpikatroka mpanao ariary zato am-pandriana.

2460988149_4861b970fa.jpgSary avy amin'i flickr an'i H.L.Tam

Ankehitriny, tafaverina ao amin'ny Tanibe Shina ny fanilo, toerana izay hitohizan'ny fifamindrana mankany Beijing ho an'ireo Lalao Olaimpika ny 8-24 Aogositra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.