- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast: Atoa Brown Avy Any Singapaoro

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 7 Jona 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanana fifanakalozan-kevitra feno tsikanikany niaraka tamin'ilay “enfant terrible” , Lee Kin Mun, na i Atoa.Brown [1] any Singapaoro aho.

Ny lohahevitra dia ny hoe: Ahoana ny fomba nanombohany [2] ny Tsikombakomba Singaporeana Lehibe [3] , ny fihaonamben'ny bilaogera ” Singlish [4] ,” (ny teny Anglisy no iray amin'ireo fiteny miisa 4 ofisialy any Singapaoro miaraka amin'ny Shinoa Mandarin, Tamil ary Malay, saingy tia mampifandray izany rehetra izany miaraka amin'ny fiteninm-paritra maromaro hafa toy ny Hokkien sy ny Kantonezy ny mponina ao an-toerana), ny rakipeony [5] izay matetika kentsokentsona sy tsy manaja, ny fikasany handefa ny rakipeo Star Wars amin'ny teny Singlish [6] miaraka amin'ilay mitondra endrika masiaka iray hafa, Mystery Tan Lines [7] . Ankoatra ny hadalàna, dia manontany lava momba ny sivana sy ny fanivan-tena, ny fanakatonana [8] ny bilaogy AcidFlask [9], ary ny fomba nanovan'ny bilaogy ny tontolon'ny haino fampitam-baovao tany Singapaoro tamin'ny fomba tsy azo nosakanana ihany koa i mr.brown.

Ny hafatro lehibe indrindra? Tsy voatery ho matotra foana ianao handresena lahatra ny olona!

Henoy eto [10]! (mp3, 35 minitra, 30MB)