- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Emoji “Steups” ihany i Trinidad & Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka
[1]

Ny emoji nandrasana hatry ny ela “steups (maneho fianjonana)”, namboarin'ilay mpaka sary Trinidadiana, Sarita Rampersad, nozarainy tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny fanasana ny mpiserasera mba hampiasa izany.

Fotoana vitsy taty aoriana, nientanetana ireo mpampiasa media sosialy avy ao Trinidad sy Tobago – ary angamba koa ny mpiserasera manerana ny faritra  [2]noho ny bokotra “steups” ao amin'ny Facebook [3].

Inona marina no atao hoe steups [4]? Raha tsorina, dia feo mitranga izany rehefa misintona rivotra manoloana ny nifinao ianao ary miaraka amin'ny endrika sorena – miaraka amin'ny molotra halavaina sy maso ahodina – ho fanehoana tsy fankasitrahana, fanakianana na fanoherana.

Araka ny fitomboany na ny hamafisin'ny steups no mahatezitra ilay olona, raha jerena ny habetsahan’ [5] ny lohahevitra [6] izay matetika mahatonga ireo mpampiasa Facebook mitsetsitra ny nifin'izy ireo [7], zava-dehibe ny filàna emoji “steups”.

Nisy ny fanantenana marobe fa ho tonga any amin'ny Facebook amin'ny alalan'i Maxine Williams [8], lehiben'ny Fahasamihafana ao amin'ny orinasa, sady Trinidadiana nanome fampianarana misokatra [9]tao amin'ny anjerimanontolon'i St. Augustine, ao West Indies (Antilles) tamin'ny taona lasa teo momba ny lohahevitra “Media Sosialy sy ny Fananganana Vondrom-piarahamonina Manerantany” ny fangatahana.

Nandefa [7] momba ny traikefa i   [7]Williams:

Lovely evening at the University of the West Indies, St. Augustine Trinidad campus. It's a special treat to be on home turf, with folks who raised you up, sharing the common understanding that the choice is not a binary one of ‘local’ versus ‘global’. We can think global and act local with the benefit of everything the world has to offer through connectivity and social connection.

Harivariva mahafinaritra tao amin'ny Oniversiten'i West Indies, tobi-pianarana ao St. Augustine Trinidad. Fahafinaretana manokana ny tao an-trano, miaraka amin'ireo vahoaka nanandratra anao, mizara ny fahatsapana iraisana fa tsy roa fototra ifanandrinan'ny ao an-toerana/manerantany’ ny safidy. Afaka mieritreritra manerantany isika ary manatanteraka ao an-toerana amin'ny fisitrahana tombotsoa omen'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fampifandraisana sy ny fifandraisana ara-tsosialy.

Ary angamba ao anatin'izany ny fahamehan'ny emoji “steups”. Raha momba ny fifandraisana ara-tsosialy no resahana, matetika te-hametraka marika manokana ao amin'ny fifandraisana amin'ny aterineto amin'ny alàlan'ny “steups” virtoaly ny mpiserasera Karaiba.

Taorian'ny tranga, mpiserasera Facebook iray farafahakeliny no nitatitra fa nanambara tamin'i Williams ny fangatahana emoji “steups” izy – ka na dia manamarika ny herintaona nanaovan'i Williams ny fampianarana aza ny volana Aprily 2018, mety mbola ho avy amin'izany ny goavan'ny tambajotra sosialy.

Na izany aza, nanapa-kevitra ilay mpaka sary Sarita Rampersad [10], mpisera Facebook mavitrika fa efa ela ny Trinbagoniana no niandry: namorona emoji “steups” izy  [1]ary namoaka izany tao amin'ny pejiny Facebook miaraka amin'ny fanehoan-kevitra toy izao:

Yuh welcome FB.
Feel free to teef 🙂

Tongasoa ianao, Facebook.
Aza misalasala mangalatra/mampiasa.

Hatramin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nahasarika “tiako” maherin'ny 150 ny lahatsorany, ary in-65 nozaraina. Tena nankasitraka ireo mpaneho hevitra, nanamafy [11] fa mikasa ny hampiasa ny sary izy ireo rehefa maneho hevitra an-tserasera.

Colin Hamilton nanampy hoe [12]:

The roll of the eyes give it emphasis ….??

Manamafy izany ny manodidina ny maso

Anne Fung nanampy hoe [13]:

Wish u could put some sound to it!! True Trini lips!!

Maniry anao mba afaka mametraka feo amin'izany! Molotra Trini tena izy!!

Mpisera Facebook nankasitraka, Rhoda Bharath nanondro izany ho toy ny loka ambony indrindra an'i Trinidad sy Tobago ary namazivazy hoe [14]

Order of the Republic for you, oui.

Baikon'ny Repoblika ho anao, eny.

Raha nanontany [15] an'i Rampersad ny mpaneho hevitra iray hoe mikasa ny hiaro ny fananana ara-tsaina amin'ny emoji “steups” ve izy?, namaly [16] izy hoe:

Lol it’s a public service!

Tpt, ho an'ny daholobe izany!