Lahatsary: Fahaizana Mamorona Ho Fiatrehana Ny Krizin-drano

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)


Tamin'ireo loza voajanahary roa tena vao haingana tsaroana: ny rivodoza tao Myanmar sy ny horohorontany tany Sichuan, Shina, niverina tao anaty adihevitra ny olana mikasika ny famatsiana rano madio sy ny rano fisotro ho an'ireo vahoaka mila izany. Eo ambany, ireo lahatsary marobe izay manolotra vahaolana samihafa mba hahazoana rano madio na fara-faharatsiny fomba mora ho an'ireo olona hisotroana rano mahasalama.

Manana fototra voarakotra ireo vahaolana ireo: fandavahana tsara sy rano mba hitandroana ny fahasalamana ary fahadiovana aorian'ireo zavatra maika, PlayPump iray sy fasiana rano Q-Drum iray azo taritaritina mikodiadia mba hitaterana rano: avy any anaty tany na avy any lavitra any, ary fitaovana fitantavanana mampiasa fasika “Bio-Sand Filter” sy bisikilety fanadiovana mba hahatonga io rano taterin-dry zareo io ho rano madio sy azo sotroina ary ampiasaina.

Voalohany indrindra, avy ao Sodàna Atsimo, Lahatsarim-Baovao iray izay miresaka ireo fanamby atrehan'ny tetikasa Rano ho an'i Sodàna mba hanamboarana sy hikarakaràna ireo lavadrano any amin'ireo faritra ambanivohitra ao amin'io toerana mahantra io sy ny antony tsy irahahrahàna ny hamafin'ny hanombohana sy hitantanana izany, satria amin'ny farany, hisy vokany avokoa ireo ezaka rehetra.

Avy eo, avy any Pakistàna, nanapaka hevitra ny hanampy ireo vondrom-piarahamonina izay tena very fananana ny Action Against Hunger (Hetsika Hanoherana ny Hanoanana) mba hahazoana miandàlana ny fahatokisan'izy ireo ny hoavy mamiratra, amin'ny alalan'ny fampidirana rano madio ao anatin'ny drafitr'izy ireo. Ny lahatsary manaraka avy amin'ny Dogooder.tv:

Tetikasa vitsivitsy izay manamora ny fitaterana rano miala amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana iray. Ny voalohany, ny amponga Q izay tavoahangy mihodinkodina afaka entina amin'ny tady. Ny faharoa, paompy kilalao iray izay manosika ny rano ao anaty fitehirizan-drano milevina, ho ao anaty fitehirizan-drano ety ambony raha sady milalao ireo ankizy, ary maodelinà bisikilety izay manadio rano eny am-pitaingenana azy.

Ilay maodelinà bisikilety mpanadio/fitanterana rano, afaka jerena ao amin'ny 1:00.

Ao anatin'ireo faritra fanadiovana rano, azontsika jerena ny fomba fiasan'ilay fanivànana rano “Bio-Sand”, avy amin'ny Hetsika anoherana ny Hanoanana ihany koa:

Mampahafantatra vokatra iray hafa ho fanadiovana rano amin'ny vilany tanimanga mitovy amin'izany ny Potters for Peace, izay manofana ireo mpanao asatanana eo an-toerana, mba hanamboatra ireo vilany tanimanga izay azo ampiasaina hanatsihifana rano. Afaka jerena ato sy ato ireo toromarika feno amin'ny fanamboarana ireo vilany sy ireo fanivanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.