- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tajikistan: Ny Herin'ny Fosafosa

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)

Vao haingana, nalefan'ny tranonkala Ozbeky, UzMetronom, ireo vaovao mikasika ny mety nahatonga ny fahafatesan'i Hasan Sadulloev, zaodahin'i Rahmon, filoham-pirenena Tajik. Heverina ho iray amin'ireo olona tena manankarena sy matanjaka indrindra ao Tajikistan amin'izao fotoana izao i Hasan. Araka ny voalazan'ny tranonkala, notifirin'ny zana-drahalahiny i Hasan ny 2 May ary maty tao amin'ny hopitaly Alemàna tamin'ny 8 May. Nangonin'ireo masoivoho mpilaza vaovao maro hafa ary avy eo ireo blaogera io vaovao io. Nandritra ny herinandro roa farany, io no iray amin'ireo lohahevitra lehibe tao amin'ny fiarahamonina Tajik. Na izany aza, mbola mijanona ho honohono foana io ary tsy misy olona afaka mijoro manamarina na tsia azy io.

Liana te-hahazo vaovao momba io tantara io avokoa ny olona rehetra. Lazain'i Tojvar fa i Hasan no olo-malaza indrindra tao Tajikistan :

Olona an'arivony isanandro no mitady vaovao mikasika azy ary miady hevitra amin'ny antony mety nahatonga ny fahafatesany. Marobe ireo media manana lahatsoratra vonona miaraka amin'ireo hevitra samihafa sy ireo tranga samihafa, samy manisa andro miandry izay haha-marina na tsia ireo honohono.

Ampifanohizin'i Ian ao amin'ny Beyond the River amin'ny fandraharahàny ny tantaran'i Hasan, izay ny ampahany tena mampidi-bola indrindra amin'io dia ny Talco, orinasa fandrendrehana alimo:

Mitanisa an'ireo mpiasa tsy mivadi-pitokisana izay nanamafy fa nahita azy “vao antsasakadiny izay” ny RFE/RL ary “misaotra an'Andrimanitra, fa salama tsara izy”. Na izany aza, tsy nisy marim-pamantarana ho an'ny rehetra mikasika azy ary tsy niaraka tamin'i Rahmon tany Kazakhstan izy, ary koa voalohany tamin'ity taona ity izy no tsy nanatrika ny matso nandritra ny Andron'ny Fandresena.

Tao anaty lahatsoratra hafa, manohy ny fijerena an'io tantara io i Ian tamin'ny alalan'ny fandikana ireo famintinan-dahatsoratra avy amin'ny fiteny Andesha, ary nanandrana nampiseho ireo karazana adihevitra mety ho eo an-databatry ny lakozia manerana an'i Tajikistan manontolo:

Tsy mino an'ireo tantara ireo aho, nefa manana fanontaniana vitsivitsy. Nahoana no sambany tsy nanatrika ny 9 May fankalazana ny tantaran'ny fahaleovantenan'ny firenentsika i Rahmon. Nahoana i Hassan Sadullayev no tsy nandeha tany Kazakhstan niaraka tamin'i Rahmon? Nahoana ny fanjakana no tsy nanandrana nandiso ireo honohono tamin'ny alalan'ny fampisehoana tamin'ny vahoaka ny vatana salamn'i Sadullayev?

Taterin [1]‘i Srasov, mpanao gazety iray avy ao Kazakhstan [ru] tao anaty bilaoginy fa mety ho “hosoka” ireo vaovao mikasika ny mety ho famonoana an'i Hassan mba tsy hanomezan-danja ny fitsidihana nataon'i Rahmon tany Kazakhstan.

Koa satria namariniko tany amin'ny Masoivohon'i Tadjikistan [tao Kazakhstan] io, vaovao tsy marina io, nalefan'ireo “fahavalon'ny filoha” tamin'ny aterineto, mikendry ny hanimbana ny lazany. Tsy misy ifandraisany amin'ny tena zava-misy, hoy izy ireo.

Miteny ihany koa ny neweurasia [2] fa tena mety “hosoka” io hikendrena hanakorontanana ny toe-draharaha ara-politika eo amin'ny firenena. Tsy manana porofo mazava ny mpanoratra, fa miankina amin'ireo adihevitra nifanaovany tamin'ireo namany sy ireo mpiara-miasa aminy.

Manantena aho fa velona i Hasan, satria ny fahafatesan'ny olona toa izany dia tsy mijanona ho tsy misy vokany. Mihevitra aho fa nalefa io vaovao io hanoherana ireo vaovao mikasika ny Talco sy ireo saran'ny fitsaràna mba hanakorontanana ny toe-draharaha ara-politika eo amin'ny firenena. Koa satria i Hasan no iray amin'ireo foto-dresaka amin'io raharaham-pitsaràna io, ho fivoy mahomby indrindra amin'ny fanakorontanana ara-politika ny tantaran'ny fahafatesany.

Raha toa hita fa diso ilay fosafosa, io no mety ho “lainga malazan'ny taona”, hoy ireo media rehetra ao Tajikistan.

Nalefa ihany koa tao amin'ny neweurasia [2].