- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: 26 Aprily 2008, Andro Mahazatra No Sady Andro Manokana

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)
baseballSary an'i Alhorn [1].

Ny 26 Aprily 2008 dia tokony ho andro mahazatra, tsy misy afa-tsy izay. Nefa, tamin'ity volana Martsa ity, nanamarika hetsika 24ora natao hakàna sary tamin'ny taona 1992 i Wenwei [2], ary ny 26 Aprily 2008 i Yangphoto [3] nanapa-kevitra ny hanangana bilaogy natao handefasana sary mandritry 24 ora mitohy.

照片具有歷史意義
影像能表達生命力
相機掌握在你手上
按下生命感動的快門

Afaka manampy antsika hitadidy ny tantarantsika ny sary.
Afaka mampatsiahy ny fahavelomantsika ny sary.
Rehefa mitazona ny fakantsarinao ianao,
Tsindrio eo amin'ny bokotra fanapihana mba handraiketana ireo fotoana tena nampihetsi-po indrindra teo amin'ny fiainanao.

Ho valin [4]‘io antso io,

來自台灣各個角落的一百九十位攝影者在當天拿起相機,按下快門,接力記錄台灣的24小時。
這些照片與連結將在今天(5月5日)在網路部落格 [5]完整呈現….

Mpaka sary miisa 190 manerana an'i Taïwan no nandray ny fakantsarin'izy ireo ary nanindry ny bokotra fakàna sary mba hanao fandraiketana ny 24 ora tao Taïwan. Ny 5 May ,alefa amin’ ity blaogy ity [5] ireo sary sy ireo rohy ireo.

00:00-07:00 [6]: Olona mamita ny asa omaly, olona miomana ho amin'ny andro vaovao, ary olona manohana ireo andiany roa teo aloha.
07:00-11:00 [7]: Olona andalam-pisakafoanana maraina, olona manomboka miasa, ary olona mahazo andro fialàna sasatra
11:00-15:00 [8]: Ireo tanora sy ireo saka mifoha ary mivenjivenjy manodidina, olona manohy miasa ary olona eo ampanatrehana hetsika
15:00-17:00 [9]: olona manohy miasa, olona eo ampilalaovana ary olona maromaro kokoa milalao.
16:54-21:00 [10]: Olona miaraka amin'ny ankohonany, olona miaraka amin'ireo namany, olona andeha miaraka amin'ny tenany ihany, ary olona mitondra sakafo.
21:00-24:00 [11]: Olona manohy miasa, olona mody, ary olona miezaka mitady ny fonenany.

Niteny i Yangphoto [6] hoe:

而從這些照片來看,參與這次活動有媒體的攝影記者、高度使用網路部落格的學生、為人師表的老師、一般的市井小民…等[…]容或影像水準不一,容或是負面的台灣,但他們真實呈現了所看到的台灣。

Avy amin'ireo sary ireo, azontsika jerena hoe iza no nanjohy an'io hetsika io: ireo mpakasary miasa ao anaty indostrian'ny fampahalalam-baovao, ireo mpianatra izay manao blaogy matetika, ireo mpanabe, ary ireo olona mahazatra. […] Mety tsy mitovy ny hatsaran'ireo sary ireo, ary mety mampatsiahy ny lafy ratsiny amin'i Taïwan ny ankamaroan'izy ireo, saingy mampiseho izy ireo hoe ahoana marina i Taïwan.

Niteny i Wenwei [2] fa io karazana hetsika io dia afaka

使在台灣的每一人有命運共同體的體認。

manao izay hahatsapan'ireo mponina tsirairay ao Taïwan fa miara-miaina isika.

Manantena koa izy fa amin'ny hoavy isika afaka hanana

台灣企業的24小時、台灣勞工的24小時、台灣婦女的24小時.

24-ora fandraiketana mikasika ireo orinasa ao Taïwan, ireo asa ao Taïwan, ary ireo vehivavy ao Taïwan

Misy ihany koa lahatsary iray ahitana sary vitsivitsy amin'ity hetsika ity ao amin'ny youtube (nakarin'ny ohho0625):