- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast: Ilay Mpandresy Tamin'ny Bilaogin'ny Fahalalahana Jeff Ooi

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 16 Jona 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy ny fanolorana ny antsafa natao tamin'ny alàlan'ny Skype na ny fifanakalozan-kevitra antsearsera niaraka tamin'ireo mpandresy tamin'ny Lokan'ny Bilaogin'ny Fahalalahana [1] RSF.

(Nilaina ny fanampiana avy amin'ireo bilaogera hafa niresaka tamin'ny mpandray anjara izay tsy miteny Anglisy.)

Niarahana tamin'i Jeff Ooi [1] avy any Malezia ny antsafa voalohany. Namoaka ny “fisedrana mafy” ho an'ireo manampahefana afa-po amin'ny tenany ao amin'ny governemanta ao Malezia nitsoaka ny fampahalalam-baovao mahazatra Maleziana moramora ny blaoginy malaza Screenshots [2] .

Henoy ato i Jeff Ooi [3] . (30minutes, 14 MB)

Raha mila fanampim-baovao momba an'i Jeff, jereo ny resadresaka antserasera IRC [4] niarahana taminy sy ny bilaogera iray hafa, Mack Zulkifli, tamin'ny volana Martsa. Tonga tao amin'ny fihaonamben'ny Global Voices tamin'ny volana Desambra izy ary tena nanome aingam-panahy ho anay rehetra. Azonao atao ny mamaky bebe kokoa momba izany eto [5] io sy mihaino izany eto (MP3) [6] .