- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Colombia: Mahavita Lahatsary Iray Isan'andro Ireo Bilaogeran-dahatsary Tamin'ny Taona 2010

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny faran'ny taona 2009, nisy hetsika iray mahaliana tao Kolombia, raha nanolo-kevitra i Juan Falla [1], bilaogera mpamoaka horonantsary fa mamorona lahatsary iray isan'andro mandritra ny taona 2010 ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina bilaogin-dahatsary. Nampahafantarina tamin'ny alalan'ny vondrona Google antsoina hoe Vlogolombia / Mpamokatra Lahatsary Ao Kolombia [es] [2] ny hevitra ary nahazo valiny avy hatrany. Maro ireo nanatevin-daharana ilay tetikasa, ka manome aina ny dingana.

OccioTV [es] [3], gazetiboky nomerika natokana ho an'ny fampiofanana amin'ny alalan'ny horonantsary, manoratra momba ny fizotran'ny andro voalohany amin'ny taona [4]:

Algunos vloguers colombianos tomaron la iniciativa de realizar un videoblog todos los dias hasta que se termine el 2010, osea 365 post en el año, lo anterior nació de la iniciativa de @juanfallaesp a la que se unieron @alejandroangel, @albornoz, @fabricadecosas, @cafeycassette y por último la pareja femenina de @ErikaPao y @Luisasantiaga, hasta el cierre de la entrada no conocemos de ninguno más…

Nisy ireo bilaogera sasany mpamoaka lahatsary izay nandray anjara tamin'ny hetsika ka nanao bilaogin-dahatsary isan'andro mandra-pahatapitry ny taona 2010, amin'ny teny hafa, votoaty 365 mandritra ny taona, ary natombok'i @@juanfallaesp [5]. Avy eo narahan'i @alejandroangel [6], @albornoz [7], @fabricadecosas [8], @cafeycassette [9], ary koa vehivavy roa @ErikaPao [10] sy   @Luisasantiago [11], ary tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsarotra, tsy fantatray ireo hafa nandray anjara ihany koa…

Nisy fiantraikany tahaka izany teo amin'ny tetikasa ka manazava ao amin'ny Twitter ankehitriny [12] i Ana Valleja, izay tsy nandray anjara tamin'ny tetikasa voalohany fa te handray anjara izy. Nampiditra ny lahatsariny voalohany antsoina hoe Mandehandeha amin'ny Fahrenheit 451 izy  [13]no sady mamaky andalana fohy avy amin'ny bokin'i Ray Bradbury.

Nanampy teny vitsy tao amin'ny bilaoginy mikasika ny lahatsary ihany koa izy:

A veces se puede viajar sentada en una silla. Con un libro en la mano. Y puedo que el cliche ya este muy usado, pero tener un libro en mi cabeza palabra tras palabra, es de los mejores viajes, películas, rumores en los que anda mi cabeza cuando tengo una historia en la punta de mi lengua, en las neuronas de mi cabeza. Fahrenheit 451, un viaje por un mundo no ya tan imaginario, donde los libros son tan peligrosos, que los bomberos en vez de apagar incendios, incendian libros, para proteger al hombre moderno de esas historias que los transportan a otros mundos posibles, a unas ideas peligrosas, llenas de bellezas o revoluciones.

Indraindray, afaka mivezivezy ny olona sady mipetraka ambony seza. Boky an-tanana. Mety ho pikantsary nampiasaina imbetsaka izany, saingy mba hananana boky an-tsaina, teny aorian'ny asa, no fitsangantsanganana na horonantsarimihetsika tsara indrindra, sion-dresaka miely ato an-tsaiko rehefa eo amin'ny tendron'ny lelako, ao amin'ny hozatry ny atidohako ilay tantara. Fahrenheit 451, ilay dia manavatsava ilay tsy tena tontolo an'eritreritra, toerana mampidi-doza kokoa ny boky ka mahatonga ireo mpamono afo, raha tokony hamono ny afo, dia mandoro boky hiarovana ilay olona maoderina amin'ny tontolo hafa mety hisy, amin'ny hevitra mampidi-doza, mahafinaritra na revolisionera.

Mitsangana ao Colombia ankehitriny ny bilaogeran-dahatsary mamoaka lahatsary iray isanandro mandritra ny taona. Mampiditra ny heviny ireo mpandray anjara sy mpanjohy mba hanampy amin'ny fikarakarana ny dingana. Alejandro Angel  manoratra fa tokony hampiasa ny tenirohy #vlog365 ny mpandray anjara sy ny mpanjohy [14]:

Ka ny fanontaniana dia: ho taona ho an'ny bilaogin-dahatsary ao Kolombia ve ny taona 2010? Efa nandefa ny teny fampaherezana voalohany [15] ny mpampiasa twitter toa an'i Mauricio Gonzalez (@mauricioweb):

Ánimo @Luisasantiaga @ErikaPao @alejandroangel hay que ser un berraco y tener mucha pasión para sacar adelante 365 videos al año. #vlog365

Fankaherezana ho an'i @Luisasantiaga [11] @ErikaPao [10] @alejandroangel [6], tsy maintsy be herim-po sy manana fientanam-po be vao afaka manao horonan-tsary 365 ao anatin'ny taona.

Ho an'ireo maniry hahita ohatra hafa amin'ny horonantsary avy amin'ny Vlog 365, mampiseho dia vao haingana manerana ny araben'i Ciudad Bolívar amin'ny môtô mba hividy ny sasany amin'ireo empanadas tiany indrindra [16] ity horonantsary vao haingana avy amin'i Juan David Escobar, iray amin'ireo bilaogeran-dahatsary manao horonantsary iray isan'andro.

Dikan-teny avy amin'i Eduardo Ávila