- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: Sivana Ataon-tena, Nofafan'ny YouTube Ny Lahatsary Miantso Fanoherana Mpanjaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Miasa tsara ny sivana ataon-tena ao amin'ny YouTube – mangingina. Omaly, nanao tatitra iray mikasika ny fanivànana lahatsary mangingina, izay azo jerena manerana izao tontolo izao, afa-tsy ao Thailandy irery ihany, ny mpanao sonia avy amin'ny FACT [1].

Nanomboka hatramin'ny fifanarahana tamin'ny taona lasa niaraka tamin'ny Minisitry ny Fampahalalambaovao sy Serasera ary Teknolojia ao Thailandy, nanaiky ny hanivana [2] ireo lahatsary rehetra heverina ho manohintohina ny vahoaka Thai ny mpitantana ny YouTube na koa ireo izay mandika ny lalàna ao Thailandy. Amin'ny teny hafa, hanivana ny tenany ihany ny YouTube, mba tsy ho voasakan'ny minisitera indray [3] ny tranonkala.

Rehefa manandrana miditra amin'ny rohy voalazan'ny tatitra ireo mpampiasa aterineto tao Thailandy, http://youtube.com/watch?v=70m1ncXQjXA [4], ity hafatra ity no hitan'izy ireo:

Tsy azo raisina ao amin'ny firenenao ity lahatsary ity

Lahatsary iray manohitra ny lalàna momba ny faniratsiràna mpanjaka izy io, izay ahitana kisarisary kely fanehoana ny mpanjaka sy ny sainam-pirenena thailandey, ny hiran'ny mpanjaka no natao feonkira lafika, ary eny anelanelan'ireo sary, misy lahatsary fohy sy ireto hafatra manaraka ireto anaty lafika miloko mainty sy mavo:

Mpanao didy jadona ny Mpanjaka Bhumibol Adulyadej.

Alefany any am-ponja ireo olona miresaka fanoherana azy – hatramin'ny 15 taona.

T**y ny mpanjakan'i Thailandy- ho ela velona anie ny fahafahana miteny!

Ny andininy faha-112 mikasika ny Didy Fanamelohana ao Thailandy dia mamaritra ny sazy mikasika ny faniratsiràna mpanjaka ho 3 ka hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina.

loharano: Fahafahana Manohitra ny Sivana ao Thailandy (Ang) [5]