- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fahafahana Ireo Olom-pirenena Nizeriana Miisa Telo Ambinifolo  Taorian'ny Fakana An-keriny Nataon'ny Boko Haram Nandritra Ny Volana Maromaro

Sokajy: Nizeria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika

Pikantsarin'ireo polisy vavy Nizeriana miisa 10 nalaina an-keriny tamin'ny volana Jona 2017 ary efa navotsotr'i Boko Haram.

Nizeriana miisa telo ambinifolo no nalain'i Boko Haram [1] an-keriny, fikambanana jihadista mpikatroka ao Nizeria, ary nahazo fahafahana tamin'ny Asabotsy 10 Febroary 2018. Nanamarika tao anaty fanambarana [2]  ny Komitin'ny Vokovoko Mena sy Volan-tsinana Mena Iraisam-pirenena (ICRC) fa “nanamora ny famerenana” indray ireo “polisy vehivavy miisa 10 sy ireo mpampianatry ny Oniversite miisa telo” avy tamin'ny Boko Haram ho an'ireo miaramila Nizeriana izy ireo:

This operation in north-east Nigeria, with the ICRC acting as a neutral intermediary, was carried out at the request of the parties to the ongoing armed conflict…The ICRC was not involved in any negotiations that led to the handover of the 13 people. The armed opposition handed the 13 people over to ICRC representatives who transported them to Nigerian authorities. This action was similar to what the ICRC did in October 2016 and May 2017, when we transported the release of “Chibok girls” to Nigerian officials.

Ity hetsika tany amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Nizeria izay niarahana tamin'ny mpanelanelana ICRC ity, dia notanterahana noho ny fangatahan'ny antoko ao amin'ny fifandonana mitam-piadiana ankehitriny… Tsy nandray anjara tamin'ny fifampiraharahana izay nitarika ny famotsorana ireo olona miisa 13 ny ICRC. Nanolotra ireo olona miisa 13 ho an'ireo solontenan'ny ICRC ny mpanohitra mitam-piadiana izay nitondra azy ireo ho any amin'ny manampahefana Nizeriana.  Nitovy tamin'ny nataon'ny ICRC tamin'ny volana Oktobra 2016 sy ny volana Mey 2017 izany hetsika izany rehefa nanatitra ireo “zazavavy Chibok” izay navotsotra ho an'ireo manampahefana Nizeriana izahay.

Polisy vehivavy miisa folo no nalain'ny Boko Haram an-keriny tamin'ny volana Jona 2017 rehefa voalaza fa nanao fanafihana tampoka andiana tompon'andraikitry ny fiarovana  tany amin'ny tanàndehibe avaratra-atsinanan'i Damboa, Fanjakana Borno ireo mpikomy. Namoaka lahatsary izy ireo taorian'izay izay nanambarany fa lasa “andevony [3]” ireo polisy manampahefana.

Tahaka izany ihany koa, mpampianatra miisa telo avy amin'ny Oniversiten'i Maiduguri, any amin'ny Fanjakana Borno ihany koa no nalain'ny Boko Haram an-keriny [4] tany amin'ny faritra Magumeri any amin'ny Fanjakana Borno, tany avaratra atsinanan'i Nizeria nandritra ny fitrandrahana solika tao amin'ny faritry ny Farihin'i Chad ny 25 Jolay 2017. Andro vitsy taty aoriana, namoaka lahatsary [5] nampiseho ireo mpampianatry ny oniversite ny Boko Haram .

Boko Haram no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'olona an'arivony, anisan'izany ny fanaovana vy very ny aina sy ny fanafihana nahery vaika nataon'ny mpikomy tany avaratra atsinanan'i Nizeria, any avaratr'i Kamerona sy Nizeria. Nitarika ny tenirohy iraisam-pirenena #BringBackOurGirls [6] (Avereno ireo Zanakay vavy) taty aoriana ny fakàna an-keriny an'ireo mpianatra zazavavy miisa 276 tamin'ny taona 2014 izay nataon'ny Boko Haram tao Chibok, tany avaratra atsinanan'i Nizeria .

Nisaotra ny Avereno ireo Zanakay vavy [7] (BBOG) ilay mpisera Twitter Jeff Okoroafor, olom-pirenena Nizeriana noho ny fanohanany naharitra ka nahatonga hatrany ilay fakàna an-keriny ireo olom-pirenena Nizeriana ho lohalaharana:

MISAOTRA MANOKANA ireo mpikambana rehetra avy ao amin'ny BBOG Nizeria aho noho ny faharetan'izy ireo – nitazona ny olan'ireo mpampianatry ny oniversite sy ireo vehivavy LASSA ho lohalaharana hatrany. Mahafinaritra ry mpiray tanindrazana.

Ry mpitarika malala sy ireo be herimpo, hitahy anareo ANDRIAMANITRA..