- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: “Ojo al Sancocho” Fetiben'ny Horonantsarin'ny Vondrom-piarahamonina

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2009 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Nokarakarain'ny orinasa Sueños Film Colombia (Filma Nofinofy) ny Fetibe Iraisampirenen'ny Filma sy Lahatsary Hafa an'ny Vondrom-piarahamonina antsoina hoe “Ojo al Sancocho [es] [1]” ary natao tamin'ny 18-25 Septambra 2009 tao Ciudad Bolívar [2] any atsimon'i Bogota ny andiany faharoa. Nandritra ny herinandro, nitambatra ireo tetikasa haino aman-jery Kolombiana mba hiresaka momba ny lohahevitra, toy ny Amerika Latina sy ny maha-olom-pirenena, sy ny Web 2.0, ho fomba hananganana vondrom-piarahamonina pratika.

Lasopy nentim-paharazana hita manerana an'i Kolombia ny Sancocho [3] ary namboarina avy tamin'ny taharo maro. Nampiasa fampitahana amin'ny lasopy ireo mpikarakara ny fetibe mba hampisehoana tamin'ny fisarihan'ny herinandro ny olona sy ny fikambanana isan-karazany, izay samy nitondra ny hevitr'izy ireo manokana tamin'ny hetsika.

Photo of Festival workshop by Yuliana Paniagua of Convergentes and used with permission. [4]

Sarin'ny Atrikasan'ny Fetibe, avy amin'i Yuliana Paniagua ao amin'ny Convergentes, nahazoana alalana. Photo of Festival workshop by Yuliana Paniagua of Convergentes and used with permission.

Kiobà no vahiny nasaina manokana, ary niresaka tamim-piderana momba ireo hetsika natao tao Kolombia ireo solontenan'ny Fetiben'ny Cine Pobre [es] [5] any Kiobà. Nisy ihany koa ny fandinihana lohahevitra isan-karazany, toy ny estetika sy ny famoronana. Nampiseho ny famokarany miaraka amin'ny tanjona iraisana ihany koa ny vondrom-piarahamonina sy vondrona hafa mba hamorona sary izay tsy mitovy amin'izay asehon'ny haino aman-jery mahazatra. Ahitana vaovao fanampiny momba ireo mpanolotra, ary koa ny fandaharam-potoanan'ny hetsika mandritra ny herinandro ny bilaogy ofisialin’ [6]ny fetibe.

Manoratra ny bilaogin'ny Tal TV [es] fa noforonina avy amin'ny “filàna hanalalaka ny kolontsaina haino aman-jery any Kolombia” ity hetsika fiarahamonina ity ary mamintina ny filôzôfia ao ambadiky ny Fetibe  [7]izay nahasarika mpandray anjara avy any Colombia, Espaina, Kiobà ary Arzantina:

El festival Ojo al Sancocho, promueve nuevos realizadores y productores audiovisuales de Ciudad Bolívar, de Bogotá, de Colombia y de Latinoamérica, comprometidos con un audiovisual educativo-cultural, informativo y estimulante, que promuevan la identidad latinoamericana, pluriculturalidad y los valores de libertad, solidaridad, paz y justicia.

Mampahery ireo tale vaovao sy mpamokatra haino aman-jery avy ao Ciudad Bolívar, Bogotà, Colombia ary Amerika Latina, izay manolo-tena amin'ny asa haino aman-jery ara-kolontsaina-fanabeazana, fampahafantarana sy mandrisika, izay mampiroborobo ny maha-olom-pirenena Amerikana Latinina, ny fahamaroana ary ny soatoavin'ny fahalalahana, ny firaisankina, ny fandriamapahalemana sy ny fahamarinana ny fetiben'ny Ojo al Sancocho.

Manoratra momba ny tontolon'ny orinasa Sueños Films Colombia,  [8]mpikarakara ny hetsika ny bilaogy Idealistas [es]:

Sueños Films ha editado alrededor de 40 documentales y 4 largometrajes, entre los que se encuentran “Corazón de Ciudad Bolívar” de Felipe Ávila, ganador del premio al Mejor Argumental Local 2008, emitido por Caracol Televisión, y “El Alma de los Sueños”, producido por los niños que integran los talleres de EKO, la escuela audiovisual de la fundación.

Namoaka lahatsary fanadihadiana 40 eo ho eo sy horonantsary lava 4 ny Sueños Films, ka anisan'izany ny “Corazón de Ciudad Bolívar” (Fon'ny Ciudad Bolívar) an'i Felipe Ávila, izay nahazo ny loka tamin'ny Filma Fohy Tsara Indrindra 2008 nomen'ny Fahitalavitra Caracol ary koa ny ” El Alma de los Sueños “(Ny Fon'ny Nofy) novokarin'ny ankizy nandray anjara tamin'ny atrikasa EKO, sekoly haino aman-jery ny fikambanana.

Nandray anjara tamin'ny fandaharana maro ireo mpandray anjara tamin'ny fetiben'ny Ojo al Sancocho ary noraisin'ireo mponina ao Ciudad Bolívar tamin-kafaliana. Taorian'ny hetsika farany, nitodika tamin'ny filàna fanamboarana tambajotra matanjaka izay hananganana ireo tetikasa an-dalana rehetra ao an-toerana ny famintinana fototra mba hanamafisana ny manodidina ny haino aman-jery izay atao manerana ny firenena.

Dikan-teny avy amin'i Eduardo Ávila