Kyrgyzstan: Aprily Mampitebiteby

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Herinandro talohan'ny hifaranan'ny Aprily 2008 dia fidinanà maripàna tsy araka izay noeritreretina no nitranga. Betsaka ireo bilaogera nandefa saripika ahitàna ireo zavamaitso rakotry ny fanala sy ireo hazo tototry ny orampanàla. Ao amin'ny bilaoginy, i Yanagi no nanolotra ny sary mahafinaritra indrindra ahitàna ireo ravina rakotry ny orampanàla. red_ptero niantso [ros] io fidinan'ny maripàna io ho “tarehy ratsin'ny fiakaran'ny hafanàna erantany”.

Tsy nihatra fotsiny tamin'ny natiora ilay fidinan'ny maripàna, fa koa tamin'ny fifandraisana misy amin'ny Rosiana sy ny Kyrgyz. Miaramila Rosiana iray no naratra mafy nandritra ny fifandonana nisy teo amin'ny tafika Rosiana avy amin'ny tobin'ny tafika an'habakabaka ao an-tanànan'i Kant sy ny polisy Kyrgyz. Betsaka tamin'ny olona no nihevitra io fifandonana io ho rahona mitatao amin'ny fifindraisan'ny Rosiana sy ny Kyrgyz.

svetofor_kg niteny hoe [ros]:

Tena tsy mitandrina mihitsy ireo manamboninahitra avy ao amin'ny tobin-tafika an'habakabaka Rosiana ary tsy misalasala miady ny vady na ny fofombadin'ny hafa. Heveriny ho fehintaniny i Kyrgyzstan ka azon'izy ireo anaovana izay tiany, tsy misy firaharahàna izay lalàna Kyrgyz.

Jeffrey Broman manombana hoe :

“Hatramin'ny oviana ary ireo polisy Kyrgyz ao Bishkek no mba nisaina kely akory hampihatra ny lalàna? Tsapako ho mamofompofona fanafenan-javatra”.

Ny fisondrotan'ny sandam-pitaterana, ny herinaratra ary ny fanafanànaa no lasa lohahevitra hafa ‘mivaivay’ ho an'ny adihevitra. FinalFantazy nilaza hoe [ros]:

Hanozongozona ny fanahin'ny olompirenena tsotra ry zareo ato ho ato. Tsy hisy afa-tsy vola hividianana savony sisa sy viviny kely avy amin'ny fisotroan-dronono, ary hahantona ny karama.

Fanambaràna iray nataon'ny filohan'i Kyrgyzstan, Kurmanbek Bakiev, hoe “afaka hahita fidinana be amin'ny tahan'ny fanaovana kolikoly any amin'ny toerana vitsivitsy isika”, no niteraka hatezerana teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Kyrgyz .

grgreg manoratra hoe [ru]:

Eny, mazava ho azy. Tsy afaka hahita fihenàn'ny kolikoly tahaka izany isika any amin'ny firenena hafa. Nitombo roa ampahatelony ny habetsahan'ny tsolotra tao anatin'ny 3 taona farany tao Kyrgyzstan. Tsy antsoina hoe “fihenàna” ny dingana tahaka izany, na firenana aiza na aiza…

Vao haingana, nisy politisiana sasantsasany nanosoka hevitra hanasokajiana ny aterineto ho toy ny filazambaovao. Mitebiteby ireo Kyrgyz bilaogera.

salva08 mihevitra fa:

Tena kidaladala tanteraka! Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny IT ry zareo. Azo tsikilovina ny aterineto, saingy tsy azo fehezina. Fehinkevitry ny Pentagon tamin'ny 2005 io.

Tarantino manampy hoe

Mitovy amin'izany dia afaka i Kyrgyzstan manambara ny tenany ho toy ny mpitarika erantany. Ara-teoria, azo sokajiana ho toy ny fampitambaovao ny aterineto eo amin'ny sehatry ny fanaovana lalàna. Saingy aiza ny fanatanterahana? Ahoana no afaka ampiharana ny lalànantsika amin'ireo lohamilina vahiny? Ireo anaran-tsehatra ao anatin'ny faritra Kyrgyzstan tsy an'ny fanjakàna akory eo anatrehan'ny lalàna. Tokony hatsahatr'ireo politisiana eto amintsika ny fieritreretana toy ny fony mbola Firaisana Sovietika. Tsy afaka teriterena ny aterineto”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.