Misaona Ny Fahafatesan'Ilay Mpanakanto Ogandey Mowzey Radio Teo Amin'ny Faha 33 Taonany I Afrika 

Pikantsarin'i Mowzey Radio (1985-2018) nalaina tao amin'ny lahatsarin-kiran'ny  Radio and Weasel 2016 “Plenty Plenty”

Maty tamin'ny 1 febroary 2018 i Mowzey Radio, mpihira Ogandey manana ny lazany manerana ny kontinanta Afrikana, rehefa afaka sivy andro taorian'ny ratra nahazo ny lohany nandritra ny fifanadonana nitranga tao amin'ny toeram-pisotroana iray..

Moses Ssekibogo Nakintijje no tena anaran'ity mpanakanto 33 taona ity, izay indraindray antsoina hoe Moses Radio, niala tao amin'ny trano fonenany any ambanivohitr'i Kampala izy tsy niaraka tamin'ny mpiambina azy ny 22 Janoary, fa niaraka tamin'ny iray tamin'ireo mpamokatra ny hirany ,Washington Magic, mba hijery ny trano vaovao izay naoriny amoron'ny farihy any Entebbe, Oganda. Ny harivan'io, nasain'ny namana iray nankany amin'ny toeram-pisotroana iray tao Entebbe izy ireo ary rehefa tonga tany dia niditra tamina ady i Mowzey Radio izay niafara  tamin'ny fanipazan'ny mpiambina ny toeram-pisotroana azy tany amin'ny gorodona  ‘carreaux’, ka nahavaky ny lohany.

Vokatr'izany dia tsy nahatsiaro tena intsony ilay mpihira. Nentina nankany amin'ny toeram-pitsaboana tao an-toerana izy tamin'ny voalohany, ary avy eo tany amin'ny hopitaly lehibe iray, izay nandidiana ny lohany. Nandritra ny andro vitsivitsy, hita fa niha-natanjaka izy. Na izany aza, niharatsy ny fahasalamany ary maty izy tamin'ny farany.

Nahazo ny fon'ny Ogandey maro i Mowzey Radio noho ny hatsaram-peony sy ny fahaizany mamorona tononkira hatramin'ny nampalaza azy nanomboka tamin'ny taona 2007.  Niara-niasa tamin'i Douglas Mayanja (fantatra koa hoe Weasel Manizo) i Mowzey Radio tamin'ny fananganana ny Goodlyfe Crew and Radio & Weasel, ary nahazo mari-pankasitrahana maro teo an-toerana sy iraisam-pirenena izy roa ireo nandritra ny taona maro .

Maro ny artsita Ogandey malaza hafa no maty taorian'ny tranga toy izany tao anatin'ny telo taona, anisan'izany ilay mpanakanto Akay Fourtyseven, ilay mpiangaly mozika Master Blaster, ilay mpamokatra mozika Danz Kumapeesa, ary Dizzy Nuts. Niteraka tahotra ho an'ireo mpanakanto ao amin'ny orinasan'ny fialamboly Ogandey ireo fahafatesana ireo.

‘Nanome ahy hatrany izy na kely aza izay nananany ‘

Nandritra ny Lamesa ho an'i Mowzey Radio, nitomany i Weasel Manizo raha nitantara ny asany niaraka tamin'ity namana mpiara-miasa taminy ity izay nindaosin'ny fahafatesana ankehitriny :

My name is Mayanja Douglas Weasel… And Moses Radio has been my brother. We started together with nothing and promised each other heaven and earth. I believe you have been seeing how things have been… We went for the BET Awards, we have won many awards, trotted the whole world but finally my brother has left me. May he rest in peace. I do not have anything else to say. May he rest in peace.

Mayanja Douglas Weasel no anarako … Ary rahalahiko i Moses Radio. Nanomboka niara-niasa tamin'ny kely indrindra izahay ary nifanome toky fa samy hanao izay ho afakay. Mino aho fa efa nahatsapa izany ianareo … Nankany amin'ny BET Awards izahay, nahazo mari-pankasitrahana maro izahay, nandeha nandia izao tontolo izao saingy nandao ahy ny rahalahiko ny farany. Handry am-piadanana anie izy. Tsy manana zavatra hafa holazaina aho. Handry am-piadanana anie izy.

Nahatsiaro ny zanany lahy ho malala-tanana tamin'ireo olon-tiany ny renin'i Mowzey Radio, Kasuubo Jane:

My son has been everything to me. He always gave me even the little he had. Mowzey Radio always took care of his sisters. However much others knew him as a chaotic man, I knew him as a simple, humble and talented son…. My son paid school fees for one of his sisters until she graduated recently. He had very many friends. I am left with nothing.

Tiako loatra ny zanako lahy. Nomeny ahy hatrany izy na kely aza izay nananany. Nikarakara hatrany ny anabaviny i Mowzey Radio. Na dia maro aza no nahafantatra azy ho lehilahy be korontana dia fantatro izy fa zazalahy tsotra, manetry tena ary manan-talenta…. Nandoa ny saram-pianaran'ny iray tamin'ireo anabaviny ny zanako lahy mandra-paha vita ny fianarany vao haingana. Nanana namana maro be izy. Tsy manana na inona na inona intsony aho.

Ny vahoaka maro, ​​anisan'izany ny kintan'ny mozika avy amin'ny lafivalon'ny kaontinanta sy manerana izao tontolo izao no naneho ny alahelony noho ny fahafatesany ary nanome voninahitra azy tamin'ny fandraisany anjara tamin'ny indostrian'ny mozika Afrikana.

Tsy nahatana ny ranomasony raha nahare ny vaovao ilay mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Ogandey Douglas Lwanga:

Andriamanitra ô! tena nidom-pahoriana aho. LASA I RADIO. Toy ny nofy ratsy izany. Andriamanitra ô

Veloma ry rahalahiko
Veloma Radio

Nisioka ihany koa ny mpanakanto Nizeriana sy ilay niteraka fihetseham-pon'ny hira teo amin'ny sehatra iraisampirenena Wizkid ho fahatsiarovana an'i Mowzey Radio; Niara-niasa tamin'ny Radio & Weasel izy tamin'ny hira iray mitondra ny lohateny hoe “Don't Cry” taona vitsivitsy lasa izay:

Mandria am-piadanana Radio

Nidera ny talentan'i Mowzey Radio ilay mpanakanto Nizeriana nahazo loka iraisam-pirenena Peter Okoye, avy ao amin'ny tarika PSquare teo aloha:

Miombon'alaahelo amin'ny fianakaviana Ssekibogo iray manontolo aho sy ireo tia mozika Ogandey sy ireo mpankafy. Vao reko ny fahalasan'i Mowzey Radio. Mandria am-piadanana ry rahalahy. Lehilahy manan-talenta lehibe ianao ary tsy ho adinoinay ianao. Mandria am-piadanana.

Nandray anjara ara-bola teo ho eo amin'ny 9.000 dolara amerikana teo ny Filoha Ogandey Yoweri Museveni ho an'ny saran'ny nampidirana hopitaly an'i Mowzey Radio ary nandoa ny fandaniana lany tamin'ny fandevenana azy ihany koa. I Mowzey dia anisan'ny ekipa nihira tao anatin'ny hira all star mitondra ny lohateny hoe “Tubonga Naawe” (teninjatovo Luganda izay midika hoe “Mandresy miaraka aminareo izahay”)  izay natao fanentanana tamin'ny nahavoafidy ny filoham-pirenena indray tamin'ny taona 2016.

Tao amin'ny Facebook, tsy nampino an'ilay mpiangaly mozika lasa mpikambana ao amin'ny parlemanta Robert Kyagulanyi, fantatra amin'ny anarana hoe Bobi Wine, ny fahalasan'i Mowzey Radio ary nanome fankasitrahana ny fiainany fohy sy manan-danja ihany koa izy.

Sleep well my friend, my brother.
It is so sad that you have gone when your family, friends, the music industry and your country needed you most. It is very hard to believe. Words cannot express how I feel right now. Very, very sad that we as a generation have lost you. We shall always celebrate your short but very influencial life. One day we shall find you there. May the Lord receive your good soul in eternal glory.
#RestInPower

Mandria am-piadanana ry namako, ry rahalahiko.
Tena mampalahelo fa teo amin'ny fotoana nilan'ny fianakavianao, ny namanao, ny indostrian'ny mozika ary ny firenenao  anao indrindra no nandaozanao anay. Sarotra ny mino izany. Tsy ampy hanehoana ny zavatra tsapako amin'izao fotoana izao ny teny. Tena mampalahelo tokoa fa namoy anao ny taranaka iray. Hankalaza hatrany ny fiainanao fohy kanefa tena manan-danja izahay. Mbola hahita anao any izahay indray andro any. Enga anie ny Tompo handray ny hatsaram-panahinao any amin'ny voninahitra mandrakizay.

‘Raha omeko fitiavana ve ianao dia hahatsiaro ahy’

Tao amin'ny Instagram, nizara ny sarin'ny iray tamin'ireo mpanjifany izay nanome ny endrik'ilay mpanankato nindaosin'ny fahafatesana taorian'ny volony ilay mpanao volo fanta-daza sady mpanety volon-dehilahy Mart :

Ho an'ny hiran'ny Radio & Weasel mitondra ny lohateny hoe “Remember Me”  ny lahatsarin-kira farany izay navoakan'i Mowzey Radio ary miresaka momba ny fiarahana indray alina izay nirìny hitohy, kanefa manontany tena izy raha toa ka mba nahatsiaro azy toy izany ihany koa ilay olona niarahany. Noho ny fahafatesany tampoka anefa dia lasa misy dikany vaovao ilay andininy toy ilay hoe: “Raha omeko fitiavana ve ianao dia hahatsiaro ahy “:

Namoaka lohateny iray mitondra ny lohateny hoe ” Mama” ihany koa ny Radio & Weasel vao haingana izay niderany ny reniny.  Voalaza fa nandao tetikasa maromaro tsy mbola nivoaka ilay artista.

Tamin'ny 3 Febroary 2018 no nalevina tany amin'ny tanindrazan'ny reniny tao Kagga i Mowzey Radio ,.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.