- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiroborobo ny Fahasamihafana Ara-piteny Antserasera Amin'ny Alalan'ny Fanamby Sary-sy-Soratra Amin'ny Tenindrazana 2018

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

mememl3 [1]

Taorian'ny fanentanana nahomby tamin'ny herintaona, manasa anareo indray handray anjara amin'ny Fanamby Meme (Sary-sy-Soratra) Faharoa amin'ny Tenindrazana 2018 amin'ny alalan'ny famoronana meme (Sary-sy-Soratra) mahatsikaiky na mampisaintsaina amin'ny fitenin-drazanao ato amin'ny aterineto. Manomboka amin'ny 14 febroary ka hatramin'ny 21 Febroary, manasa anareo handray anjara amin'ity fanentanana antserasera mahafinaritra ity ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenindrazana.

Napetraka ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dRazana [2] mba hampiroboroboana sy hankalazàna ny fahasamihafana ara-piteny sy ara-kolontsaina manerana izao tontolo izao, miaraka amin'ny fanasongadinana manokana ny tenin'ny tompotany, ny vakoka, ny tenin'ny vitsy an'isa, ary ny teny tandindonin-doza. Noho ny fanampian'ny fitaovana nomerika sy ny aterineto, misy ankehitriny ny sehatra tsy manam-paharoa ho fanehoan-kevitra sy ifandraisana amin'ny hafa ihany koa hiasa hamelomana indray ny tenin-drazan'izy ireo.

Nandritra ny fanamby tamin'ny taona lasa, nifankafantatra tamin'ireo tompon-dakan'ny fiteny izay nandray anjara tamin'ny famoronana sary-sy-soratra tamin'ny fiteny Berrichon-Bourbonnais [3], Karuk [4], Fulfulde [5], Wiradjuri [6], Quechua [7], sy Kwak̓wala [8] ihany koa isika. Sary sy soratra amin'ny fiteny an-jatony no noforonina sy nozaraina an-tserasera. Azonao jerena ao amin'ity lahatsoratra famintinana [9] ity ny fifantenana ireo sary sy soratra ireo  tamin'ny fanentanana tamin'ny herintaona.

« ko mbile yimi woo, mbile nanay » ##MemeML #pular #fulfulde [10]

A post shared by Teddungal.com [11] (@teddungal_com) on

Averina indray, karakarain'ny Rising Voices [12] sy ny namanay ao amin'ny Living Tongues Institute [13] [Ivotoeran'ny Teny Velona], First Peoples’ Cultural Council  [14] [Vaomiera Ara-kolontsain'ny Vahoaka Voalohany], Indigenous Tweets [15],[Sioka Indizeny], Endangered Languages Project  [16][Tetikasa ho an'ny Teny Andala-pahaverezana], sy ny Digital Language Diversity Project  [17][Tetikasan'ny Fahasamihafam-Piteny Nomerika] ary koa ireo mpiara-miasa manerantany maromaro ity Fanamby ity. Manasa anao ny Fanamby Sary-sy-soratra amin'ny Tenin-dReny [Tenin-dRazana] mba hametraka ny fahaizanao mamorona sy ny fitiavanao ny teny mba hamorona Sary-sy-soratra amin'ny tenindrazanao.

Raha handray anjara, araho fotsiny ireo dingana tsotra ao amin'ny tranonkalan'ny Fanamby (http://memeML.org [18]),  izay ahitana fitadiavan-tsary, manisy lahatsoratra sy tenirohy, miaraka amin'ny #MemeML, ary zarao ao amin'ny sehatra media sosialy ankafizinao indrindra. Aza adinoina ny “manamarika (tag)” olona manasa azy ireo mba hamorona sary sy soratra azy ireo manokana amin'ny tenindrazany.

Hahita rohy mankany amin'ireo sehatra tranonkala maimaimpoana ihany koa ianao hamoronana sy hitahirizana ny famoronanao. Ao anatin'ny herinandro alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tenindrazanay taona 2018, hizara, hamerina sioka sy handefa izay fandraisana anjara manerantany izahay ary hampiseho ny sasany amin'ireo ankafizinay indrindra eto amin'ny Rising Voices.

‪Celebramos el Día Internacional de la Llingua Materna con memes n'asturianu y gallego-asturianu #MemeML #asturianu ‬ [19]

A post shared by Iniciativa pol Asturianu [20] (@iniciativaxast) on

Raha fikambanana, firaisambe, tetikasa na vondrona hafa miasa amin'ny famelomana indray ny teny manerantany iana[re]o, dia mitady mpiara-miasa vaovao hiaraka aminay izahay mba hampiroborobo ity Fanamby ity. Mitady ireo hafa ihany koa izahay mba hanampy handika teny eo amin'ny 150 teny eo mba hitondra ny  tranonkala amin'ny teny maromaro kokoa ka afaka mahatratra mpiteny amin'ny teny maro kokoa isika. Amin'izao fotoana izao, manana tranonkala [18] ahitana teny maherin'ny 35 izahay, ary manantena fa hanampy teny marobe kokoa amin'ity taona ity. Mifandraisa aminay [21] raha mila fanazavana fanampiny.