Filazàna: Fametrahana ny Hetsika-Tanjon'ny Mpitantana ny GV

Sary: Georgia Popplewell (CC BY 3.0)

Mientanentana ery izahay manambara ny hetsika iray vaovao natsofokay ho an'ny GV ho an'ny taona 2018. Amin'ity taona ity, tsy hoe hifantoka fotsiny amin'ny isan'ny lahatsoratra sy ireo fepetra hafa momba ny hamaroana, fa ireo mpikambana mpitarika ny GV, isan'izany ireo tonia ao amin'ny trano famoahana vaovao, ireo mpikambana fototra ao anatin'ny rantsana mpitarika, dia handamina ny asantsika hanaraka tanjona apetraka ho anà vanimpotoana voafaritra.

Fa maninona isika no manao azy io?
Matetika isika no mametraka tsindrimpeo betsaka amin'ny tarigetra famoahana lahatsoratra ho toy ny fomba iray handrefesana ny fahombiazana, saingy mazàna no tsy mahavita mandrakitra endrika hafa amin'ny asantsika, toy ny fananganana vondrom-piarahamonina sy fanofànana. Eritreretinay fa ny fandaminana ny asantsika hanodidina tanjona dia:

  • hanampy antsika handrafitra izay laharam-pahamehantsika;
  • hampiditra amin'ny fomba mifanaraka tsara kokoa ny lanjan'ny fanofànana ho ao anatin'ny asantsika;
  • hanampy antsika hanaraka tsara tsy misy tomika ny fizotry ny ezaka natao;
  • hanampy antsika hahalàla raha toa nahatratra ny tanjona napetraka isika;
  • hanampy antsika hamantatra ny mandeha, sy ny inona no mbola fanamby mitohy atrehana.

Inona no atao hoe tanjona?
Ny tanjona iray dia zavatra atolotry ny mpikambana iray ao amin'ny fitantanana ny GV ho an'ireo asa ho fomba fanohanana ny fanatanterahana mivaingana ny iraka totosain'ny GV. Amin'ny ankapobeny ireo tanjona dia harafitra sy ho arahana akaiky miaraka amin'ireo mpikambana mpiaramiasa ao amin'ny tarika sy ny vondrom-piarahamponina isam-paritra. Mety hisy hifandraisany amin'ny resaka fandrakofam-baovao, fikarohana, fananganana vondrom-piarahamonina, fifanomezan-tànana, sns… Mety koa hifototra aminà fiarahamiasa eo amin'ireo rantsana GV avy amin'ny faritra samihafa ireny tanjona ireny.

Isaky ny inona no hapetraka ny tanjona?
In-efatra isantaona no hisy fametrahana tanjona, isaky ny telo volana. Vantany vao tapaka izay tanjona hotratrarina, dia hanolotra ny drafitra avy aminy ireo Tonia, ataony anaty lahatsoratra avoaka ao amin'ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonintsika, mba hahafahan'ny mpikambana rehetra mandinika, maneho hevitra ary mandrisika azy ireny.

Manomboka amin'ity herinandro ity dia hanomboka hitsinjara ireo filazàna tanjona ao amin'ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina ireo mpikambana ato amin'ny fitantanana ny GV. Araho ny vaovao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.