- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Global Voices Hatramin'ny Herinandro Lasa ?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka
[1]

“Vakio!” Sary avy amin'ny mpisera amin'ny Flickr carnagenyc. CC BY-NC 2.0

Ato amin'ny Global Voices, ny iraka ampanaovina ho fanohanana ny zon'olombelona sy fananganana ny tetezan'ny fifankahazoana eo amin'ny samy firenena, ny kolontsaina ary ny fiteny,  ny vondrom-piarahamoninay dia mikaroka, manoratra, manonta ary mandika ireo tantara ho amin'ny fiteny hafa.

Tsy ho fanairana na ho fanarahana ireo fironana vaovao fotsiny no amoahanay . Fa tianay, na izany aza, ny mitazona ireo fomba fiasanay mafy izay misy fiantraikany eran'izao tontolo izao.

Izany no antony ilàna ny fahafantarana ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanay teny. ‘Ndeha ho jerena hoe iza ary inona no nisarika ny sain'ireo mpamaky anay nandritra ny herinandron'ny 5 ka hatramin'ny 11 Febroary 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices ?

Tamin'ny herinandro lasa, ny tantara sy ny fandikàna lahatsoratra nataonay dia nahatarika mpamaky avy amin'ny firenena 195 ! Ireo firenena 20 voalohany hita manerana ny tranonkalan'ny Global Voices dia :

Ireo firenena 20 voalohany amin'ny famakiana nandritra ny herinandron'ny 5-11 Febroary 2018. Nadikan'i Roke amin'ny sarintany. CC BY-SA 3.0

  1. Etazonia
  2. Kanadà
  3. Japana
  4. Meksika
  5. Brazila
  6. Frantsa
  7. Angletera
  8. Espaina
  9. Kolombia
  10. Filipina
  11. India
  12. Italia
  13. Alemaina
  14. Rosia
  15. Taiwan
  16. Bangladesh
  17. Indonezia
  18. Argentina
  19. Però
  20. Madagasikara

Global Voices amin'ny teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny anglisy dia izay hamoahana voalohany ny ankamaroan'ny votoaty voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireo tantara dimy be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa dia :

  1. Nahazo Emoji “Steups” ihany i Trinidad & Tobago [mg] [2]
  2. Satria Mankalaza Ny Andron'i Bob Marley Izao Tontolo Izao, Miova Ny Reggae Ary toy Izany Koa Ireo Mpankafy Azy [Ang] [3]
  3. Ahoana No Anamboaran'ny Apple Ny Làlana  Mankany amin'ny ‘Jadon'ny Rahona’ any Shina [Eng] [4]
  4. Sarona Ilay Tantara, Ratsin'ny Kolikoly Tany Gresy Noho Ny  Fanampian'ny Fanadihadian'ny FBI [Eng] [5]
  5. Tsy Ny LGBT Jamaikana Ihany No Nankasitraka Ny Fandraràn'ny Governemanta Ilay Mpitoriteny Amerikana Mampifanolana [Eng] [6]

Global Voices Lingua

Lingua dia tetikasa izay mandika ireo tantara ao amin'ny Global Voices ho amin'ny fiteny ankoatry ny teny anglisy. 30 eo ho eo ny isan'ny tranonkala mavitrika ao amin'ny lingua. Ireto ambany ireto ny tantara na dikanteny be mpamaky indrindra isaky ny tranonkala navitrika tamin'iny herinandro iny.

Arabo

Aymara

Bangla

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nenti-paharazana)

Czech

Dutch

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemàna

Grika

Hindi

Hongroà

Indoneziana

Italiana

Japoney

Koreana

Kiorda

Makedoniana

Malagasy

Nepali

Polone

Portiogey

Romaniana

Rosiana

Espaniola

Swahili

Tiorka

Ordò