- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast: Bilaogera Indiana Dina Mehta

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka

(Tamin'ny 30 May 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Dina Metha

Faly izahay mandefa ny Skypecast Global Voices miaraka amin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpandinika ny kolontsain'ny vondrom-poko sady bilaogera Dina Mehta, tao Mumbai (sa Bombay?), India. Niresaka momba ireo antony nitarika azy ho lasa bilaogera izahay sy Dina, ny dinkateny Indiana amin'ny “adihevitra nifanaovan'ny bilaogera sy ny mpanao gazety, ary ny fanantenany fa ho maro kokoa ireo bilaogera hanoratra momba ny fahasamihafana ara-toekarena sy ara-teknika ao India .

Azonao atao ny mihaino ny resaka ataonay eto [1]. (mp3, 30 minitra, 17MB.)

Mbola mianatra momba ny antsipiriany ara-teknika amin'ny fandraketa-peo amin'ny alàlan'ny fampiasana Skype isika – mbola sarotra ny mahazo rakipeo “mazava tsara” avy amin'ny Skype, indrindra rehefa miresaka amin'ny olona ao anaty tontolom-pifandraisana kely tosaka. Rehefa mitohy ny fandefasana ny Skypecasts dia ao amin'ny sokajy “Rakipeo” no ahitana izany. Raha toa ka mampiasa fanangonam-baovao ianao mba hisoratana anarana ao amin'ny rakipeo, azonao atao ny mampiditra ity rohy ity [2] amin'ny lisitry ny kaontinao.


Rohy mankany amin'ny tranonkalan'ny bilaogy noresahana tao amin'ny antsafa:

Ny tranonkalan'ny bilaogin'i Dina – Resadresaka nifanaovana tamin'i Dina [3]

Dilip d'Souza [4] – Mpanao gazety Indiana sady bilaogera.

Amit Varma [5] – Mpanao gazety lasa bilaogera, notondroin'i Dina ho bilaogera tsy mandray fanehoan-kevitra.

Rohit Gupta [6] – mitarika vondrona bilaogy miaraka amin'ny tsikera matetika ao amin'ny fampitam-baovao mahazatra.

Pradyuman Maheshwari [7] – Mpanoratra ny mediaah!, bilaogy iray efa nikatona izay notorian'ny Times of India.*

Indicubed [8] – Bilaogy iray natsangana ho an'ny vondrona mpiady hevitra momba ny olana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Indiana.

Rashmi Bansal [9] – Toniandahatsoratry ny gazetibokin'ny tanora ao Mumbai, tantanan'ny Youthcurry, bilaogy iray mifantoka amin'ny kolontsain'ny tanora Indiana.